PolitikaSongadim-baovao
CHRISTINE RAZANAMAHASOA : Nanamafy ny fanohanana ny Filoha, miaraka amin’ireo Solombavambahoaka maro an’isa
Fihaonana tamin’ny mpanao gazety voalohany nataon’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Ramatoa Christine Razanamahasoa, omaly, taorian’ireo toe-draharaha politika nisafotofoto tato anatin’ny andro maromaro izay. Nambarany tao anatin’ny fanambarany fa mitohy amin’ny fanohanana ny Filohan’ny Repoblika ny tenany sy ireo Solombavambahoaka maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.
Manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny izay mampisavorovoro ny saim-bahoaka amin’izao fotoana, dia nisy ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Antenimerampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly, tetsy amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza. Notsiahiviny tamin’izany, fa andraikitra napetraky ny Lalàmpanorenana ho an’ny Solombavambahoaka, araka ny andininy faha-103 ny fandrefesana ny asan’ny Governemanta amin’ny fanatanterahana ny politika ankapobeny Fanjakana. Ny Solombavambahoaka maro an’isa eo anivon’ity Andrimpanjakana ity, indrindra ny tenany, dia nanamafy hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, eo anatrehan’ny Politikam-pampandrosoana ny firenena tontosainy, mba ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Tao anatin’izany no niantsoany fitoniana sy filaminana ho an’ny vahoaka Malagasy, izay nilazany fa « ny isavorovoroan-kilatoana ».
Raha tsiahivina, ny fanambarana an-taratasy nivoaka ny 08 Desambra 2022 teo no fanehoan-kevitra farany nataon’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, talohan’iny omaly iny. Niparitaka ve feo teo anelanelan’izay ny mahakasika ny fironana marina misy ity Lehibena andrimpanjakana ity, teo anatrehan’ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny Solombavambahoaka sasantsasany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Ampahany vitsy tamin’ireo Depiote miara-dalana amin’ny Fitondrana mantsy no nitsangana nanohana azy, ankoatra ny Fikambanan’ny Zanaky ny Faritanin’i Fianarantsoa (FIZAFAFI) sy ireo Solombavambahoaka TIM, izay efa nanaovana lahatsoratra teto.
Ho an’ny Sekretera Nasionalin’ny Antoko TGV, andriamatoa Hery Rasoamaromaka, tsy mitombina ny filazana fa ho esorina amin’ny toerany ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, na koa hoe atosika hametra-pialana. Isan’ireo olona niara-nitolona hatramin’izay Ramatoa Christine Razanamahasoa, hoy izy, ka tsy tokony hailika. Notsindriany ihany koa fa tsy mitombina ny hisian’ny krizy na fifanolanana eo amin’ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka satria efa misy ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta taorian’ireny savorovoro ireny.
Nisy ny fandaharam-potoana nolaniana teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly. Ankoatra ireo asam-baomiera isan-tsokajiny, misongadina ao anatin’ny lahadiniky ny Solombavambahoaka hatramin’ny fiafaran’ity fotoam-pivoriana ity, ny handinihana indray ilay volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2023, rehefa avy nasian’ny Loholona fanitsiana. Eo koa ny fandraisana fanapahankevitra momba ilay tolo-dalàna mikasika ny zon’ny mpamorona, ny tatitra ataon‘ny Vaomiera manokana misahana ny fiampangana eo anoloan’ny Fitsarana Avo, ary ny lanonam-pamaranana amin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana, ny zoma 16 desambra izao.
Stan R. sy LR.


