Trangam-piaraha-monina

DISTRIKAN’ISANDRA : Dahalo enina mpampihorohoro maty voatifitra

Dahalo raindahiny any amin'ny Distrikan'Isandra indray no lavon'ny zandary miaraka amin'ireo namany dimy, afakomaly. Isan'ireo mpampihorohoro any amin'iny Faritra iny izy ireo ary efa ela no nokarohina fatratra. Mbola nampiana ireo mpitandro filaminana hanatevin-daharana ny fandriampahalemana any an-toerana...

Miaro ny vahoaka sy ny fananany ireo zandary eny an-tsehatra.

Nitrangana fifandonana mahery vaika afakomaly, tao amin’ny Kizo Tsivohena, Kaominina ambanivohitra Ambalamidera, Distrikan’Isandra, afakomaly. Nitondra basy mahery vaika ireto dahalo ireto ka vantany vao nifankahita tamin’ireo zandary teo amin’io kizo io, dia raikitra avy hatrany ny fifampitifirana. Vokany,

dahalo miisa enina mpampihorohoro hatry ny ela any an-toerana no indray maty voatifitra, ka isan’izany ny lehiben’ireo dahalo fantatra amin’ny anarana hoe Zafikely. Isan’ireo lavo niaraka tamin’ity lehiben’ny dahalo, i Marovelo, Fanina, Toandro ary Lucien. Ireto dahalo maty voatifitra ireto dia isan’ireo dahalo fanta-daza efa nokarohina fatratra hatry ny ela.

Sarona teo amin’ireo dahalo koa, ny basy mahery vaika sy basy vita tanana miisa dimy. Efa tonga any an-toerana ireo zandary miisa fito avy amin’ny Borigadin’Isorana sy Ambalavao, niampy ireo mpikambana Kalony Ambalamidera II miisa 15. Ankoatra ireo efa tonga any  an-toerana, mbola nisy  miaramila sy zandary miisa 27 avy any amin’ny Vondron-tobim-paritra ao Fianarantsoa hanampy ireo efa any ifotony, hanohy ny asa fandriampahalemana. Velom-pisaorana amin’ny ezaka tontosain’ny mpitandro filaminana, araka izany, ireo fokonolona any an-toerana.

Omby 40 tafaverina…

 

Ireo omby norobain’ny dahalo tafaverina.

Ny alin’ny faha 26 aogositra tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, nisy andian-dahalo miisa 14 eo ho eo nirongo basy sy antsilava nangalatra omby tao amin’ny tanàna atao hoe Belamity Amborovoro, Kaominina ambanivohitra Sarisambo, distrikan’ny Bekily. Lasa nandritra izany ny omby miisa 40 ary nihazo ny kizo Analamitapy eo anelanelan’ny Antevamena sy Anivorano Mitsinjo no nalehany. Rehefa nandre io tranga io ny zandary tao amin’ny Zana-tobim-paritra Farantsa Borigadin’i Beraketa dia nidina avy hatrany any amin’ny kizo tao Andranotoho sy Morafeno Andriry. Raikitra ny fifandonana tamin’ireto dahalo ireto sy ny Zandary. Vokany, tafaverina manontolo ny omby 40 izay nangalarin’ny dahalo, saingy ny telo efa nokapain’ireo dahalo teny an-dalana. Tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra. Dahalo iray kosa, lavo nandritra ny fifandonana. Marihina fa efa natolotra manontolo ny tompony ireo omby azo. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana.

Tags
Fermer