PolitikaSongadim-baovao
ANTENIMIERAM-PIRENENA: Nolavin’ny birao maharitra ilay fitsipaham-pitokisana ny Governemanta
Tsy manaraka ny fepetra rehetra takian’ny lalàm-panorenana sy ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena ny fametrahana ny antontan-taratasy fitsipaham-pitokisana nataon’ny Solombavambahoaka sasantsasany ka tsy azo raisina, araka ny fanambarana nataon’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena omaly.
Milaza ny andininy faha-195 ao amin’ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimieram-pirenena fa tokony ho ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena no mandray ny antontan-taratasy mirakitra ny fitsipaham-pitokisana, ary izy no manao ny fanamarinana ny fisian’ny Sonia sy ny maha tena izy izany, araka ny takian’ny lalàmpanorenana sy ny fanarahana ny pitsopitsony araka ny lalàna manan-kery. Io andinin-dalàna io no nanokafan’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena ny fanambarany omaly nanoloana resabe manodidina ny fametrahan’ny Solombavambahoaka ny antontan-taratasy mirakitra ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta. Rehefa nodinihina anefa, hoy izy, ny antontan-taratasy napetraka dia mampiahiahy ny maha tena izy ny ankamaroan’ireo Sonia ao anatiny, ary maro ireo solombavambahoaka no mitsipaka ny fampiasana ny sonian’izy ireo araka ny taratasy izay nataony.
Raha ny voalazan’io andininy io ihany dia tokony ho nampahafantarina ny fisian’ny fitsipaham-pitokisana aloha ny Governemanta izay vao natao ny peta-drindrina. Tsy voahaja ihany koa anefa io fepetra takian’ny lalàna io satria tsy nanome alalana ny fanaovana ny peta-drindrina ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, araka ny nambarany. Nomarihin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, tao anatin’ny fanambarany fa izy tenany no manana fahefana mampiantso ny fivorian’ny “Conférence des presidents”, kanefa tsy nisy izany.
Teo anatrehan’ireo rehetra ireo, nambaran’ity Filohana Andriampanjakana ity fa tsy manaraka ny fepetra rehetra takian’ny lalàm-panorenana sy ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena ny fametrahana ny antontan-taratasy fitsipaham-pitokisana natao ka tsy azo raisina. Noho izany, foana avokoa ireo karazana fivoriana nokasaina natao mifandraika amin’ity fitsipaham-pitokisana nokononkononina ity.
“Famotehana ny ezaka rehetra efa vita”
Naman’ny efa rava maina, araka izany, ity resaka fitsipaham-pitokisana ny Governemanta ity. Araka ny efa notaterina teto omaly dia namofopofona fanakorontanana no ambadik’ireny fitsipaham-pitokisana ireny. Mbola nohamafisin’ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra ihany koa izany omaly, izay nilaza fa ny firosoana tamin’izany fitsipaha-pitokisana ny Governemanta izany dia toa midika ho fandravana sy fanapotehana ny ezaka rehetra efa vita. Notsindriany koa fa midika ho fivadiham-pitokisana ny Filohan’ny Repoblika ny nanaovan’ireo Depiote IRD sonia iny fitsipaham-pitokisana iny. “Fahefana feno ananan’ny Antenimierampirenena ny Fitsipaham-pitokisana saingy fahefana tokony ho ireo solombavambahoaka avy amin’ny fanoherana no manao azy”, hoy ity Minisitra ity, raha naneho ny heviny.
Mitohy amin’ny asany, noho izany, ny Governemanta. Manohy ny fandaharam-potoanany, araka izay efa voafaritra ihany koa ny Antenimieram-pirenena amin’ny fandaniana ireo karazana volavolan-dalàna sy tolo-dalàna tokony hodinihina mandritra izao fivoriana ara-potoana izay efa hifarana andro afaka andro vitsivitsy izao.



