PolitikaSongadim-baovao
TAONA 2023: Miatrika taom-pifidianana i Madagasikara
Migadona ny taona 2023. Hanamarika ity taona ity ho an’I Madagasikara ny hanatanterahana indray ny fifidianana Filoham-pirenena, ho an’ny dimy taona manaraka. Tsy mbola nisy fanambarana ofisialy hatreto ny firotsahan-kofidiana ho Filoham-pirenena faharoa indray ho an’ny Filoha am-perinasa ankehitriny, raha toa ka efa tsinjotsinjo avokoa ireo mpanao politika mihetsiketsika ho amin’izany fifidianana ho avy izany.
Ny taona 2018 no nisy fifidianana Filoham-pirenena farany teto Madagasikara. Araka ny voafaritry ny Lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-45, dia dimy taona no fe-potoam-piasan’ny Filohan’ny Repoblika. Ity taona 2023 ity, araka izany, no tsy maintsy hanatanterahana indray ny fifidianana Filoham-pirenena eto Madagasikara.
Iza indray no hitondra ny firenena ho an’ny fe-potoam-piasana 2023 – 2028 ? Tsy mbola misy mahavaly io fanontaniana io hatreto. Tsy mbola nisy ihany koa olona nanao fanambarana ofisialy ny firotsahan-kofidiany amin’izany fifidianana izany. Na izany aza, efa hita taratra amin’ny fihetsiketsehana ataon’ireo mpanao politika sasantsasany ny mety ho fandraisana anjara amin’io fifidianana ho avy io. Tafiditra ao anatin’izany andriamatoa Andry Raobelina, izay mpiara-miasa akaiky tamin’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, sady tompona Haino aman-jery tsy miankina vitsivitsy eto an-drenivohitra. Izy ve no kandida ho atosiky ny Antoko Hery Vaovaon’I Madagasikara (HVM)? Io aloha no tombatomban’ny mpanara-baovao. Ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina rahateo efa nanao fanambarana ny tsy fandraisana anjara amin’ny fifidianana Filoham-pirenena taona 2023. Ny tenany, raha tsiahivina, izay nahazo ny salanisa 8% tamin’ny voka-pifidianana taona 2018.
Efa tazana mihetsiketsika ihany koa nanomboka tamin’iny taona 2022 iny ny Solombavambahoakan’i Toliara I, Siteny Randrianasoloniaiko, izay lany tamin’ny Vovonana IRD, saingy efa tsikaritry ny mpanara-baovao ho maneho fisintahana tsikelikely amin’izany vovonana izany, ary miseho matetika amin’ny anaran’ny tenany manokana. Izy rahateo no Filohan’ny Komity Olympika Malagasy ankehitriny, ary Filohan’ny Judo aty Afrika. Ny volana desambra teo ny tenany raha nanontanian’ny mpanao gazety mahakasika ny mety ho firotsahan-kofidiana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena 2023 na tsia, dia namaly fa mbola hanatanterahana fidinana ifotony eny anivon’ny vahoaka aloha, hihaino ny vahoaka, mialohan’ny handraisana fanapahan-kevitra amin’izany.
Etsy ankilany, ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana hatreto no heverina fa mbola ho kandida harotsaky ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) raha toa ka handray anjara amin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena izy ireo. Hatramin’ny nipetrahan’ny Fitondrana ankehitriny dia saika tazana naneho hevitra tamin’ny Haino aman-jery hatrany ity Filoha teo aloha ity, ankoatra ireo fidinana ifotony sy fitetezana tsena izay efa alalan’ny maro azy. Eo koa ny fanatrehana ireo fotoam-pivavahana any amin’ny Fiangonana FJKM tany amin’ny toerana maro.
Ankoatra ireo rehetra ireo anefa, ny Lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-45 dia milaza fa fidina hiasa mandritra ny dimy taona azo havaozina indray mandeha monja, amin’ny
alàlan’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara mivantana, ny Filohan’ny Repoblika. Noho izany, heverin’ny rehetra fa mbola hanatanteraka fepotoam-piasana fanindroany ny Filohan’ny Repoblika am-perinasa ankehitriny, andriamatoa Andry Rajoelina. Antoko Politika voalohany indrindra niantso ny mbola hirotsahan’ny Filohan’ny Repoblika hofidiana indray ny Antoko Freedom nandritra ny fanombohana ny taom-pikatrohana ho an’ny Antoko ny taona 2022. Efa maro koa, tetsy ankilany, ireo mpanohana ny Fitondrana ankehitriny no nanao izany antso izany ho an’ny Filoha Andry Rajoelina. Andrasana, araka izany, ny fanambarany sy ny fanapahan-keviny mahakasika izany, fa raha ny fironana ankapobeny dia mankany amin’izay firotsahan-kofidiana fanindroany izay ny Filoha Andry Rajoelina.
Tsara tsiahivina fa mila mametra-pialana 60 andro mialohan’ny datin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny, raha toa ka hirotsa-kofidiana amin’ny Fifidianana Filoham-pirenena manaraka, araka ny voafaritra ao anatin’ny Lalàmpanorenanana.



