PolitikaSongadim-baovaoSosialy

RAHARAHA « CNLS »: Fandaniam-bola tsy mazava no nisy fa tsy fanodinkodinam-bola

Noho ny tsy fahampian’ny taratasy fanamarinana ka nahatonga ny famoaham-bola tsy mazava, no voatery hanaovan’ny eo anivon’ny « Inspection Générale de l’Etat » na IGE fanadihadiana ny fitantanam-bola tao amin’ny Komity mandrindra ny Ady atao amin’ny Sida eto Madagasikara (CNLS), raha ny fanazavana.

Nitondra fanazavana mikasika ny vaovao miely miresaka fanodikodinam-bola nataon’ny teo anivon’ny Komity CNLS (Fandrindrana ny Ady atao amin’ny Sida eto Madagasikara), ireo mpitantana eo anivon’ny Komity omaly. Nohamafisin’i Jasminah Rasoanarivo, Sekretera Mpanatanteraka eo anivon’ny CNLS nandritra izany, fa tsy marina velively ny filazana fa nanodikodim-bolam-panjakana ny CNLS. « Diso ny filazana fa nisy ny fanodikodinam-bola nataon’ny teto anivon’ny CNLS. Marihina fa noho ny tsy fahampian’ny « pièce justificative » teo amin’ny famoahana ny vola ampiasaina, no nahatonga ny fandaniam-bola tsy mazava na ny « dépenses inéligibles ». Marihina fa misy ny fanaraha-maso maro atao mialoha ny famoahana ny vola ato amin’ny Komity ka sarotra ny ahafahana manao izany fanodikodinam-bola izany », araka fanazavan’i Jasminah Rasoanarivo, Sekretera Mpanatanteraka ao amin’ny CNLS. Nohazavainy koa fa tsy misy alalana ahafahana mamoaka vola ao amin’ity Komity ity, afa-tsy ny fanatanterahana ny hetsika mikasika ny ady amin’ny Sida, ka tsy maintsy mandalo antanan-tohatra ny fakana izany.

Marihina fa voatery nanatanteraka ny fanadihadiana manoloana io tranga io, ny teo anivon’ny IGE na « Inspection Générale de l’Etat », hamantarana ny marina.

Vola nampiasaina ny taona 2019 sy 2020

Marihina fa takian’ny tahirim-bola maneran-tany na « Fonds Mondial », izay mpamatsy vola ny CNLS, ny hamerenana io fandaniam-bola tsy mazava io. Vola izay nampiasaina nandritra ny taona 2019 sy 2020 io takian’ny mpamatsy vola io. Amin’ny maha ratsamangaikan’ny Fiadidiana ny Repoblika ny CNLS, dia naneho fangatahana ofisialy teny anivon’ny Ministeran‘ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Ministeran’ny Fitantanam-bola, araka izany, ny Mpitantana tao amin’ny CNLS.

Tsiahivina fa tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny herinandro lasa teo, ny handefasana ny IGE, mba hanao fanadihadiana amin’ny eo anivon’ny CNLS, noho ny fahafantarana io fandaniam-bola tsy mazava ary tsy tokony ho natao (dépenses inéligibles) tao anatin’ny Komity io. Ankilany nambaran’ireto farany, nandritra ny valan-dresaka natao tamin’ ny mpanao gazety, fa tsy marina koa ny filazana fa foana ny famatsiana atao amin’ny CNLS.

Johannah (Mpianatra asa) sy LR.

Fermer