Songadim-baovaoSosialy

TANGORON-DRAHONA: Tombanana hanambana ny morontsiraka atsinanana ny Alarobia izao

Tany amin’ny 1 300 km avaratra atsinanan'i Vohemar no nisy ny foiben'ilay tangoron-drahona niforona tao amin’ny Ranomasimbe Indianina, araka ny fampitam-baovaon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Noho izany, hahazo vahana any amin'ny tapany atsinanan'ny Nosy ny rotsak'orana. Raha ny tombatombana dia everina hanambana ny morontsiraka Atsinanan’ny Nosy ity tangoron-drahona ity amin’ny alarobia ho avy izao.

Vinavinaina hikisaka miakandrefana somary atsimo andrefana ny dian’ilay tangoron-drahona izay efa niforona tany Avaratra atsinanan’Antalaha ny herinandro lasa teo. Mety hanambana ny morontsiraka avaratra, avaratra atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy izany manomboka ny Alarobia 18 Janoary izao, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro eto Madagasikara. Izy ireo izay nanentana sahady ny mponina any amin’ny Faritr’i Sava, Diana, ary Analanjirofo hanaraka akaiky ny fivoaran’izay mety ho fiforonan’ny andro ratsy. Marihina fa any amin’ny 1 300 km avaratra atsinanan’i Vohemar no misy ny foiben’ity tangoron-drahona ity ankehitriny, raha ny fanazavana. Noho izany, hahazo vahana any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy ny rotsak’orana. Ankilany, andian-drahona arahina herika sy orana kosa no vinaina hihatra eto afovoantany ao anatin’izao telo andro misesy izao, raha ny fanazavana hatrany. “Tombana ankapobeny ihany ireo satria mbola sarotra ny mamoaka vina mazava noho ireo atontan-kevitra maro mbola manjavozavo. Andrasana araka izany ny fironan’ny antotan-kevitra ato anatin’ny andro vitsy ho avy”, hoy hatrany ny teo anivon’ny Meteo. Etsy ankilany, mitohy ny fanaraha-maso atao amin’ny mety ho fivoaran’ny andro ratsy, ka hanentanana ireo mponina eny amin’ny toerana avo mba ho mailo hatrany amin’ ny voka-dratsy mety ateraky ny orana.

Tsiahivina hatrany fa noho ny fisian’ity tangoron-drahona izay ahina hivadika andro ratsy izay miforona ao amin’ny Ranomasimbe Indianina ity dia voatery nahemotra amin’ny 28 Janoary 2023 ilay hetsika fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolenkazo 2022-2023 nokasaina natao ny 19 Janoary 2023 teo, tao Ilaka Est, Distrikan’i Vatomandry, Faritra Atsinanana.

Johannah (mpianatra asa). sy LR.

Fermer