
Fanadihadiana ManokanaSongadim-baovao
RIVODOZA « CHENESO » Zazalahikely iray maty, iray tsy hita popoka, 2 224 tra-boina ao amin’ny Faritra Ananjirofo
Nahazoana akony ny fidiran’ny rivodoza tao amin’ny tapany avaratr’i Antalaha, omaly maraina iny. Miisa 2 224 ireo tra-boina naharaisana tatitra teo anivon’ny BNGRC, omaly hatramin’ny 10 ora alina. Tao amin’ny faritra Analanjirofo, no nahitana azy ireo. Nisy ny aina nafoy sy olona tsy hita noho ny fiakaran’ny renirano…
Mahatratra 2 224 sahady ireo olona tra-boina tao amin’ny faritra Analanjirofo, vokatry ny rotsak’orana niteraka tondra-drano nentin’ny rivodoza Cheneso, izay niditra tao avaratr’i Antalaha, omaly maraina, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindony (BNGRC), omaly alina tamin’ny 10 ora. Zazalahikely iray manodidina ny herin-taona sy tapany eo no voalaza fa namoy ny ainy, voalaza fa maty an-drano, tao amin’ny fokontany Ambalamanasy II, kaominina ao ihany, distrikan’Andapa, faritra SAVA. Ankizilahy iray 10 taona koa, no fantatra fa tsy mbola hita popoka hatramin’ny omaly alina, tao amin’ny distrikan’Antsiranana II. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny BNGRC, Jeneraly Elack Olivier Andriakaja, fa mpiandriaka telo lahy izy ireo no niaraka nivoaka an-dranomasina, ny alarobia tolakandro teo, saingy navadiky ny lakana. Avotra soa aman-tsara ny roa, raha mbola tsy hita hatramin’ny omaly, ity ankizilahy ity, ary eo am-pikarohana azy ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana.

Tamin’ireo tra-boina tao amin’ny faritra Analanjirofo nahazoana tatitra io, dia fantatra, fa fianakaviana miisa 738 no tsy manan-kialofana amin’izao fotoana, izay ahitana olona 2 224. Tao amin’ny distrikan’i Maroantsetra avokoa, no misy ireo tra-boina naharaisana tatitra. Raha ny tatitra voaray hatramin’ny omaly tamin’ny 06 ora hariva, ny tao amin’ny fokontany Ivato no maro tamin’izany, izay mahatratra 416. Manaraka azy ny fokontany Sahambatra 400, fokontany Marofototra 350, Ampoafamboay 300, Ankazomandroko 245, Ambinanitelo 214, Ankadibe 22, Anjinjakoho 30, ary Ampafatra 19. Raha ny tatitra voaray, dia vokatry ny tondra-drano nahazo ny toeram-ponenan’ireto mponina no antony namindrana azy haingana. Tamina toerana azo antoka no nametrahana azy ireo, tao amin’ny Sites Med’Air, sy ny CSB Ambinanitelo.
Vatobe milanja 30 taonina esorina…

Any amin’ny faritra SAVA sy Analanjirofo sy amin’iny tapany Avaratry ny Nosy iny amin’izao fotoana, no efa miaina anaty loza mitatao vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso. Na izany aza, mila mailo hatrany isika eto an-dRenivohitra, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny BNGRC, manoloana ny rotsak’orana entin’ity rivodoza ity, izay miely hatraty afovoan-tany. Araka izany, nentanina hatrany ireo mponina mitoetra amin’ny faritra avo tandindonin-doza, mba handray fepetra mikasika ny mety hisian’ny fihotsahana. Amin’izao fotoana, dia eo am-pamakiana ny vatobe nandindona sy noahina hianjera amina tafo maro tao Volosarika Ambanidia, ny teo anivon’ny BNGRC. Fantatra, fa milanja 30 taonina eo ity vatobe ity, ary hatramin’ny sabotsy ho avy izao no hamakiana azy. Nisy ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra, dia ny fanalana ireo mponina amin’ny trano fonenany manodidina ity loza mitatao ity. Nisafidy hipetraka teny anivon’ny fianakaviany manodidina ny 82 ireto, mandra-pahavitan’ny fanalana ny vato. Ankoatra izany, voalaza hatrany, fa tandindonin-doza ireo mponina amina fokontany manodidina an’Ambonin’Ampamarinana, noho ny mety hisian’ny fihotsahana amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Nanentana ny mponina ho mailo amin’izany, ny Tale jeneralin’ny BNGRC.
Tsy mbola naharaisana tatitra ireo Sefo fokontany
Mikasika ny saina mena efa napetraky ny tompon’andraikitra teny amin’ireo toerana avo, dia notsiahivin’ny Tale jeneraly, fa anisany fandraisana andraikitra goavana efa natao izany, izay milaza hatrany fa misy loza mitatao ka tokony hiala ny mponina voakasik’izany. « Ny toerana manakaiky ireny saina mena napetraka dia tsy azo iadian-kevitra fa tandindonin-doza, ka tokony hialana. Ny fandraisana andraikitra anefa, dia ny antso avo mba hisoratan’izy ireo eny anivon’ny fokontany. Anatin’ny fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ihany koa izany, amin’ny toerana handraisana ireo tra-boina vokatr’izany ». Voalaza anefa, fa hatreto tsy mbola nisy filazana avy amin’ny fokontany manodidina fa misy olona tokony hafindra toerana.