PolitikaSongadim-baovao
FIAMPANGANA EO ANIVON’NY FITSARANA AVO: 19 ireo Depiote tonga nivory, nahemotra indray ny fandraisana fanapahan-kevitra
“Ny Filohan’Antenimiera, ny Praiminisitra, ny mpikambana hafa ao amin’ny Governemanta ary ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tompon’andraikitra itataovam-pamaizana noho ny zava-natao teo amin’ny asany ka voatondro ho heloka bevava na heloka tsotra tamin’ny fotoana nanaovana izany, ka ny Fitsarana Avo no mitsara azy. Ny Antenimierampirenena no afaka miampanga azy ireo amin’ny amin’ny alàlan’ny latsabato
atao ampahibemaso lanian’ny antsasa-manilan’ny mpikambana. Ny Tonia Voalohany Mpampanoa ao amin’ny Fitsarana Tampony no manao ny fanenjehana”, hoy ny Andininy faha-133 ao amin’ny Lalàmpanorenana. Hatreto anefa, tsy misy na dia antontan-taratasy iray aza tonga eny anivon’ny Fitsarana Avo, fa mikatso ao amin’ny Antenimieram-pirenena avokoa ireo dosie mahakasika olona ambony, naharaisana fitoriana.
Ady amin’ny tsimatimanota?
Nilaza ny Depiote Tsabotokay Honoré, Filohan’ny Vaomiera manokana misahana ny fiampangana eo anoloan’ny Fitsarana Avo, fa lasa vato misakana tsy hahafahana mandefa ireo anontan-taratasy eny anivon’ny HCJ ireo Solombavambahoaka. Nampiaka-peo ny tenany raha nilaza fa rehefa lalàna hafa, toy ny fandaniana tetibolam-panjakana sy tolo-dalàna momba ny zon’ny mpamorona dia tonga maro ireo Solombavambahoaka, kanefa rehefa lahadinika goavana sy iankinan’ny fiainam-pirenena tahaka izao dia tsy misy hita izy ireo. Isika anefa milaza fa hiady amin’ny tsy matimanota.
Etsy ankilany, tsy dia tena niombon-kevitra tamin’izany loatra ny Solombavambahoakan’i Morafenobe, Voninahitsy Jean Eugène, izay nilaza fa toa miendrika valifaty politika ity fiampangana eo anoloan’ny HCJ ity. Hatreto tokoa mantsy, raha ireo dosie miisa 12 tonga eo anivon‘ny Vaomieran’ny Fitsarana Avo, dia saika mahakasika ireo Minisitra tamin’ny Fitondrana teo aloha avokoa. Tsy mitombina anefa io fanambarana io satria tsy ny eo anivon’ny Vaomieran’ny HCJ no misafidy izay dosie tiany hohadihadiana fa miankina amin’izay antontan-taratasy avy any amin’ny Bianco na ny PAC ihany. Dikany, matoa tsy mbola miresaka dosie mahakasika ny Mpitondra ankehitriny ny eo anivon’ny Vaomieran’ny HCJ, dia tsy mbola misy dosie momba izany, tonga eo amin’izy ireo.
Tsy feno indray ny antsasa-manila…
Omaly, nisy indray ny tatitra nataon’ny Vaomiera manokana misahana ny fiampangana eo anivon’ny Fitsarana Avo, tetsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Notanisaina nandritra izany ireo dosie miisa 12, mahakasika tomponandraiki-panjakana teo aloha miisa 10, izay efa nanaovan’ny Vaomiera fanadihadiana. Tokony narahina tolo-pehin-kevitra io tatitra io saingy, raha ny fanazana nomen’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine dia ny lalàna fehizoro lah°2014-043 ao amin’ny andininy faha-39 no mametra fa mila ny atsasa-manilan’ny solombavambahoaka vao afaka mandray fanapahan-kevitra. Satria Depiote miisa 19 monja no tonga nivory omaly, dia nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ity fiampangana eo anivon’ny Fitsarana Avo ity.
Tsara marihana fa ny Vaomiera manokana misahana ny Fiampangana manoloana ny Fitsarana Avo dia natao handinika ny antontan-taratasy izay omen’ny Birao Maharitry ny Antenimierampirenana azy araka ny voalazan’ny andininy faha-37 ao amin’ny Lalàna Fehizoro laharana faha-2014-043 mikasika ny Fitsarana Avo. Izany antontan-taratasy izany koa dia miainga avy amin’ny Mpampanoa Lalàna Ambony rehefa avy nandinika ny fitoriana tonga teny am-pelan-tànany izy. Mandinika sy mamakafaka ny antontan-taratasy rehetra izay natolotra azy ny Vaomiera Manokana. Hatreto dia saika raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana avokoa no maha voasaringotra ireo olom-panjakana ambony teo aloha ireo. Marihana fa ireo antontan-taratasy ireo dia vokatry ny fanadihadiana izay nataon’ny Birao Mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly na ny BIANCO. Rehefa vita izany famakafakana antontan-taratasy izany dia miroso amin’ny fakana ambavany ireo olona voarohirohy ny Vaomiera. Misy amin’izy ireo no tonga mivantana ary misy kosa nandefa mpisolovava noho ny antony maro samihafa. Aorian’izay dia efa mandrafitra Tolo-pehin-kevitra fiampangana ny Vaomiera Manokana ka hatolotra eo anivon’ny fivoriambe handraisana fanapahan-kevitra farany amin’ny lahadinika izay hotapahin’ny Antenimierampirenena.




