KolontsainaPolitikaSongadim-baovao

FIHETSIKA MAMOAFADY IMASOM-BAHOAKA : Sazin’ny fehezan-dalàna famaizana, mifanohitra amin’ny Kolontsaina malagasy

Sokajiana ho laharam-pahamehana ho an’ny firenena ny fiarovana ny Kolontsaina malagasy sy ny fanajana ireo soatoavina malagasy, araka ny fepetra voalazan’ny andininy 3 sy 6 amin’ny lalàna lf-2021-019 tamin’ny 4 aogositra 2021 mikasika ny politikam-pirenena momba ny Kolontsaina. Tsikaritra anefa tato ho ato ny fisiana tranga izay mampiseho fihetsika mamoafady eny imasom-bahoaka. Isan’ireo mandray anjara betsaka amin’izany ireo mpanakanto, izay everina fa tokony hanabe, kanefa zary lasa modely ratsy ho an’ny ankizy sy tanora. Ohatra tamin’izany ny fihetsika nataon’ny mpanakanto iray nandritra ny seho nataony tany amin’ity tapany avaratry ny Nosy iny, andro vitsy lasa izay. “Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia mampahatsiahy etoana fa ny fanaovana fihetsika mamoafady imasom-bahoaka izay mifanohitra tanteraka amin’ny Kolontsaina malagasy dia tsy azo ekena ho voizina eto amin’ny tany sy ny firenena na ho an’ny artista izany na ho an’ny mpikarakara fampisehoana”, hoy ny fanambaran’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina, tamin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny fifandraisana amin’ny daholobe. .

Nohamafisin’io fanambarana io  fa ny fihetsika mamoafady imasom-bahoaka dia sazian’ny andininy 330 amin’ny fehezan-dalàna famaizana. Ankoatra izay, mbola nampahatsiahivin’ny Minisitera ihany koa fa ny serasera amin’ny endriny rehetra dia malalaka kanefa tsy tokony ampiasaina hizarana sary na fanehoana mamoafady izay manohintohina ny filaminantsain’ny besinimaro, araka ny voalazan’ny andininy 6 sy 26 ary 31 amin’ny lalàna lf-2016-024 tamin’ny 24 aogositra 2016 novaina sy nampian’ny lalàna lf-2020-006 tamin’ny 1 septambra 2020 mikasika ny serasera amin’ny haino vaky jery.

Dimy taona an-tranomaizina miampy lamandy

Etsy ankilany, ny fanapariahana sary na fihetsika mamoafady amin’ny tambazotran-tserasera dia mahavoasazy roa ka hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina miampy lamandy 10.000.000 Ariary à 20.000.000 Ariary raha toa ka mety ho hitan’ny zaza tsy ampy taona izany sary na fanehoana izany, araka ny voalazan’ny andininy 25 amin’ny lalàna lf-2014-006 tamin’ny 17 jolay 2014 novaina sy nampian’ny lalàna 2016-031 tamin’ny 23 aogositra 2016 mikasika ny heloka amin’ny tambazotra aterineto.

Fermer