Fanadihadiana Manokana

ADY AMIN’NY TSY FANDRIAMPAHALEMANA : Nihena 34% ny trangana halatr’omby, ny taona 2022

Velirano voalohan’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny “filaminana sy ny fandriam-pahalemana”. Mandray andraikitra feno ary mivantana momba izany ny Zandarimariam-pirenena. Raha ny tatitra nambara ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, nihena 34% ny trangan’ny halatr’omby, ary nihena 29% koa ny isan’ireo omby very. Fanadihadiana…

Vokatry ny ezaky ny Zandary eny ifotony no nahazoana ny vokatra toa izao.

Nanatanteraka fifampiarahabana nahatratra ny taona 2023, ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, Andrefan’Ambohijanahary. Nisy, araka izany, ny tatitra izay notanterahin’ny lefitra voalohan’ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Reribake Jeannot. Mahakasika ny halatr’omby, nihena 34% ny trangan’ny halatr’omby. Satria 1479 izany tamin’ny 2021, raha toa ka 978, ny tranga tamin’ny taona 2022. Nihena 29 % koa ny isan’ireo omby very, 25056 tamin’ny 2021, raha toa ka 19360 ny taona 2022. Nihatsara ny tahan’ny famerenana omby very amin’ny tompony. 62% ny  taona 2021, ary niakatra ho 66,50% izany,  ny taona 2022. Momba ny fakàna an-keriny indray,  nihena 30% izany, satria miisa 49 tamin’ny 2021, ary 34 tamin’ny 2022. Na izany aza, nitombo isa kosa, ny fakàna an-keriny ireo olona manana toe-tena varira. Nahitana fiakarany kosa, ny trangana Fitsaram-bahoaka: tranga 18 tamin’ny 2021, raha 44 ny taona 2022. Fakàna an-keriny ireo varira: tranga 18 ny taona 2022, raha 14 tamin’ny 2021. Niakatra ny tranga ny halatra lavanila maitso, raha oharina, tamin’ny taona 2021, satria 447 izany ny taona 2022, raha 296 tamin’ny 2021. Toraka izany koa, ny lavanila voaomana, satria ny  75 izany ny taona 2022, raha 47 tamin’ny 2021. Ireo vokatra ireo no azo, noho ny asa notanterahin’ireo Zandary niantsehatra eny an-kianja, ary indrindra ny fahaizana niara-niasa sy ny fahatokisan’ny vahoaka ny zandarimaria.

Tratra ny tanjona…

Ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Andry Rakotondrazaka.

Velirano voalohany andriamatoa Andry Rajoelina, Filoham-pirenena ny “filaminana sy ny fandriam-pahalemana”. Mandray andraikitra feno ary mivantana amin’izany ny Zandarimariam-pirenena. Koa noho izany, mba ho voaaro ny andrim-panjakana, ny olona sy ny fananany, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Jly Serge Gellé, dia nametraka tanjona mazava, dia ny fanatanterahana tsy misy fepetra ny andininy voalohany ao amin’ny didim-panjakana, laharana faha-63-253, tamin’ny 9 mey 1963, ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny andrim-panjakana. Ny fampihenana ny isan’ireo zandary miditra am-ponja; ary ny famerenana ny fitokisan’ireo vahoaka sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ny zandarimaria. Manoloana izany, mba hanatrarana ireo tanjona ireo dia namaritra ireo laharam-pahamehana ny Kaomandin’ny zandarimaria. Ao anatin’ny paikady izay napetraka dia misokajy roa lehibe ny asa tanterahina. Voalohany ary lehibe indrindra amin’izany ny fisorohana ny fandikan-dalàna, eo koa ny fampiharana ny lalàna sy ny mety ho fanasaziana.

Nambaran’ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Andry Rakotondrazaka fa « tratra ny tanjona nofaritan’Andriamatoa Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Nihatsara ny fitondran-tena ny Zandary, ka nihena ireo nanao fandikan-dalàna sy naiditra am-ponja ary miverina ny fatokisan’ny vahoaka ny Zandarimaria ». Nasongadiny fa maro ireo olona isam-paritra nankasitraka ny fampandriana fahalemana natao ka afaka miatrika am-pilaminana ny asa fivelomany ny tsirairay.  Mankasitraka ny Zandary tsirairay ny tenako, hoy izy, nanao ny ainy tsy ho zavatra, tsy nitandro hasasarana namita ireo iraka sy ny adidy aman’andraikitra nankinina tamin’izy ireo, na teo aza ny fahasarotana noho ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny hambana samihafa.

Mbola manentana hatrany izy, hanao bebe kokoa hatrany, hampitombo ny fahaiza-manao, hanaja ny fitsipi-pifehezana, hikendry hatrany ny tombontsoa ambony ny vahoaka. Tsy mora ny manatanteraka ny iraka mahakasika ny fandriampahalemana fa mitaky zoto-po fandavan-tena. Tsy niolaka izy nanambara « fa tsy ny manao no zava-dehibe fa ny mahavita ». Ny foibe fibaikoana dia mamaritra hatrany ho laharam-pahamehana, ny ady amin’ny famotsiana omby halatra; ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-mpiadiana tsy ara-dalàna; ady amin’ny fakàna an-keriny sy herisetra amin’ny olona manana toe-tena varira ; ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ; ady amin’ny halatra lavanila ; ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy fanafihana an-dalambe ; ady amin’ny fifindra-monina an-tsokosoko ; ny ady amin’ny fandikan-dalàna an’habaka ; fiarovana ny zon’ny ankizy, ny vehivavy ary ireo marefo.

Mba hanatrarana ireo tanjona, azo lazaina ho antoky ny fahombiazana ny fanatsarana ny rafitra, vinavinaina amin’izany ny : ny fametrahana ny « Gendarmerie de Transport Aérien »,  « Gendarmerie Maritime », « Brigade spéciale vanilles ». Fampitomboana isa ireo « Brigade routière spéciale » na (BRS); Toa izany koa ny fametrahana « Centre spécial d’aguerrissement opérationnel » na (CSAO) isaky ny faritany sy efi-tany na « zones limitrophes », mba hanatevina ny asa fampandriana fahalemanana. Ny fampitomboana ny « Peloton de surveillance côtière » (PSC) sy ny fampitaovana azy, mba ho fanarahamaso ny fandikan-dalàna an-dranomasina sy ny fampitaovana amin’ny lafiny samihafa ny fanatanterahana ny asa.

20 ireo zandary lavo…

Amoizana aina mihitsy ny asan’ny zandarimariam-pirenena.

Samy miaiky ny rehetra, fa sarotra ny asa sahanin’ny Zandarimaria, ary amoizana aina mihitsy izany. Roapolo no isan’ireo Zandary namoy ny ainy teo am-panatanterahana ny asany ny taona 2022. Ny zandarimaria anefa,  tsy mitazam-potsiny fa manome fanampiana ireo vady aman-janaky ny maty. Nisy, araka izany, ireo nampidirina ho mpiasa sivily, ary maro koa ny zanak’izy ireo no noraisina beazina ao amin’ny Akany Zandarimaria eny Arivonimamo. Na teo aza ny fahasarotana maro samihafa, izay nolalovana tamin’iny taona nivalona iny, nanao ny ezaka rehetra ny zandary tsirairay, nanao ny ainy tsy ho zavatra, tsy natory andro tsy natory alina niezaka nanakaiky ny vahoaka hatrany. Fantatra anefa fa mbola maro ireo adidy sy andraikitra miandry, amin’izao taona diavintsika vao manomboka izao. Hihamafy sy hihasarotra ny asa amin’ity taona 2023 ity. Satria marolafy ny ambana, maro ireo minia manakorontana amin’ny lafiny maro eto amin’ny Firenena.

Nihavitsy ny isan’ireo Zandary naiditra am-ponja, ny taona 2022

Ny Jeneraly Reribake Jeannot no nitondra ny tatitra.

Nihena ny zandary naiditra am-ponja, satria 50 izany tamin’ny taona 2021, ary 14 ny taona 2022. Tsy mionona fotsiny amin’izany anefa, ny fibaikona ny Zandarimaria fa miezaka hatrany amin’ny tan-tsoroka ho fanatsarana ny kalitaon’ny asa, izay mivoatra manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny, ho fanohanana ireo any an-tsehatra, amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ireo Andrimpanjakana misy. 628 ireo nahazo takela- pankasitrahana na  (lettre de félicitations). 2057 ireo nahazo fankasitrahana amin’ny herim-po na  (acte de bravoure). 13 nahazo tombon-dahiny amin’ny fizokiana arakasa (bonification d’ancienneté de grade); 444 kosa, ireo misazy tamin’ny fandikana ny fitsipika ara-miaramila, 43 namoahana alalana fanenjehana na (autorisation de poursuite).

Momba ny fitantanana ny filaminam-bahoaka indray, nanamarika ny famaranana ny taona ny fanavaozana ny « salle OPS » ho lasa ivon-toerana CCOG na «  Centre de Coordination des Operations de la Gendarmerie ». Nisy ny asa fanamboarana ny trano sy fametrahana ireo fitaovana arakajy mirindra vaovao, ary fanavaozana ny fampitaovana rehetra ao aminy. Eo koa ny famoronana rindram-baiko ara-kajy mirindra ho enti-manatanteraka ny asa rehetra, izay nosahanin’ny « salle OPS » teo aloha, ka ahafaha-mandray ara-potoana ny angom-baovao sy ny tatitra mahakasika ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny Nosy. Io ivon-toerana io dia hikirakira ny antontanisa sy hamolavola ny paikady ho fandrindràna ny hetsika eny an-kianja, ary koa hanomanana ireo fampitam-baovao mahakasika ny filaminana.

Fanamafisana ny fahalemana manakaiky vahoaka…

Misy hatrany ny fanatsarana ny paikady rehefa eny an-kianja.

Raha ny asa ara-teknika kosa no asian-teny, maro ireo zava-bita toy ny fikarakarana ireo antontan-taratasy mahakasika ny tanin’ny Zandarimaria, ao ny fahazoana fitaovana vaovao fitondra miasa toy ny môtô, ary ireo fitaovana fanao amin’ny fampandriam-pahalemana, toy ny « gilets pare-balles »,  « boucliers » sy ny « battons de défenses » Maro koa ireo fitaovana avy amin’ireo mpiara-miombona antoka, toy ny Firenena Frantsay, ny Sinoa ary ny Koreanina. Vao tsy ela akory izay, ny Firenena Frantsay no nanolotra fitaovana ara-pifandraisana sy informatika, tamin’ny alalan’ny masoivohony monina eto Madagasikara. Toraka izany koa, ny Firenena sinoa sy ny Firenena koreanina, izay manampy betsaka ny Zandarimaria malagasy, amin’ny fampitaovana toa ireo « drône » sy fitaovana hafa.

Ho fanamafisana ny fandriampahalemana manakaiky vahoaka, misy ireo fanorenana Toby vaovao eo anivon’ny Zandarimaria, ka ao ireo efa miasa, misy koa ireo mbola eo andalam-pamitana. Isan’izany ny Fileovana (Groupement) : 01 (Fitovinany). Vondron-tobim-paritra (Compagnie) : 02 ao Andriamena, Ikalamavony. Tobim-paritra (Brigade) : 04.  Zana-tobim-paritra (Poste avancé) : 15. Tobim-paritra manokana misahana ny fiarovana ny sampana lavanila (Unité  spéciale de la lutte contre la filière vanille) : 01 (eo am-panamboarana). Ivon-toerana manokana fanofanana momba ny fahaiza-manao azo ampiasaina (Centre spécial d’aguerissement opérationnel CSAO) : 06 (Faritany). Ny ady momba ny kolikoly amin’ny endriny rehetra kosa, mitohy hatrany eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Napetraka ny rantsa-mangaika “Division anti-corruption” misahana izany isaky ny Faritany sy Fileovana hanamafisana ny ady atao amin’ny kolikoly.

Fermer