Songadim-baovaoSosialy

LALAM-PIRENENA FAHENINA : Natomboka ny asa fanarenana

Ankoatra ny fitomboan’ny faharetan’ny dia, anisan’ny voka-dratsin’ny fahapotehan’ny lalam-pirenena fahenina na ny RN6 mampitohy an’Ambondromamy sy Antsiranana ny fahasimban’ny fiara. Saika velon-taraina avokoa ireo mpampiasa lalana, ka nanao antso avo ny tokony hanarenana ity lalam-pirenena ity, izay azo ambara ho lalan-tokana mihazo ny tapany avaratry ny Nosy rehetra iny. Ny herinandro lasa teo, nidina tany amin’iny lalam-pirenena fahenina iny ny avy amin’ny Fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny Minisitry ny Asa Vaventy, Jerry Hatrefindrazana, mba hanamarika ny fanombohan’ny asa fanarenana. Araka ny fanazavany, dia asa maika aloha no tsy maintsy hatomboka dieny izao, eo anelanelan’Ambondromamy sy Ambanja. Ireo teboka mainty na ireo lalana tena ahitana fahasimbana goavana no hamboarina mialoha. Mitohy tsikelikely aorian’izay ny famerenana amin’ny laoniny ny fivezivezen’ny fiara.

Nojerena manokana, hoy hatrany ny Minisitra tomponandraikitra, ny hahafahana manafaingana ny asa fanamboarana. Izany indrindra no antony nanomezana toromarika ny orinasa hanao ny asa mba hampitombo ny “brigade” izay mandamina ireo lavaka lehibe amin’ny lalana ao anatin’ny fanomanana ireo akora rehetra ilaina amin’ny fanamboarana. Ny hahavitan’ny lalana ao anatin’ny 8 volana no tanjona, izany hoe, hatramin’ny volana novambra, araka ny fanazavana. Tsy maintsy hajaina ihany koa anefa ny klitaon’ny asa.

Tsara ho fantatra fa ny Banky iraisam-pirenana no mamatsy ny asa fanamboarana, amin’ny alalan’ny tetikasa PDDR « Projet de Développement Durable des Routes » sy CERC « Composante d’Intervention d’Urgence et de Contingence ».

Fermer