Songadim-baovao
DISTRIKAN’ANTSOHIHY : Lavon’ny bala ilay Mpimasin-dahalo mpamerin-keloka sy mpamatsy fitaovam-piadiana
Taorian'ny halatr'omby nitranga tao Andranotakatra Ambany, kaominina Ambatosia, Distrikan’i Bealanana, ny 12 Aogositra lasa teo, dia tafaporitsaka i Ndrianary sy ny namany iray hafa avy ao Andavadoko, Kaominina ambanivohitra Anjalazala, distrikan’ Antsohihy, ka mihaodihaody ao Antsohihy hanafaka ireo namany efatra voatazona am-ponja vonjimaika. Taorian’ny vela-pandrika natao, dia lavon’ny balan’ny zandary afakomaly ity mpimasin-dahalo sady mpamatsy fitaovam-piadiana ity…

Manoloana ny tsy Fandriampahalemana izay miseholany amin’ny sisin-tany mifanefitra amin’ny Distrikan’i Bealanana sy Antsohihy miseho amin’ny halatr’omby an-taonany maro izay. Dia maro, araka izany, koa ny fitarainana voarain’ny Vondron-tobim-paritra ny zandarimariam-pirenena Antsohihy fa misy mpibaiko ary mpitahy ireo asa ratsy voalaza. Naharay loharanom-baovao marim-pototra ny vondron-tobim-paritra Antsohihy nanomboka ny 27 novambra 2022 lasa teo, fa taorian’ny halatr’omby nitranga tao Andranotakatra Ambany, kaominina Ambatosia, Distrikan’i Bealanana, ny 12 Aogositra lasa teo, dia tafaporitsaka i Ndrianary sy ny namany iray hafa avy ao Andavadoko, Kaominina ambanivohitra Anjalazala, distrikan’ Antsohihy, ka mihaodihaody ao Antsohihy hanafaka ireo namany efatra voatazona am-ponja vonjimaika, vokatr’io raharaha io. Voalaza fa sady Mpimasin-dahalo no dahalo mpamerin-keloka ary mpamatsy fitaovam-piadiana ity Ndrianary ity. Efa ela no nanaovany izany asa ratsiny izany. Efa matetika migadra izy ary miverina indray manohy izany isaka ny tafavoaka ny fonja.
Antontan-taratasy fampivarotana basy
Velon-taraina ny Mponina any amin’ny distrikan’i Bealanana, vokatry ny hafitsony satria mbola fanta-daza amin’ny antsoina hoe: « Rabatteur » koa izy ka manome vahana ny fandikan-dalàna sy ny fanaovan-dratsy any amin’ny Faritra misy azy sy ny manodidina. Nifampitadiavana nandritra ny telo volana sy 21 andro ity Mpimasin-dahalo ity ka tao Anjiamangirana II, Distrika Antsohihy no naharenesana azy, roa andro lasa. Nametraka ny vela-pandrika rehetra ny Zandary, izay notarihan’ny Kapiteny Tobiasy, Kaomandy ny Vondron-tobim-paritra ny hisamborana azy tany an-toerana. Ka ny afakomaly teo, tokony ho tamin’ny 3 ora maraina dia tafaporitsaka tao amin’ny Toby nisy azy tao Anjiamangirana II i Ndrianary ka nikasa handositra tany amin’ny Kaominina Ambodimanary, Distrikan’ Antsohihy no nifanjevo tamin’ny Zandary. Lavon’ny bala vokatr’izany izy ary tratra niaraka taminy ny basim-borona iray miaraka amin’ny vanja, tapakazo sy ody maro samihafa fampiasany amin’ny maha Mpimasy azy.
Marihina fa mifandray tendro amin’ireo tambazotran-jiolahy ao Betomendry sy Anjiamangirana ity Mpimasy ity. Sarona tany aminy koa ireo antontan-taratasy fifampivarotana basy amin’ny maha Mpamatsy basy azy. Ary ny taratasy fahazoany fahafahana vonjimaika avy tany am-ponja. Nanaovana tatitra ny Lehibe isan’ambaratonga. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo, dia natolotra ny fokonolona tany an-toerana ny razana mandra-piandry ny fianakaviany. Ny Tobim-paritra Bealanana no manohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo namany mbola tsy hita ary ny fanarahamaso ireo efa-dahy vao nivoaka ny fonja tamin’ity herinandro ity.



