PolitikaSongadim-baovao

ANTENIMIERAM-PIRENENA: Mamofona fanakorontanana ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta

Fanakorontanana ve sa famotehana Firenena mihitsy no tanjon’ireo Depiote nanaiky nandray vola ka nanasonia ilay fitsipaham-pitokisana ny Governemanta? Raha ny kisarisary tian’ireo Depiote voavidy vola ireo avoitra dia hoe misy korontana ara-politika eto amin’ny firenena. Isika anefa vao tsy ela akory izay no nanao hetsika niantso ny mpampiasa vola vahiny aty Madagasikara. Sa ve ny hampihemotra ireny mpampiasa vola ireny mihitsy no tanjona? Ireo maro an’isa eo anivon’ny Antenimeram-pirenena izay saika lasa lohany amin’izao fanakorontanana izao, raha toa ka tokony hanampy amin’ny fahatraran’ny Filoha ireo Vina isan-karazany.

Raha tsy misy ny fiovana dia anio no hivory ireo filoham-baomiera sy lehiben’ny vondrona parlemantera mandrafitra “conférence des Presidents” eny amin’ny Antenimieram-pirenena handray fanapahan-kevitra momba ny hitondrana na tsia ny fitsipaham-pitokisana eo anatrehan’ny fivoriana azon’ny besinimaro hatrehina. Marihina fa omaly no tafapetraka teo anivon’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-drijateny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta Ntsay. Solombavambahoaka 105 no voalaza fa nanao sonia io volavolan-drijateny io.

Raha ny lisitra nivoaka dia nanao sonia avokoa ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko ivelan’ny Fitondrana toy ireo izay voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM na ireo izay voafidy tamin’ny loko mangan’ny MMM. Ireo izay anatin’ny vondrona parlemantera GPR koa dia isan’ireo nanao sonia izany fitsipaham-pitokisana ny Governemanta Ntsay izany raha hita tao anatin’ireo sary izay niparitaka omaly. Fa ny tena nanaitra ny maro dia ny fahitana ireo solombavambahoaka nisalotra ny lokon’ny vovonana isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina eny anivon’ny distrika na ny IRD nanao sonia io volavolan-drijateny fitsipaham-pitokisana io. Fihetsika izay nadikan’ny mpandinika raharaham-pirenena ho famadihana ny Filohan’ny Repoblika izay mbola nanamafy hatrany ny fahatokisany ny praiminisitra sy ireo mpikamban’ny Governemanta hatreto.

Ankoatra izay, niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera sy tamin’ny gazety mpiseho isan’andro koa hatramin’ny omaly ny maha ao ambadik’izao fitsipaham-pitokisana izao ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Omaly tontolo andro dia tsy nahazoana fanehoan-kevitra mihitsy Ramatoa Christine Razanamahasoa.

Nisintona ny soniany ny Depiote sasany

Etsy ankilany, misy Solombavambahoaka maromaro mivondrona sy miray feo ankehitriny, milaza fa tsy miray petsapetsa amin’ity fitsipaham-pitokisana ny Governemanta ity. Nambaran’izy ireo fa manohana tsy misy fepetra ny Filohan’ny Repoblika izy ireo,  ary saro-piaro amin’ny fahamarinan-toeran’ny Fitondram-panjakana. Tanjona, hoy ireo Solombavambahoaka ireo, ny mba hitohizan’ny asa fampandrosoana izay efa mipariahaka manerana ny Nosy. “Mampiseho firaisankina. Ka mitsipaka marindrano ny fitsipahan-pitokisana atao amin’ny Governemanta izahay”, hoy ny fanambarana, izay ny Kestora Henri Jean Michel no nitondra ny teny. Araka ny tsilian-tsofina mandeha dia efa nisy tamin’ireo solomvambahoaka nanao fanambarana ireo no tafanao Sonia tany, saingy nisintona izany indray taorian’ny adihevitra samihafa.

Miantso fitoniana ny Filoha

Mbola nanamafy izany ihany koa ny Filankevitry ny Minisitra izay nivoaka omaly. Nandritra izany, nisy ny teny izay nataon’ny Filoha Andry Rajoelina nialohan’ny nidirana tamin’ny lahadinika samihafa. “Tsy mendrika tsy fahamarinan-toerana ny Nosy Malagasy satria efa misy ny fahasahiranana ara-tsosialy sy ara-toekarena vokatry ny krizy nifanesisesy tany ivelany sy teto amintsika ka tsy tokony hampiana trotraka olana ara-politika hanohitohinana ny fitoniana”, hoy ny Filoha. Taorian’ny krizy ara-pahasalamana, ny rivo-doza nifanesy, ny olan’ny ady misy any ivelany izay misy fiantraikany amin’ny firenena madinika toa an’i Madagasikara, dia maneho fanohanana sy fahatokisana an’i Madagasikara ireo mpiara-miombona antoka amintsika, ka fiaraha-mientana hanohizana ny ezaka efa natomboka no tokony hatao mba hanarenana ny firenena fa tsy fikonokononana fikorontanana, hoy hatrany ny fanazavana. Araka izany,  niantso ny fitoniana ho an’ny olom-pirenena rehetra sy ny fahatongavan-tsain’ny mpisehatra politika, ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry rehetra ny filan-kevitry ny Minisitra hiara-hifanome tanana hanavotra an’i Madagasikara fa tsy sanatria hamotika azy.

ANTENIMIERAM-PIRENENA: Azon’ny Filoha ravana! Araka ny voalazan’ny andininy faha-60 ao anatin’ny lalàmpanorenana, dia azon’ny Filohan’ny Repoblika atao ny mandrava ny Antenimierampirenena rehefa avy nampahafantatra ny Praiminisitra, sy naka ny hevitr’ireo Filohan’ny Antenimiera. Ny fifidianana ankapobe dia tanterahina ao anatin’ny enimpolo andro farafahakeliny ary sivifolo andro farafahabetsany aorian’ny nanambarana ny fandravàna. Ny Antenimierampirenena dia mivory avy hatrany ny alakamisy faharoa manaraka ny fifidianana azy. Raha toa io fivoriana io ka atao ivelan’ny fe-potoana tokony hanatanterahana fivoriana ara-potoana, dia hisokatra avy hatrany ary tanterahina mandritra ny dimy ambinifolo andro ilay fotoam-pivoriana.

Ny Fanoratana.

Fermer