PolitikaSongadim-baovao

FANISANA MPIFIDY – CENI: Manodidina ny 59%-n’ny tanjona no efa tratra

Mbola manana hatramin’ny 31 Janoary izao ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana hanaovana ny fanisana mpifidy, ao anatin’ny hetsika fanavaozana tanteraka ny lisitry ny Mpifidy na ny “Refonte”. Araka ny tarehimarika nivoaka ny 2 janoary teo, miisa 7 959 971 ireo mpifidy efa voasoratra anarana, manome ny salanisa 58,56%.

Mivoatra isan’andro ny tarehimarika eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni mahakasika ny fanisana mpifidy ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Tarehimarika izay miainga amin’ny vokatra azo any amin’ireo rantsamangaikan’ny Ceni isaky ny Distrika, raha ny fanazavana. Raha ho an’ny antontanisa nivoaka ny andron’ny 2 janoary teo manokana, dia niisa 7 959 971 ireo mpifidy voasoratra anarana, izay manome ny salanisa 58,56%.

Raha tsiahivina, telo volana, nanomboka ny 01 oktobra 2022 ka hatramin’ny 31 desambra 2022, no nananan’ny Ceni tany am-piandohana, hanatanterahana ity fanisana mpifidy ity. Noho ny fahatarana teo amin’ny fanombohana ny asa fanisana tamin’ireo Faritra sasany teto Madagasikara anefa, dia voatery nitarina hatramin’ny 31 Janoary 2023 ny asa, araka ny didim-panjakana nivoaka ny volana desambra teo.

Fangaraharan’ny fomba fiasa

Mandroso amin’ny ankapobeny ny zotram-pifidianana eto Madagasikara. Raha ny tato anatin’ny enim-bolana manokana, anisan’ny nibahana tamin’ireo asa nosahanin’ny Ceni ny fanamafisana ny Sehatra ifampidinihina maro sosona izay nentina nampahafantarana tamin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana sy ireo rantsamangaikany manerana ny nosy, mikasika ny fizotry ny asa natao amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy fa indrindra ny fanisàna ny mpifidy. Nisantarana izany ny fihaonana tamin’ireo rantsamangaikany manerana ny nosy, ho fampahafantarana ny didy aman-dalàna tanjona, ny paikady, ny manodidina ny fanentanana sy ny serasera. Teo ihany koa ny Dinik’asa mahakasika ny rindrambaiko ( logiciel) entina manao ny asa fanisàna (recensement). Tetsy ankilany, nisy ny fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitry ny orinasan-gazety sy mpampahalala vaovao, handinihana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Toy izany koa ny Fivoriana niarahana tamin’ireo solotenan’ny mpanao politika. Ny 29 Novambra 2022, nisy ny fihaonana nanaovana tomban’ezaka antsasa-dalana sy fakàna soso-kevitra tamin’ireo mpisehatra izay natao tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena (petit palais) Mahamasina sy teny anivon’ny renivohi- paritra sy disitrika sasantsasany. Izany rehetra izany no natao mba hiantohana ny mangarahara amin’ny fanomanana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara, araka ny fampitam-baovaon’ny Ceni.

Fermer