Songadim-baovaoSosialy

TOETRY NY ANDRO ETO AFOVOAN-TANY: Vinavinaina ho maina ny andro hatramin’ny faran’ny herinandro

Raha ny tombatomban’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro dia ho maina ny andro manomboka anio, ka hatramin’ny zoma izao, raha toa ka niaina tao anaty rotsak’orana ny teto Antananarivo sy ny manodidina tato anatin’ny andro vitsivitsy izay. Mbola tsy voafaritra kosa ny mety ho toetry ny andro ny datin’ny 31 desambra sy ny taom-baovao, fa raha ny vina lavitr’ezaka dia tombanana ho maina.

Raha toa ka niaina tao anatin’ny rotsak’orana ny teto Afovoan-tany ny Alahady sy omaly, Alatsinainy 26 Desambra 2022, dia hitsahatra izany manomboka anio, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro. Na dia eo aza ny mety ho fahatsaran’ny andro, tombanana ny hisian’ny andian-drahona arahina orana malefaka saingy tsy haharitra ela. Amin’ny ankapobeny, hiakatra ny hafanana, ary ho maina ny andro manomboka rahampitso Alarobia, ho an’ny eto Afovoantany sy any amin’ny tapany Atsinanan’i Madagasikara. Hitohy hatramin’ny faran’ny herinandro sy ny 01 Janoary 2023 izany, raha ny vina lavitr’ezaka hatrany. Ankilany, any amin’ny tapany Andrefana no hivangongo ny rahona ao anatin’ny telo andro, ary arahina orana koa. Hafana kosa ny andro any amin’ny tapany Avaratra sy Atsimon’ny Nosy. Manodidina ny 14 ka hatramin’ny 26°C ny maripana ambany indrindra manerana ny Nosy, raha toa ka 24 ka hatramin’ny 36°C ny ambony indrindra. Tsy misy kosa, ny fiforonan’ny rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara mandritra ity herinandro ity, araka ny tatitra.

Fiakaran’ny rano sy fihotsahan’ny tany…

Nandritra ireo rotsak’orana nisesisesy tato anatin’ny andro vitsivitsy, manomboka efa tsikaritra ny fiakaran’ny rano any amin’ny toerana maro eto an-drenivohitra. Tafiditra ao anatin’izany ny eny Besarety, Mandialaza, Ambodivona, Andrahavoahangy, sy ny sisa. Ho an’ny faritra ambony kosa, indrindra eny amin’ny manodidina ny Vohitr’i Manjakamiadana, efa nanomboka ny asa fametahana ny saina mena ho fampitandremana ny teo anivon’ny BNGRC. Ity farany izay nilaza fa hatramin’ny taona 2015, manodidina ny dimy ambin’ny folo ireo matin’ny fihotsahan’ny tany sy/na vatobe mianjera manerana ny Nosy. Ny havoanan’ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina no tena saro-pady sy tena voa mafy amin’izany.

Vokatr’izany, ny BNGRC dia manohy maminavina ny antony mahatonga izany tranga izany. Nametrahana saina mena fampitandremana miisa 400, araka izany, eny amin’ireo toerana marefo amin’iny vohitr’i Manjakamiadana iny mba hakan’ireo mponina fepetra ho fampihenana ny loza amin’ity tranga ity, izay niarahana tamin’ny CPC (Corps de la Protection Civile) sy ny Corps des Sapeurs pompiers ary ny Commune Urbaine d’Antananarivo izany. Ny tanjona dia ny mba hisian’ny fahatsiarovan-tenan’ireo mponina tena voakasika, satria tandindomin-doza maharitra sy antomotra noho ny fihotsahan’ny tany sy ny mety ho fianjeran’ny vato izy ireo.

Tsara ho fantatra fa any amin’ny tapatapaky ny volana marsa any ho any vao ho tapitra ny fotoam-pahavaratra hisian’ny rotsak’orana eto amintsika.

Johannah (Mpianatra asa) sy LR.  

Fermer