Songadim-baovao
ADY AMIN’NY TSY FANDRIAMPAHALEMANA : Tafakatra 394 ny asan-jiolahy niseho ny taona 2022
Momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, nitombo 394 ny asan-jiolahy niseho ny taona 2022, raha ny tatitra isan-taona avy amin’ny Zandarimariam-pirenena. Miezaka mampandry fahalemana hatrany izy ireo, ary mitohy izany mandraka ankehitriny, na manao ny ainy tsy ho zavatra aza. Fanadihadiana…

Velirano voalohan’ny Filoha, Andry Rajoelina, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpitandro filaminan enti-miatrika io velirano voalohany io. Raha momba ny asan-jiolahy, 354 ny tranga, ny taona 2021, saingy niakatra 394 ny taona 2022, lasa teo. Midika izany fa niakatra ny tahan’ny tsy fandriampahalemana, momba ny asan-jiolahy. Niakatra toa izany koa ny fakàna an-keriny ireo varira, satria, tranga 18 ny taona 2022, raha 14 tamin’ny 2021. Niakatra koa ny trangana halatra lavanila maitso, raha hoarina tamin’ny taona 2021, satria 447 izany ny taona 2022, raha 296 tamin’ny 2021. Toraka izany koa ny vanille voaomana, satria 75 izany ny taona 2022 raha 47 tamin’ny 2021. Na izany aza, nisy ireo vokatra ireo azo, dia noho ny asa notanterahin’ireo Zandary niantsehatra eny an-kianja ary indrindra ny fahaizana niara-niasa sy ny fatokisan’ny vahoaka ny Zandarimaria. Tsy mionona fotsiny amin’izany anefa ny fibaikona ny Zandarmaria, fa miezaka hatrany amin’ny tan-tsoroka ho fanatsarana ny kalitaon’ny asa, izay mivoatra manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny ho fanohanana ireo any an-tsehatra amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ireo Andrimpanjakana misy. Momba ny fakàna an-keriny, nihena 30% izany, satria miisa 49 tamin’ny 2021, ary 34 tamin’ny 2022. Nitombo isa kosa, ny fakàna an-keriny ireo olona manana toe-tena varira. Ady amin’ny zava-mahadomelina, nahomby ny ady natao tamin’ny fanenjehana ny mpamboly, ny mpamokatra, ny mpidoroka ary ny mpivarotra satria nahitam-bokany ireo paikady, ny fikarohana sy ny fanadihadiana izay natao. Nahitana fiakarany koa ny trangana, fitsaram-bahoaka, izay 18 izany, tamin’ny 2021, raha 44 ny taona 2022.
Jiolahy roa lavo…

Naharay loharanom-baovao marim-pototra ny Zandarimaria ao amin’ny Kaompanian’ Antsohihy, fa rehefa tsy hita sy nokarohina amam-bolana maro i Lefidy sy Rabemahazaka, izay tena mampihorohoro ny vahoaka ao amin’ny Distrikan’i Antsohihy sy Analalava ary Bealanana, amin’ny halatr’omby sy ny fanafihana mitam-piadiana. Re fa mihaodihaody amin’ny Faritra Ankerika Distrikan’i Antsohihy, izy ireo. Mbola teo am-panatanterahana ny asa ratsiny izy no tonga ara-potoana ny Zandary, izay notarihin’ny Kapiteny Tobiasy Kaomandy ny Vondron-tobim-paritra. Tsy nanam-po ireo jiolahy, fa niova tsy toy ny mahazatra ny paikady nentina nisamborana azy ireo, ka tsy nanao fanamiana, noho izy ireo tena fetsy sy mailo, raha vao mahita mpitandro filaminana. Vokatry ny fifanjevoana nandritra ny fisamborana azy ireo anefa, tsy maintsy nampiasa ny fitaovana teny am-pelatànana ny Zandary ka lavon’ny bala izy roa lahy. Tsy mbola afa-po ireo zandary ao an-toerana, fa hitohy ary hihamafy ny hetsika. Maneho fisaorana bevata ho an’ny vahoaka ao anatin’ny faritra iadidiany, ny Kapiteny Tobiasy Kaomandy ny Vondron-tobim-paritra Antsohihy, tamin’ny ezaka rehetra niarahana sy nifanomezan-tanana tamin’iny dimy volana voalohany, niarahana iny, fa indrindra ny fatokisana ny Zandarimaria.
Marolafy ny ambana…

Na teo aza ny fahasarotana maro samihafa iatrehan’ireo zandary eny ifotony, tsapa fa manao ny ezaka rehetra, nanao ny ainy tsy ho zavatra, tsy natory andro tsy natory alina niezaka nanakaiky ny vahoaka hatrany. Fantatra fa mbola maro ireo adidy sy andraikitra miandry, indrindra amin’izao taona diavintsika vao manomboka izao. Hihamafy sy hihasarotra ny asa amin’ity taona 2023 ity, satria marolafy ny ambana, maro ireo minia manakorontana amin’ny lafiny maro eto amin’ny Firenena. Vonona hatrany ny zandarimaria, hametraka ny fandriampahalemana maharitra. Ny tanjona dia ny mba handavorariana ny asa, hanarahana ny fitsipi-pifehezana, ka ahafahana miaro tsy misy fepetra ny fiandrianam-pirenena, ny andrim-panjakana, ny vahoaka sy ny fananany.




