PolitikaSongadim-baovao
ANTOKO FREEDOM: Vonona hiatrika fifidianana miaraka amin’ny Filoha Rajoelina
« 2023 : Taonan’ny fifidianana, vonona izahay », io no nanombohan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom ny fanehoan-keviny manoloana ny toe-draharaha politika ankehitriny. Amin’ny vanim-potoana akaiky fifidianana tahaka izao, hoy izy, dia fahita ny fifamadihana na ny fandevonana ivoho. Nambarany anefa fa “mila etika ny fanaovana politika fa tsy kajikajina tombontsoa manokana fotsiny”
Mitana ny sain’ny mpanara-baovao nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona ny mahakasika ny fanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ity 2023 ity. Hotanteraka tokoa ve ? Iza avy ireo ho kandida hifaninana amin’izany ? Ary ny Filoha ankehitriny, mbola hirotsaka ve ? Sy ny sisa. Misy fanehoan-kevitra sasany milaza fa miha mihena ny herijika haha tafaverina ny Filoha Andry Rajoelina eo amin’ny Fitondrana indray, manoloana ireo olona niara-dalana taminy, izay nisintaka. Nambaran-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, Filohan’ny Antoko Freedom, fa amin’ny vanim-potoana akaiky fifidianana tahaka izao dia fahita ny fifamadihana na ny fandevonana ivoho, fa saingy mila tsaroana fa ny politika tsy izao ihany no fotoanany, fa mitohy foana. “Fa izay mamadika na mivarotra fanahy any amin’ny mpifanandrina politika nefa mitonona fa ekipa iray, hanahoana ny ho avin’izy ireny? Mila etika ny fanaovana politika fa tsy kajikajina tombontsoa manokana fotsiny ihany”, hoy hatrany izy.
Hafatry ny Filoha
Nampahafantariny tamin’ny fanambarany omaly tao amin’ny Kaonty fesibokiny ny hafatry ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra fiarahabana azy nahatratra ny taona vaovao, nataon’ny Solombavambahoaka, Senatera, Antoko sy ny fikambanana miara-dia amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, isan’izany ny Freedom.
« Raha ao anaty sambo iray isika, ka ny sasany mivoy mandroso nefa ny sasany misintona ny sambo hiverin-dalana dia ho sahirana isika vao ho tonga amin’ny toerana aleha (… )aza adinoina ny tantaran’i Davida niady tamin’i Goliata ao anaty baiboly. Nandresy an’ilay goavana be antsoina hoe Goliata i Davida kely, dia lasa Mpanjaka. Rehefa nitondra indray izy dia tsy iza fa olona akaiky azy ihany no nikonokonona hamono azy haka ny Fanjakana, dia ny zanany naterany i Absaloma. Fa tsy nahomby izany, ka ny niafarany dia i Absaloma ihany no maty avy eo, tsy sanatria novonoin’ny rainy akory », hoy ny ampahany tamin’ny lahatenin’ny Filoha.
Manelingelina ny Antoko Freedom
Ny Antoko Freedom manokana dia anisan’ny niantso voalohany ny mbola hanohizan’ny Filoha ny fe-potoam-piasany amin’ny alalan’ny mbola firotsahana hofidiana indray. “Mila tohanana izy ary resy lahatra amin’izany ny Antoko, vonona hisedra ny « combat électoral » miaraka amin’ny Filoha Rajoelina raha mbola hilatsaka izy ary vonona hiady « à la loyale, à la légale » amin’izany fifidianana izany”, hoy ny fanambarany. “Izahay mahalala fa manelingelina mafy ny fisian’ny Antoko Freedom, sy ny mpitarika azy ka mety ho « cible » manokana mihitsy aza, indrindra moa izany ny tena izay mpitarika azy”, hoy hatrany izy.
“Fa faharesen-dahatra sy fitiavan-tanindrazana ny anay io, ataonay hatramin’ny farany, raha milatsaka ny Filoha Rajoelina, izahay tsy hivadika fa hanohana azy sy hampandany azy amin’ny herinay rehetra”, hoy hatrany ny Filoha nasionalin’ny Antoko Freedom.




