
PolitikaSongadim-baovao
LALATIANA RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO : “Tsy ananako olana mihitsy ny fanakianana ahy”
Fandaharana “Tsy ho tompontrano mihono” voalohany nataon’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, ny omaly. Fotoana izay nitondrany fanazavana mahakasika ireo lohahevitra niteraka resabe tato ho ato eo aminy lafiny toekarena sy politika. Nandritra ny fandaharana omaly ihany koa no namaliany ireo tsikera sy fanenjehana maro be ataon’ny fanoherana azy.
Taorian’ny fiatoan’ny fandaharana “Tsy ho tompontrano mihono” nandritra ny “trève” noho ny fiatrehana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona ary ny taom-baovao, dia niverina tamin’ny laoniny indray ny fanarahana izany, nanomboka omaly, niarahana tamin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, sady Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Fotoana ihany koa io omaly io, nanamarika ny fanombohan’ny taom-pikatrohany eo amin’ny tontolo politika amin’ity taona 2023 ity.
Lohahevitra maromaro izay nampiteraka adihevitra teto amin’ny firenena, nandritra ny fotoana tsy nampisy ny fandaharana, no nitondrany fanampim-panazavana sy fanehoan-kevitra. Tafiditra ao anatin’izany ny mahakasika ny Kabarin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, tamin’ny 31 desambra 2022 teo. Nambarany fa sambany no nisy Filoham-pirenena manana ny fanetren-tena miaiky fa misy ny zavatra tsy vita tamin’ireo zavatra nolazainy sasany. Fa na eo aza anefa izany rehetra izany dia miezaka hatrany ny Fitondram-panjakana mitady vahaolana hamahana ny olana, araka ny fanazavana. “Ny Filohan’ny Repoblika dia manana « vision stratégique » ary io vina io avy eo no navadika ho programanasa hotanterahin’ny Governemanta. Ny mpanantanteraka ao anatin’ny Governemanta, ny préfets sy ireo chefs districts avy eo no manatanteraka ireo programanasa”, hoy ny fanazavany.
Krizy ara-toekarena
Nasian’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo resaka ihany koa ny momba ny krizy maneran-tany. Notsindriany tamin’izany ny fanambaran’ny Tahirimbola Iraisampirenena (FMI) izay nilaza fa hihamafy ny krizy ara-toekarena maneran-tany amin’ity taona 2023 ity. Na izany aza dia efa mitady vahaolana sahady ny Fitondram-panjakana malagasy hiatrehana izany krizy izany. Ohatra amin’izany ny fanafarana zezika sy mba hivarotana izany amin’ny vidiny mora hahafahan’ny tantsaha hampitombo ny vokatra sy ny famokarana eo amin’ny fambolena ankapobeny sy ny fambolem-bary manokana. Ankoatra izay, tao anatin’ny lohahevitra noresahany omaly koa ny momba ny resaka “Bon du Trésor par Adjudication (BTA) ». Ny Fitondrana rehetra nifandimby teto nanomboka ny 7 mai 1997, hoy izy, dia efa nanao sy nampiasa izany « bon du trésor par adjudication » izany araka ny Didim-panjakana nivoaka tamin’izany taona izany. Marihina fa ny BTA dia fomba iray ahafahan’ny Fanjakana manana vola sy mampiasa vola ary manampy ny fandraharahana.
Volan’ny Unicef
Nasian’ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta fanazavana ihany koa ny fanodikondinam-bola na ny fampiasam-bola tsy amin’ny antony izay nisy teo anelanelan’ny taona 2014 – 2019 ka takian’ny Unicef ny famerenana ny vola voahodinkodina. Ireo departemanta ministerialy maromaro tamin’ny Fitondrana teo aloha avokoa, hoy izy, no voakasika amin’ity fanodinkodinam-bola ity ary tafiditra ao ihany koa ny BNGRC tamin’ny fotoan’androny. Tetsy ankilany, noresahiny manokana ny momba ny fanambarana nataon’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay toa mampiomana sahady ny vahoaka amin’ny hisian’ny korontana. Milaza, hoy izy, Atoa Marc Ravalomanana fa nandray lesona, kanefa ny zavatra nataony tamin’ny fanambaniana sy ny fanaovana tsinontsinona ny Tafika izay efa nataony taloha ka nampisy olana taminy sy ny Tafika ihany, no mbola averiny amin’izao.
Fanenjehana…
Farany, anisan’ny nibahan-toerana tamin’ny fandaharana nataon’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, omaly, ny mahakasika ireo fanenjehana maivaivay momba azy, indrindra rehefa misy resaka fikitihana ny Governemanta tahaka izao. “Anjaran’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ihany no manapaka izany. Fa raha izaho manokana dia tsy manisy olana amin’izany fa matoa manaiky hotendrena dia manaiky hoesorina ihany koa”, hoy Ramatoa Ministra. Ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ihany, araka izany, no manana fahefana sy manao tombana ny Minisitra tsirairay fa tsy miankina amin’ny fanakianana atao etsy sy eroa. Raha ho an’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo manokana, dia tena fanaratsiana sy tsy fitiavana tsotra izao, fa tsy momba ny fitantanana ny Minisitera no hanakianana, araka ny voalazany. Nambarany anefa fa tsy mahakasika azy mihitsy ireny fanakianana atao azy ireny.
“Izaho manokana dia malahelo ireo mpanakiana ireo, satria tsy mora mihitsy koa ny mahazo azy ireo amin’ny fitadiavana sy famoronana lainga hanenjehana ahy isan’andro vaky izao. Tsy mametraka olana amin’ireo mpanenjika ahy aho, fa izy ireo no mampalahelo noho ny tsy fisian’ny fiadanam-po amin’izy ireo, amin’ny fitadiavana zavatra hanenjehana ahy foana… Tsy ananako olana mihitsy ny fanakianana ahy”, hoy hatrany Ramatoa Minisitra.




