Songadim-baovao

FANAMBOARAN-DALANA RN-13 : Tsy resabe intsony, irosoana ny fanamboarana azy

Irosoana ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13, izay tsy ho nofinofy intsony na ho resabe, araka ny ambaran’ireo mpanohitra. Manaporofo izany ny famoahan’ny Banky eoropeanin’ny Fampiasam-bola (BEI) ny lelavola mitentina 343 miliara ariary eo ho eo, na 73,6 tapitrisa euros, araka ny nambarany, ny alatsinainy teo…

Hitondra fampandrosoana maharitra ny fahavitan’ny RN-13 ity.

Tsy ho resabe intsony fa tena izy ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13. Araka  ny nambaran’ny Banky eoropeanin’ny Fampiasam-bola (BEI), afakomaly, dia lelavola eo amin’ny 343 miliara ariary eo ho eo, izay mitentina 73,6 tapitrisa euros, no naloa ho an’io tetikasa fanamboaran-dalana io. Tafiditra ao ny lalam-pirenena roa, dia ny RN-13 sy ny RN-6. Ao anatin’ny tetikasa fanavaozana izany, ny lalam-pirenena RN-13 mampitohy an’Ambovombe amin’i Taolagnaro sy RN-6, eo anelanelan’Antsiranana sy Ambanja, ity vola mivoaka ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fampindramam-bola 50,4 tapitrisa euros, na 235 miliara ariary eo ho eo, izay avy amin’ny Banky eoropeanin’ny Fampiasam-bola (BEI), ary 23,2 tapitrisa euros, na eo amin’ny 108 miliara ariary eo ho eo, izay avy amin’ny Vondrona eoropeanina. Ity tetikasa fanavaozana ny tambazotran-dalana eto Madagasikara ity, dia mamatsy vola mitentina 235,5 tapitrisa euros, noho ny fanomezana 116 tapitrisa euros avy amin’ny Vondrona eoropeanina, fampindramam-bola 110 tapitrisa euros ary fanampiana ara-teknika. Ny 4,7 tapitrisa euros avy amin’ny Banky eoropeanin’ny Fampiasam-bola, ary koa ny famatsiam-bola avy amin’ny Repoblikan’i Madagasikara, izay mitentina, 4,8 tapitrisa euros. Araka ny fampahafantarana hatrany, hanamboarana lalana mirefy 348 kilometatra eto Madagasikara ny tetikasa. Miaraka amin’ity famoahana farany ity, dia efa nisy vola mitentina 100,4 tapitrisa euros ho an’ny tetikasa.

Ny fanohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny Banky ao aminy, toy ny BEI, amin’ity tetikasa lehibe ity, dia mikendry ny hisian’ny fiantraikany marina amin’ny fampandrosoana maharitra ho an’i Madagasikara. Hitondra anjara biriky ny tetikasa, amin’ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny Faritra, amin’ny fitomboana isan-karazany. Mifanindran-dalana amin’ny tanjon’ny Paikadin’ny Vondrona eoropeanina “Global Gateway” izany, izay mikendry ny hanatsara ny fiainan’ny olona andavanandro, amin’ny alalan’ny tambazotra fitaterana maharitra, ary azo antoka”, hoy i Isabelle Delattre Burger, Masoivohon’ny Vondrona eoropeanina eto Madagasikara.

Fanambin’ny Filoha Andry Rajoelina

Tiana ny manasongadina fa fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika, ny tsy maintsy hanamboarana io lalam-pirenena faha-13 io. Mirefy 480 km mahery ny lalana, manomboka eo Ihosy ka hatrany Taolagnaro. Io ampahan-dalana eo anelanelan’Ambovombe sy Taolagnaro io, izay vatsian’ny BEI vola, dia mirefy 114 km. Mirefy 263 km kosa, i Betroka sy Ambovombe. Ary ny ampahany farany kosa, ny manelanelana an’i Betroka sy Ikalamainty Ihosy, izay mirefy 118 km.  Efa nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina, fa ny Vondrona eoropeanina no tokony hamatsy vola io tetikasa goavana io. Tsy mbola niainga ny tetikasa, noho ny fanadihadiana, mbola nataon’ny Banky iraisampirenena amin’ilay orinasa lehibe nahazo ny tsenan’asa, sy hanatanteraka ny asa. Vokany,  nihantona teo hatrany aloha ny raharaha. Efa namoaka ny fanambarany, araka izany, ny Vondrona eoropeanina tamin’ny alalan’ny BEI, ka tsy tokony hisy intsony ny sakana. Na izany aza, efa nisy ampahany namboarina, tsy niandry ny famatsiam-bola avy amin’ny Mpamatsy vola fa niainga tamin’ny volan’ny Fanjakana malagasy madiodio.

Fermer