Songadim-baovaoToekarena

TOEKARENA MANERAN-TANY: “Ho mafy ny taona 2023”, hoy ny Tahirimbola Iraisampirenena

Ambana maro no miandry ny Toekarena maneran-tany amin’ity taona 2023 ity, araka ny tatitry ny Tahirimbola Iraisampirenena (FMI). Isan’izany ny fiakaram-bidim-piainana, ny fahasarotan’ny toe-draharaha ara-bolan’ny ankamaroan’ny firenena, ny ady eo amin’ny Okraina sy Rosia, ary ny valanaretina Covid-19. Ireo tranga ireo izay hampihisatra ny fitomboan’ny toekarena maneran-tany, ary tsy afa-miala amin’izany i Madagasikara.

Mandalo fotoan-tsarotra ny toekarena manerantany ankehitriny, araka ny fanazavan’ny Tahirim-bola Iraisampirenena (FMI). Misy tranga vitsivitsy izay mampihiba ny vinavina raha ho an’ity taona 2023 ity manokana. Tafiditra ao anatin’izany ny fiakaram-bidim-piainana manerantany izay tafakatra amin’ny haavo izay tsy mbola fahita, araka ny tatitra. Eo koa ny fahasarotan’ny toe-draharaha ara-bolan’ny ankamaroan’ny firenena. Tsy takon’afenina koa, etsy ankilany, ny fifanandrinan’i Rosia sy Okraina izay tsy mbola misy fiafarany hatramin’izao, ary ny mbola fisian’ny valanaretina Covid-19.

Araka ny tatitra, hampihisatra ny fitomboan’ny toekaren’ny firenena maro maneran-tany  ireo tranga voatanisa ireo, ary mety hampikatso mihitsy ireo asa mampihodina ny toekarena, ho an’ny firenena sasany. Tsara ho fantatra fa 6,0% ny fitombon’ny toekarena manerana ny taona 2021, 3,2% izany ho an’ny taona 2022, ary 2,7% izany ho an’ny taona 2023, raha ny tombana. Mifandray betsaka amin’ny fihodin’ny toekarena any amin’ireo firenen-dehibe sy matanjaka io fihisaran’ny fitomboan’ny toekarena manerantany io, raha ny tatitry ny FMI hatrany. Tafiditra ao anatin’izany ny olana nosedrain’ny Harinkarena faobe amerikanina, tamin’ny enim-bolana voalohan’ny taona  2022. Nisedra olana toy izany koa ireo firenen-dehibe mampiasa ny “Euro”. Manampy trotraka an’ireo koa ny mbola firongatry ny valanaretina Covid-19 sy ny fihibohana any Chine. Ny iray ampahatelon’ny toekarena manerantany, noho izany, no nisedra olana noho ireo tranga ireo.

Fiakaram-bidim-piainana maneran-tany

Raha ny vinavina, manodidina ny 6,5% ny tahan’ny fiakaram-bidim-piainana maneran-tany ho an’ity taona 2023 ity, raha toa ka 4,7% ho an’ny taona 2021, 8,8% ho an’ny taona 2022, ary tombanana ho 4,1% amin’ny taona 2024. Saika any amin’ireo firenena mandroso no ahitana fisondrotana mihoam-pampana ny vidim-piainana, raha toa ka misy fiovaovany kosa izany ho an’ny firenena andalam-pandrosoana, araka ny tatitra.

Tombanana mbola hampidangana ny vidim-piainana anefa ny sanda vaovaon’ny Angovo sy ny Sakafo, araka ny tatitra. Ny fahasarotana ara-bola misy manerantany koa dia mety hahatonga ireo firenena vao misandratra hidiran-trosa betsaka. Ankoatra izay, ny fampitsaharan’i Rosia ny famatsiana Entona (Gaz) dia mety hampihena ny famokarana ao Eoropa. Etsy ankilany, ny fisarahana eo amin’ny lafiny “géopolitique” na fifandraisana ara-politika manerantany dia mety hampikatso ny fifandraisana ara-barotra, sy ny fihodin’ny vola. Ireo rehetra ireo no mahatonga ny vinan’ny taona 2023 ho mafy, raha ny lafiny toekarena manerantany.

Araka izany, heverina ny hisian’ny paikady hapetrak’ireo rafitra ara-bola lehibe hahafahana mampihena ny fiakaram-bidim-piainana. Mety hametraka ny paikady hahafahana manatsara ny sandan’ny Dolara koa ny firenen-dehibe sasany.

Fermer