Songadim-baovao
FANGATAHAN’NY HCDDED « Tsy azo raisina » hoy ny Fitsarana Avo momban’ny Lalàmpanorenana
Notsipahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fangatahana ny heviny natolotry ny Filohan’ny Filan-kevitra ambony misahana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED). Nofaritan’ity Andrimpanjakana ity izay voasoritry ny Lalàmpanorenana, fa tsy manam-pahefana hangataka ny heviny ny HCDDED. Nandamoaka ihany koa ny fangatahana nataony mikasika ny fitorian’ireo Depiote Tim, fa « mitsabaka ny raharahan’ny Antenimierampirenena ny Filohan’ny Repoblika »…
Tsy azo raisina ny fangatahana ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nataon’ny HCDDED mikasika ny fitoriana naterin’ireo Solombavambahoaka vitsy an’isa teo anatrehany, mikasika ny filazana fa « fitsabahan’ny Filoham-pirenena amin’ny raharahan’ny Antenimierampirenena ». Voalazan’ny fampahafantarana nataon’ny HCC nivoaka omaly, fa koa satria sady tsy Andrimpanjakana no tsy Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny HCDDED, izany hoe sady tsy Filohana Andrimpanjakana ny Filohan’ny HCDDED no tsy mpitantana Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, dia tsy manan-jo haka ny hevitry ny HCC. Ny andininy faha-119 ao amin’ny Lalàmpanorenana ihany koa manamafy izany, fa afaka maka ny hevitry ny HCC ny Filohana Andrimpanjakana sy ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ary ny andininy faha-40 dia mitanisa ireo antsoina hoe Andrimpanjakana, izay nomarihan’ny HCC tao amin’ity fampahafantarana ity hatrany. Tsy tafiditra ao anatin’izany, arak’izany ny HCDDED, ary mitanisa ireo manana sata Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ao amin’ny andininy faha-143, saingy tsy tafiditra ao hatrany koa ny HCDDED. Fanampin’izany, nambaran’io fampahafantaran’ny HCC omaly io ihany koa, fa tsy anisany voasokajy ao anatin’ny fepetra tokony hahafahana mangataka ny hevitry ny HCC raha ny nambaran’ny HCDDED anatin’ny fitorian’ireo Depiote, izay milaza fa « fitsabahan’ny Filoham-pirenena ao anatin’ny raharahan’ny Antenimierampirenena », sy ny mikasika ny lanjan’ny fanambarana avy amin’ny mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena, ny 08 desambra 2022 lasa teo. Voalazan’ny lalàna mazava tsara ao amin’ny andininy faha-119 ihany koa ireo tokony hakàna ny hevitry ny HCC. Araka izany, ny voalaza fa « fitsabahan’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny raharaha anatin’ny Antenimierampirenena » sy ilay fanambaran’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena dia tsy anisany tafiditra anatin’izany.
Niala maina teo ny TIM..
Nangaina teo indray ny TIM, raha nikasa ny hanao hevi-petsy tsy mifanaraka amin’ny Lalàna, izay fanaony sy fomba fiadiny hatramin’izay. Araka izany, nitady tombony ka natombony ireto zatra ny lalan-dririnina ka nampiasa indray ny HCDDED tamin’iny indray mitoraka iny. Raha tsiahivina, ny 12 desambra 2022 lasa teo no tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny HCDDED ireo Solombavambahoaka TIM maherin’ny 10, niampy ny avy amin’ny « GPR » eo anivon’ny Antenimierampirenena. Lohalisitra tao anatin’izany ny « miara-manonja » Hanitra Razafimanantsoa sy Fidèle Razara Pierre, Johasy Raharisoa Eleonore (GPR), Voninahitsy Jean Eugène (GPR), Rodin Rakotomanjato, Fetra Ralambozafimbololona, Feno Ralambomanana, Randriambolaina Gerry, Alain Ratsimbazafy, Mamy Rabenirina, Stanislas Randrianarisoa, sy ny sisa. Fitoriana izay nitakian’izy ireo ny tokony handraisan’ity rafitra ity ny andraikiny ny amin’ny tokony hanomezan’ny HCC ny heviny mikasika ny filazana fa « fitsabahan’ny Filoham-pirenena amin’ny raharaha anatin’ny Antenimierampirenena » sy ny fanambarana izay nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena, ny 08 desambra lasa teo.




