Politika

TSARA FIFANDRAISANA AMIN’NY FILOHA Tsy ho kandida Filoham-pirenena ny Praiminisitra Ntsay Christian

Taonan’ny fifidianana ity taona 2023 ity, raha tsiahivina. Ny mpanohitra anefa, amin’izao fotoana dia mivoy fa « tsy te hiditra amin’izany ny mpitondra ankehitriny ». Namafisin’ny Praiminisitra, anefa, fa tsy tombontsoan’ny vahoaka Malagasy ny tsy hisian’ny fifidianana, ary tsy maintsy hisy ny fifidiaanna amin’ity taona ity. Nandiso ny fiheveran’ny sasany ny amin’ny mety hirotsahany hofidiana, ny tenany…

Notsiahivin’ny Praiminisitra, fa maro ny fampiadiana natao teo aminy sy ny Filohan’ny Repoblika, saingy notsindriany, fa tsy nandaitra izany satria mifandray sy mifampiresaka tsara izy ireo, satria samy entanin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fampandrosoana ny malagasy. Mila fitoniana ny firenena ankehitriny, ary mitohy ny asan’ny governemanta sy ireo mambra rehetra, hoy izy. Nambarany mazava ihany koa, fa tsy ho kandidà ho Filoham-pirenena ny tenany amin’ity taona ity, araka ny feo mandeha. « Tsy maintsy hisy ny fifidianana, ary ny fifidianana Filohan’ny Repoblika no ho tafiditra amin’ity taona ity », io no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tao anatin’ny fandaharana manokan’ny haino aman-jerim-panjakana « Ady hevitra » omaly alina, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, manoloana ny resa-be mandeha ankehitriny. Manoloana io filazan’ny mpanohitra io, dia nomarihany, fa tsy manana fikasana hanalava ny fotoam-piasan’ny governemanta ny Praiminisitra, torak’izany koa ny Filohan’ny Repoblika, izay mandala ny firenena tsara tantana sy tan-dalàna. Aorian’ny fanoloran’ny CENI ny soso-kevitra mikasika ny datim-pifidianana, dia tsy maintsy handeha eo anatrehan’ny governemanta izany, ary aorian’ny fandinihana izany dia tsy maintsy hirosoana ny fifidianana. Eo anatrehan’ny filazan’ny CENI ny tsy fahampian’ny teti-bola hiatrehany ny fikarakarana fifidianana indray, dia nomarihany, fa efa tafiditra anatin’ny tetibolam-panjakana 2023 izany. Raha misy tsy fahampian’izany, dia hidirana ny famakafakana, ka raha mitombina ny teti-bola apetraky ny CENI, dia tsy hisy olana ny fanampiana ny teti-bola. Nomarihany anefa, fa tamin’ireny fifidianana nanomboka ny taona 2018 nitohy ireny, dia nisitraka fampitaovana ny CENI, izay midika fa misy fitaovana eo am-pelatanany, afaka hiatrehana fifidianan-koavy, tsy hiaingany amin’ny tsy misy. « Tsy misy olana ny fanampiana ny CENI, manoloana ny fandalana ny demokrasia eto Madagasikara, izay tsy maintsy hanatanterahana ny fifidianana ».

« Fitsipaham-pitokisana nentina nanonganana ny Filoham-pirenena »

Herinandro maromaro taorian’ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta nokasain’ny Solombavambahoaka teo anivon’ny Antenimierampirenena natao, izany hoe ny volana desambra 2022, vao niloa-bava ny Praiminisitra Ntsay Christian, tao anatin’ny fandaharana manokana io. Nambarany, fa  nisafidy ny hangina ny tenany, ary nijanona ho Raiamandreny hatrany. Maro anefa, ny fanendrikendrehana sy ny fanakianana tamin’izany, izay nambarany, fa zava-misy anatin’ny firenena demokratika tsy azo lavina. Ny fitsipaham-pitokisana dia fitaovana iray hahafahan’ny Antenimierampirenena mampiseho ny fomba hahitany ny fandehan’ny asan’ny governemanta. Manoloana izany, dia nambarany, fa niainga avy tamin’ny vondrona politikan’ny Filohan’ny Repoblika ny tenany, ary ny fitsipaham-pitokisana nokasain’ny maro an’isa teo iny, dia nampametra-panontaniana. Ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Repoblika anefa, tsy mankasitraka ny fomba hankorontanana ny fanjakana, satria, raha nandeha iny fitsipaham-pitokisan iny, dia tsy ny Prainimisitra irery no voakasika’izany, fa ny goverenemanta iray manontolo, ary fanozongozonana ny fanjakana manontolo mihitsy, raha ny nambarany. « Tsy afaka ny hino ny tenako, fa ny Filoham-pirenena no haniraka ny maro an’isa hanakorontana ny fanjakana, saingy manana ny fahefany araka ny lalàmpanorenana izy, hanala ahy raha nisy tsy mety sy asa tsy vitako, ary manaiky izany aho na androany, aza ». Nomarihany, araka izany, fa raha ny Praiminisitra sy ny governemanta no anaovana fitsipaham-pitokisana, dia ny Filoham-pirenena mihitsy no notadiavina haongana tao anatin’izany.

« Miankina amin’ny Filoham-pirenena ny fanovana governemanta »

Eo amin’ny resaka fanovana mpikamban’ny governemanta izay mandeha amin’izao fotoana, dia nambaran’ny Praiminisitra, fa ny Filoham-pirenena no manana ny teny farany amn’izany sy manana fahefana napetraky ny Lalàmpanorenana mikasika izany, saingy iarahany amin’ny Praiminisitra amin’ny fotoana hitany fa mety, aorian’ny tombana mety hataony mikasika ny asa vitan’ireo Minisitra tsirairay. Raha tsiahivina, ny 15 aogositra 2021 no nisian’ny fanitsiana farany teo anivon’ny governemanta, izany hoe 17 volana lasa izay.

Mihoatra ny 1000 miliara Ariary ny fanampiana ny Jirama

Nolavin’ny Praiminisitra ny filazana ankehitriny, fa tsy misy vola intsony ny Fanjakana. Nitondra fanazavana, anefa, ny tenany, fa tamin’ny faran’ny taona 2022 dia sahirana ny Tahirim-bolam-panjakana, noho ny olana misy eo amin’ny orinasa Jirama, izay voalaza fa nibaby trosa hatramin’ny 1000 miliara Ariary, hatramin’ny taona 2018. Tsy maintsy ampiana anefa, ity orinasa mpamokatra jiro sy rano ity, mba tsy ho fitsinjovana ny vahoaka Malagasy. Teo ny tsy fahaloavany ny solika ampiasaina amin’ireny orinasa mpaninjara solika, ny herinaratra vidian’ny jirama amin’ireny orinasa tsy miankina mpamokatra herinaratra, ny vola amin’ireny milina hofain’ny Jirama, izay mihoatra ny 1000 miliara Ariary ny angon-trosan’ny Jirama, raha ny nomarihan’ny Praiminisitra. Ny fisian’izany no nahatonga ny Fitondram-panjakana nandoa ireo trosa niavosan’ity orinasa ity, anton’ny fahasahiranana tamin’ny faran’ny taona teo iny, raha ny nambarany. Manana tetikasa hanavaozana tanteraka ity orinasam-panjakana ity, anefa, ny Fitondram-panjakana, izay fa mandeha tsikelikely amin’izao fotoana, nanomboka tamin’ny fanavaozana ireo milina sy fitaovam-pamokarana herinaratra, ny fananganana fotodrafitrasa mamokatra herinaratra, sy ny sisa. Tanjona ny hanatrarana ny ankamaroan’ny Malagasy hatramin’ny 80% misitraka ny vokatry ny Jirama, raha mbola 15%-n’ny Malagasy no misitraka izany, hatreto. « Miroso amin’izany isika, hoy ny Praiminisitra, amin’ny alalan’ireo ezaka marolafy hanarenana ny Jirama amin’izao fotoana. Ny fahafahana mampihena ny saram-pamokaran’ny Jirama mba hanakely ny fatiantoka eo anivon’ity orinasa ity, ka hampihena ny vola omena ny Jirama, mba hahafahana mampiasa ny volabe ho amin’ny fampandrosoana, no tanjona ». Nisy ny fandaharana « Ady hevitra » niainga avy teny amin’ny Lapam-panjakan’i Mahazoarivo, nandeha tamin’ny Onjam-peo sy fahitalavi-pirenena RNM sy TVM, nitafan’ny Praiminisitra mivantana tamin’ny vahoaka Malagasy, omaly tamin’ny 08 ora alina. Onjam-peo sy fahitalavitra tsy miankina miisa 180 manerana ny Nosy ihany koa, no nifarimbona tamin’ny fampitàna mivantana izany. Ankoatra izay, niresaka momba ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny zava-bitan’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry tao anatin’ny efa-taona lasa, ny tenany.

Fermer