PolitikaSongadim-baovao
TAONA 2023: Ny hisian’ny fifidianana mitondra fitoniana no tanjona
Tsy mbola nilaza mihitsy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) fa tsy hisy ny fifidianana amin’ny taona ho avy. Miroso ny fanomanana, ary dingana efa atao ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ankehitriny. Mbola miandry ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana amin’ny taona 2023 kosa vao fantatra ny tetibola tena hirosoana amin’izany, miainga amin’ny filàna ara-bola faritan’ny Ceni.
Tsy vonona hiroso amin’ny fifidianana ny Fitondram-panjakana ankehitriny, hoy ny avy amin’ny fanoherana, matoa tsy manome tetibola hahafahan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) manatanteraka izany. Mazava ho azy, tsy mitombina io fanambarana io. Ary ny Ceni tsy mbola nilaza mihitsy fa tsy hiroso amin’ny fifidianana, araka ny angom-baovao. Ny mifanohitra amin’izany aza no misy, satria anisan’ny asa efa mandeha ankehitriny ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, izay ho ampiasaina amin’izany fifidianana amin’ny taona ho avy izany. Manao sesilany ihany koa ireo fihaonana sy fitsidihana ara-pomba fanajana ny eo anivon’ny Ceni mahakasika ny firosoan’i Madagasikara amin’ny fifidianana. Isan’izany Mpandrindra maharitry ny Firenena Mikambana, miasa sy monina eto Madagasikara (Coordonnateur Résident des Nations Unies), Andriamatoa Sanogo Issa, izay noraisin’ny Filohan’ny Ceni omaly. Nivoitra nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ny ezaka ataon’ny Ceni amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly ary ny manodidina ny tontolo hiatrehana ny fanomanana ny fifidianana. “Ny Tanjona dia ny hisian’ny fifidianana mitondra fitoniana”, hoy ny Filohan’ny Ceni.
Tsiahivina fa nandritra ny herinandro vitsivitsy dia nifanesy ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena toy ny SADC,ny Vondrona Eoropeana, ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara ary ny OIF no nitsidika ny Ceni.
Tetibola tsy ampy ?
Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Ceni omaly, dia mbola vao hiroso amin’ny famolavolana izay mety ho filàna ara-bola rehetra manodidina ny fifidianana amin’ny taona ho avy izy ireo, ary hanolotra an’izany amin’ny Fitondram-panjakana. Dikany, miainga amin’io “programme d’emplois” io no hijeren’ny Ceni ny elanelana misy eo amin’izay tetibola omen’ny Fanjakana sy ny tetibola ilaina. Tsy maintsy hisy, noho izany, ny fifampiresahana amin’ny Fanjakana mifandraika amin’izay. Tsara ho fantatra fa mitentina 45 miliara ariary ny sorabola efa voafaritra ao anatin’ny Volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023 hikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara. Mbola azo atao tsara ny manitsy io tetibola io amin’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana amin’ny taona 2023 na ny LFR. Araka izany, ny tetibola izay voasoratra ao anatin’ny LFR 2023 no ho ampiasain’ny Ceni amin’ny fifidianana, miampy izay fanohanana mety homen’ny mpiara-miombona antoka, miankina amin’ny filàn’ny Ceni.
Mpifidy 6 tapitrisa latsaka efa anaty lisitra
Ankoatra izay, efa miisa 6 tapitrisa latsaka ireo mpifidy voasoratra anarana ao anaty lisitra hatreto, ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy na ny “refonte”. Raha tsiahivina dia mpifidy miisa 13 500 000 no kendrena ho tafiditra anatin’ny lisitra, hatramin’ny 31 desambra izao. Nilaza anefa ny Filohan’ny Ceni, omaly, fa azo atao tsara ny manemotra io daty io raha toa ka mbola maro ireo tsy tafiditra anatin’ny lisitra, noho ny antony maro samihafa. Tsy lalàna, hoy izy, no nametraka io daty io, fa didim-panjakana. Noho izany, hisy soso-kevitra ho alefa eo anivon’ny Governemanta, mahakasika ny mety hanemorana io daty io. Tanjona, hoy izy, ny haha tafiditra ny olom-pirenena rehetra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.




