PolitikaSongadim-baovao

DATIM-PIFIDIANANA: Ho fantatra amin’ny 19 Aogositra 2023 farafahatarany

Eo anelanelan’ny 19 Novambra sy ny 19 Desambra 2023 no tokony hanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena, raha ny voalazan’ny Lalàmpanorenana no hajaina. 90 andro mialohan’ny andron’ny fandrotsaham-bato kosa no tokony ho fantatra amin’ny fomba ofisialy ny datin’ny fifidianana, raha ny voalazan’ny Lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana.

Ny fivoahan’ny datim-pifidianana ihany no hamaritra ny fisiana na tsia ny fifidianana amin’ity taona ity, araka ny fanehoan-kevitry ny Pasitera Mailhol, izay sady mpitarika Antoko Politika. Nambarany fa mialohan’ny volana marsa no tokony hampahafantatra io daty io ny Fitondram-panjakana. Ankoatra azy, fiarahamonim-pirenena efa isan’ireo nitaky ny hamoahana ny datim-pifidianana ihany koa ny KMF/Cnoe. Ity farany izay nitaky ny hamoahana mialoha ny tetiandrom-pifidianana rehetra. Tsiahivina fa fepotoam-piasana roa no miara-tapitra amin’ny fiandohan’ny taona 2024, dia ny an’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Ben’ny tanàna miaraka amin’ireo mpanolontsaina ny Tanàna. “Mba hampitovy zo ireo mieritreritra ny handray andraikitra ka hirotsaka, dia mitaky ny hamoahana tetiandrom-pifidianana mialoha ny fikambanana, hifantohan’ny olom-pirenena amin’izany”, hoy ny fanambaran’ny KMF/CNOE.

Lalàna fehizoro 2018-008

Hatreto, tsy misy mihitsy antony tokony hampitabataba ireo mpanao politika sy fiarahamonim-pirenena sasantsasany izay mitaky ny tokony hamoahan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) sy ny Fitondram-panjakana ny datin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ity taona ity. Raha ny voalazan’ny lalàna fehizoro laharana 2018-008 ao amin’ny andininy faha-51 mantsy, dia 90 andro mialohan’ny datin’ny fifidianana farafahatarany no tokony hamoahana amin’ny fomba ofisialy io daty io, amin’ny alalan’ny Didim-panjakana izay miantso ny mpifidy. Etsy ankilany, raha ny voalazan’ny Lalàmpanorenana no hajaina, dia tsy maintsy ho eo anelanelan’ny 19 Novambra sy ny 19 Desambra 2023 no hanaovana izany fifidianana izany. Marihina mantsy fa ny 19 Janoary 2024 no mifarana tanteraka ny fe-potoam-piasan’ny Filohan’ny Repoblika am-perinasa ankehitriny, ka tokony ho roa volana mialohan’io, farafahabetsany, ary iray volana mialohan’io, farafahakeliny no hanatanterahana indray ny fifidianana ho Filoha hitondra ho an’ny dimy taona manaraka, araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-47 amin’ny Lalàmpanorenana. Na izany aza, nanazava ny teo anivon’ny Ceni, tamin’ny alalan’ny Mpampakateny, Soava Andriamarotafika, fa tsy voatery hiandry io 90 andro mialohan’ny fifidianana io izy ireo vao hamoaka ny daty, fa azo atao mialohan’izany.

Maherin’ny 60%-n’ny tanjona…

Etsy ankilany, miroso amin’ny ankapobeny ny fanisana mpifidy ataon’ny Ceni ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Efa saika tafakatra ambony avokoa ny tahan’ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisitra any amin’ireo distrika rehetra manerana ny Nosy. Isan’izany I Marolambo izay voalaza ombieny ombieny fa anisan’ny tara fanombohana noho ny haratsian’ny lalana. Tsiahivina fa mbola manana hatramin’ny 31 Janoary 2023 izao ny Ceni hanaovana ny asa fanisana mpifidy. Hisy kosa ny famaranana vonjimaika ny fanisana aorian’izay. Tanjona ny hahatafiditra mpifidy miisa 13 500 000 ao anatin’ny lisitra, araka ny fanazavana. Hatramin’ny alakamisy lasa teo, efa maherin’ny 60%-n’ny tanjona no efa tratra, izay ahitana mpifidy maherin’ny 8 tapitrisa.

Fermer