Songadim-baovao
MADAGASIKARA : Hiverina hahazo ny fanohanana ara-bola avy amin’ny « Millenium Challenge Corporation »
Noho ny fahaiza-mitantana ara-politika sy ny ezaka ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena, nataon’ny Fitondram-panjakana. Tsara ireo naoty azo, taorian’ireo tombana natao, ka tafaverina ho isan’ireo Firenena afaka hahazo indray ny fanampiana ara-bola avy amin’ny « Millennium Challenge Corporation » i Madagasikara, izay mitentina 500 tapitrisa dolara. Vokatry ny dian’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina sy ireo delegasiona niaraka taminy, tao Washington DC, nifarana afakomaly io…

Nifarana afakomaly, ny dian’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny, ary ireo delegasiona niaraka aminy tao Washington DC. Ny fanatrehana ny fihaonana an-tampony teo amin’ireo mpitondra ao Etazonia sy ireo Firenena afrikanina, na US – Africa Leaders Summit, moa votoatin’izany dia izany. Nanamarika ny andro faran’ity dia an’ny Delegasiona malagasy, ny fihaonana arakasa tamin-dRamatoa Alice Patterson Albright, filoha tale jeneraly na « Chief Executive Officier » an’ny Millennium Challenge Corporation (MCC), tao amin’ny Walter E. Convention Center, Washington DC. Vokatry ny fahaiza-mitantana ara-politika sy ny ezaka ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena, nataon’ny Fitondram-panjakana. Tsara ireo naoty azon’i Madagasikara taorian’ireo tombana natao, tafaverina ho isan’ireo firenena afaka hahazo indray ny fanampiana ara-bola avy amin’ny « Millennium Challenge Corporation » na MCC i Madagasikara. Niarahaba manokana an’i Madagasikara, ny Tale Jeneralin’ity rafitra mamatsy vola ireo Firenena mamiratra amin’ny fahaiza-mitantana ara-politika sy manao ny ezaka ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena ity. Isan’ireo masontsivana tena nahazoan’i Madagasikara isa tsara tamin’izany ary nanan-danja teo imason’izy ireo, ny fahaiza-mitantana. Ezaka nitondra tamin’izany, ny nametrahana ny “Open data”, izay fomba ahafahan’ny rehetra, na ireo Firaisamonim-pirenena, na ireo Fikambanana tsy miankina, na ireo mpiara-miombona antoka miditra sy mijery ny fitantanam-bolan’ny Fanjakana malagasy. Teo koa ny ady amin’ny kolikoly, ary indrindra ny fahalalahana maneho hevitra. Porofo mivaingana izao isa tsara azo sy ny faneken’ny « Millennium Challenge Corporation » handray an’i Madagasikara ho isan’ireo firenena hisitraka fanampiana avy amin’izy ireo izao. Mazava izao, fa tsapa hatrany Amerika ny ezaka notanterahin’i Madagasikara, ary dia hotohizina hatrany izany.
Fepetra takina…
Ny « Millennium Challenge Corporation » moa dia rafitra natsangan’ny Kongresy amerikanina, tamin’ny taona 2004. Izy io no mitantana ny vola entina manampy ireo Firenena hafa, voarakitra anatin’ny « Millennium Challenge Account » na MCA, enti-miady amin’ny fahantrana sy mizotra mankany amin’ny fampandrosoana maharitra. Ny « Millennium Challenge Corporation » koa no manao ny tombana ireo firenena, izay afaka misitraka izany fanampiana izany. Ny fitondrana tsara tantana, ny fahafahana mandraharaha, sy ny fitsinjovana ny maha olona no anisan’ny fepetra takina sy tsirihin’ity Rafitra ity, amin’ny firenena maniry ny hisitraka ny famatsiam-bola. Ankoatra ny fankasitrahana ny ezaka nataon’i Madagasikara, nambaran’ny tomponandraikitra voalohan’ny « Millennium Challenge Corporation » ny “éligilibilité” an’i Madagasikara hisitraka indray ny famatsiam-bola izay tantaniny. Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina, taorian’ny fihaonana teo amin’ny delegasiona malagasy izay notarihiny, sy ny delegasiona avy ao amin’ny « Millennium Challenge Corporation », izay notarihin’i Alice Patterson Albright moa izany “éligibilité” an’i Madagasikara izany. Ity “éligibilité” ity moa dia noho ny fahatraran’i Madagasikara ny naoty mametraka azy anatin’ny “Zone verte”. Izany hoe, miabo ny isa azon’i Madagasikara amin’ireo fepetra takin’ny « Millennium Challenge Corporation ». Isan’ny nahazoan’i Madagasikara isa tsara izany, ny sehatry ny Fanjakana tsara tantana, sy ny fahalalahana maneho hevitra. Mila mitana ireo naoty tsara ireo, sy mijanona anatin’io “Zone verte” io i Madagascar hatramin’ny volana desambra 2023, raha te ho tafaverina tanteraka ao amin’ny « Millennium Challenge Corporation ». Mahatratra hatramin’ny 500 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho azo. Marihina fa tsy trosa izy io. Raha fehezina, niova ny fijerin’ny « Millennium Challenge Corporation » sy ny tomponandraikitra amerikanina ny fitantanana ny raharaham-pirenena eto Madagasikara, satria raha tao anatin’ny “Zone rouge” isika nandritra ny taona maro, izao tafiditra anatin’ny “Zone verte” izao indray.

Nandritra ny fivahinianan’ny delegasionina malagasy, izay notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, tany Washington DC niatrika ny « US-Africa Summit 2022 » dia anisan’ny goavana indrindra tamin’ireo ny fihaonan’ny Filoham-pirenena tamin’ny Filoha Amerikanina, Joe Biden. Taorian’ny fihaonana manokan’ny Filoha roa tonta, tao amin’ny « Bureau Oval » tao amin’ny « Maison Blanche », nisy ny dinika an-databatra boribory niarahan’ny Filoha Joe Biden sy ireo Firenena afrikanina hanomana fifidianana ny taona 2023. Tao amin’ny « Cabinet Room » tao amin’ny « Maison Blanche » na ny efitrano fanaovana ny Filan-kevitry ny Minisitra amerikanina no nanatanterahana izany. Ireo Filoham-pirenen’ny RD Congo, Gabon, Liberia, Nigeria, Sierra Leone ary i Madagasikara no nandray anjara tamin’izany, niaraka tamina Minisitra iray isaky ny Firenena. Nandray anjara tamin’izany, niaraka tamin’ny Filoha Andry Rajoelina, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Izy no hany vehivavy tamin’ireo Filoha sy Minisitra afrikanina niara-nivory tao amin’ny « Cabinet Room ». Ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo no zandriny indrindra teo amin’ny latabatra.



