Sosialy
TONDRA-DRANO ATERAKY NY ORA-MIKIJA Efa vonona ireo lakan-drano sy “Station de pompage” eto an-dRenivohitra
Miroso amin’izao fotoana ny fiomanana amin’ny fiavian’ny orana tanterahin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany (MATSF) sy ny rantsa-mangaikany « APIPA ». Mitohy ny fanadiovana ireo lakan-drano sy “Station de pompage”, ary antenaina tsy hisy ny tondra-drano amin’ity…

Finiavan’ny Fitondram-panjakana manokana ho fitsinjovana ny mpiara-belona manoloana ny mety hisian’ny tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra no nahazoan’ny MATSF famatsiam-bola ho an’ny APIPA entina hanadiovana ireo lakan-drano sy ivo-toeram-pitrohana rano (station de pompage), mba hahazoana manala ny fotaka rehetra sy fako anatin’ny lakan-drano rehetra miditra amin’ireo “Station” rehetra tantaniny. Eo koa ny fahafahana manomana ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny fiatrehana fotoam-pahavaratra, mba hahazoana miaro an’Antananarivo amin’ny tondra-drano. Efa maro ny asa notanterahina tao anatin’izany, izay efa natomboka volana maromaro talohan’ity fotoam-pahavaratra ity. Teo ny fanadiovana ny lakan-drano GR izay mirefy 14 km, nanalana fotaka. Teo koa ny fanombohana ny asa tao Marais-Masay, izay misy ny “bassin” manangona rano amina velarana 11 ha, nanalana fotaka sy tsikafona amin’ny lakan-drano mampiditra rano ao aminy, izay mirefy 01 km sy sasany. Toy izany koa ny fanalana ireo fako sy tsikafona amin’ny lakan-drano miditra sy mivoaka ny farihin’Anosy, izay manangona ny rano eran’ireo tanàna rehetra manodidina. Farany, izay tanterahina amin’izao fotoana, dia ny fanadiovana ny “Station de pompage” etsy Ambodimita, izay anisany lehibe indrindra tantanan’ny APIPA, ahitana “pompe” lehibe miisa telo, nanadiovana sy nanalana riam-potaka navelan’ny fotoam-pahavaratra teo aloha, izay milanja 300 ka hatramin’ny 500 m toratelo eo ho eo raha ny vinavina. Tamin’ny fotoam-pahavaratra farany saika nisian’ny tondra-drano teto Antananarivo Renivohitra no fantatra fa tena niasan’ity “station” iray ity. Voalazan’ny Tale jeneralin’ny APIPA, Rafidimanantsoa Tojo Andry Tiana, fa tsy afaka namoaka rano firy noho ireo fotaka mandrevo tao aminy, ity “station” ity tamin’izany. Aorian’ny fanadiovana atao amin’izao fotoana anefa, hiasa ara-dalàna sy amin’ny tanjany tsara io fitaovam-pitrohana rano ao Ambodimita io. Ity “station” goavana ity izay ahitana “pompe” lehibe miisa telo, ary afaka mamoaka rano hatramin’ny 03 m cube isan-tsegondra, izay mitotaly 09 m cube isan-tsegondra, ary 540 m cube isa-minitra. Nomarihan’ny Tale jeneraly, fa io fatra io no farany zakan’Imamba, izay farihy amoahany ireo rano trohany avy amin’ny lakan-drano C3 sy Andriantany mandalo eto Antananarivo Renivohitra.
Tsy mbola misy fiantraikany hatreto ireo orana nisesy

Manoloana ny orana nisesy teto Antananarivo dia fantatra fa tsy mbola misy atahorana hatreto, satria tsy mbola miasa ireo “pompe” lehibe telo ao Ambodimita, izay mbola zakan’ny lakan-drano Andriantany sy C3, mivarina any Imamba. Ny volana aogositra sy septambra teo no efa natao ny fanadiovana ireo lakan-drano roa voalaza, ary azo lazaina fa afaka miatrika rotsak’orana bebe kokoa noho izao, noho ireo fotodrafitrasa efa vonona miaraka amin’ny fitaovana rehetra eo am-pelatanana, hoy ny Tale jeneraly. Efa nisy ary mbola mitohy kosa, ny fanalana ireo fanorenana tsy ara-dalàna tanterahin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ireo lakan-drano mitondra rano, izay natomboka ny volana novambra teo, raha ny fantatra. Anisan’izany ny eny Andravoahangy sy Ambodivona, sy ny sisa. Kaominina miisa efatra kosa, no novatsiana fitaovana hanamafisana ny digy izay ahitam-pahasimbana ankehitriny. Miara-miasa amin’ny Kaominna 37 manodidina an’Antananarivo ny APIPA amin’ny fanaraha-maso ireo digy.




