KolontsainaSongadim-baovao
FITANTANANA NY “OMDA”: Artista maro miray feo ny amin’ny tokony hisian’ny fanavaozana
Rahampitso talata 24 Janoary 2023 no hotanterahina ny fivoriambe sy fifampiarahabana nahatratra ny taona ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny Ofisy Malagasy misahana ny zon’ny mpamorona (OMDA) rehetra, izay ho atao etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena, araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Mandritra izany, hisy ny tatitry ny asa vita. Hisy koa ny fifidianana ireo mpikambana ho eo amin’ny toeran’ny filankevi-pitantanana, ary fiaraha-mikorana, araka ny fanazavana.
Vantany vao niseho anefa ity fampahafantarana nataon’ny Minisitera ity dia nisy ireo mitonona ho sendikan’ny Artista izay mitsipaka marindrano ny fanatanterahana izany, indrindra ny fifidianana izay ho mpikamban’ny filankevi-pitantanana vaovaon’ny OMDA. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa manao amboletra sy jadona ny Minisitera, ary tsy tokony hijabaka amin’ny raharaha anatin’ny OMDA, satria raharaha anatin’ny mpanakanto izany. Namaly izany ny teo anivon’ny Fitantanana ny OMDA ankehitriny, izay namaky bantsilana trangana toe-javatra tsy mazava teo anivon’ity rafitra ity, ka heverina ho antony mahatonga ny artista vitsivitsy izay mahazo tombontsoa, malaina ny hirosoana amin’ny fanavaozana. “Ho anareo midongy mafy tsy asiana fanovana ao amin’ny OMDA io, valio ireto teboka 3 ireto ary mila voavalinareo mazava any amin’ny BIANCO : Lazao mazava amin’ny artista rehetra ahoana ny mikasika ilay atao hoe « part des artistes inconnus » fa vola be isan-taona io nandritra ny taona maro, ahoana ny mikasika ny kaonty tao amin’ny BMOI izay nanjavona tampoka? ahoana ny mikasika ny « contrat » natao tamin’ny Assurance Aro?”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpitantanana ny OMDA ankehitriny.
Etsy ankilany, sesilany ny fanambarana fanentanana ho an’ny artista rehetra ataon’ireo mpanakanto maro an’isa, ho avy amin’io andron’ny rahampitso io, mba hitondrana fanavaozana eo anivon’ny OMDA. Ireto manaraka ireto misy ampahany amin’izany fanehoankevitra izany:
MEIZAH : Miantso antsika tanora aho, fotoana izao hisitrahantsika ny tombontsoa antsika. Rehefa tsy ho alaintsika ny tombontsoa antsika, dia misy olona vitsivitsy ao misitraka izany. Manentana anareo ho avy amin’ny talata ho avy izao (ndlr : rahampitso) amin’ny 10ora ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena. Andao hiara-hientana hitondra zava-baovao sy rivo-baovao ho an’izany OMDA izany. Fotoana izao hahafahana mametraka ny diam-penintsika ao anatin’ny rafi-pitantanana ny OMDA.
STEPHANIE : Efa lany mandat tamin’ny volana novambra ny mpikamban’ny CA ao amin’ny OMDA dia mbola mitabataba ihany. Fa inona ilay tombontsoa manokana mampifikitra anareo eo ? aleo mba ho olona hafa indray fa nareo foana kanefa tsy nahazoanay artista tombontsoa. Tongava maro ianareo artista namako mila fiovana amin ny 24 janoary 2023 amin 10ora maraina eny amin’ny palais des sports Mahamasina.
ARIKOM’S RANDRIA : Zontsika ny mahazo ny volantsika mihitsoka ao amin’ny OMDA. Lalana roa ihany anefa no ahafahantsika mahazo an’izany: 1- Rehefa voatendry ny Tale vaovao. 2- Hatsangana ny Filankevi-pitantanana vaovao satria efa tapitra ny fotoam-piasan’ireo teo aloha. Iarahantsika mahalala anefa fa tsy mety ho votendry ny Tale vaovao hatramin’izao, noho ny antony tsy miankina amintsika. Koa andao ho raisina ny andraikitra mba hampandehanana ny raharaha. Manentana antsika rehetra mpikambana ao amin’ny OMDA mba hiara-mirona amin’ny fivoriambe sady fifampiarahabana nahatratry ny taona, izay atao ao amin’ny palais des sports Mahamasina, amin’ny talata izao amin’ny 10 ora. Ho fidiantsika eo ny Filankevi-pitantanana vaovao, satria mila mandeha ny raharaha ao amin’ny OMDA. Ny tombontsoantsika mpanakanto no arovana, fa aza manaiky ho zarazaraina!
HOBIANA POETA MPANORATRA : 29 taona izay no naha mpikambana OMDA ahy. Ny 25 Janoary 1994 aho no nisoratra anarana tao sy nametraka tononkalo sy tononkira voalohany. Ofisy malagasy miaro ny zon’ny mpamorona izy io. Tsapako tsy voaaro araka ny tokony ho izy ny zoko hatramin’izay satria raha radio 10 no reko mandefa ny tononkalo sy sombintantara nosoratako, eny hatrany amin’ny radiom-paritany koa, rehefa tonga ao amin’ny OMDA aho dia radio 2 monja no voasoratra ao hoe handraisako vola. Rehefa niresaka taminareo namako aho dia mitovy amiko ny ankamaroanareo ka kivy ambony ihany. Maro ny zava-tsy mety fantatrareo notantarainareo tamiko momba io OMDA io ka tsy mahaliana anareo akory na ny hamonjy ny fivoriambe amin’ny Talata 24 Janoary tontolo andro aza. TSIA! Aleo mijoro! Mila olona mijoro isika, Mila olona manan-kevitra, Mila olona mihaino ny hetahetantsika, Mila olona sahy mitondra ny feontsika, Mila olona mitatitra vaovao amintsika.




