PolitikaSongadim-baovao

FITSIPAHAM-PITOKISANA NY GOVERNEMANTA: Raikitra indray ny fizarana vola eny Tsimbazaza

Ny alakamisy sy zoma izao raha tsy hisy fiovana no hifanatrika indray ny Solombavambahoaka sy ny mpikamban’ny Governemanta. Omaly, re fa nisy fikonokononana hametraka fitsipaham-pitokisana ny Governemanta Ntsay eny Tsimbazaza, ary nisy mihitsy ny fanangonan-tsonia narahina fizaram-bola.

Ny fivezivezena fiarana solombavambahoaka maro amin’ny andro alina tetsy Tsimbazaza no nanaitra ny manodidina ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena omaly alina. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra fa nisy andiana Solombavambahoaka nifamorivory tao an-dapa tao. Fitsipaham-pitokisana ny Governemanta ankehitriny no votoatin’ny resaka, raha ny tsilian-tsofina re. Izany hoe, fanangonan-tsonia. Ny fitantaran’ny loharanom-baovao azo antoka avy amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena ihany koa no nahalalana fa, io omaly alina io ihany, dia nisy koa ny fizarana vola ho an’ireo izay nanaiky ny hanao sonia izany fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny Governemanta izany. 5 tapitrisa ariary isaky ny Solombavambahoaka no nozaraina, raha ny voalazan’io loharanom-baovao io. Tamin’ireo Solombavambahoaka izay tazana teny Tsimbazaza io omaly alina io dia nahitana endrika avy amin’ny Antoko ivelan’ny Fitondrana toy ny TIM na koa MMM, saingy nahitana solombavambahoaka avy amin’ny vovonana IRD ihany koa.

Resaka tombontsoa manokana no ambadik’izao tetika hametraka fitsipaham-pitokisana izao, raha ny resaka mandeha eny Tsimbazaza eny. Voalaza mantsy fa nahatsikaritra fanodinkodinam-bola eo anivon’ity Andrimpanjakana mpanao lalana ity ny Lehiben’ny Governemanta. Ankoatra izay, nangataka fampiakarana ny solika ampiasainy ny solombavambahoaka sasantsasany, raha ny fantatra. Fampiakarana izay tsy hita anatin’ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023, ka nahatezitra azy ireo. Tsy nampahafantarina izany rahateo ny Governemanta fa tonga dia notapahana fotsiny, ka mazava ho azy tsy misy izay sora-bola izay ao anatin’ny Tetibolam-panjakana.

Tsara ho fantatra fa, raha tsy misy ny fiovana, dia rahampitso alakamisy 08 desambra sy zoma 09 desambra izao no fihaonana eo amin’ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka. Fotoana izay isan’ny andrasan’ny mpanara-baovao fatratra eo anatrehan’ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny mpanatanteraka sasantsasany sy ireo Solombavambahoaka sasany.

Manaraka akaiky ity raharaha fikononkononana fitsipaham-pitokisana ny Governemanta ity ny rehetra…

Ny Fanoratana.

Fermer