KolontsainaPolitikaSongadim-baovao

ZON’NY MPAMORONA: Mijoro ny Filankevi-pitantanana vaovaon’ny OMDA

Voafidy omaly ireo mpikambana vaovao miisa fito ho eo amin’ny toeran’ny Filankevi-pitantanan’ny Ofisy malagasy misahana ny zon’ny mpamorona (OMDA). Ny fanendrena ny Tale vaovao hitantana, noho izany, no andrasana dia hiverina hihodina araka ny tokony ho izy indray ny OMDA, indrindra amin’ny fizarana ireo zo tokony hisitrahan’ny mpikambana.

Na teo aza ny savorovoro sy ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ireo samy mpanakanto mahakasika ny nanatanterahana ny fifidianana Filankevi-pitantanan’ny OMDA vaovao, dia nisy ihany ny marimaritra iraisana ary afaka niroso tamin’ny fifidianana ihany ireo mpanakanto tonga nivory, omaly tetsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Mpikambana vaovao miisa fito, izay hiasa mandritra ny telo taona no nolaniana, ka isan’izany Razanajatovo  Hobiana na i Hobiana eo amin’ny sokajy “littéraire”. Teo koa Razafindrakoto Martial na i Martial eo amin’ny sokajy “Audiovisuel”, ary Randriamanatena Arsène na i Arikaomisa Randria eo amin’ny sokajy Dramatique. Ireto manaraka ireto kosa no voafidy tao amin’ny sokajy Mozika : Tonton Pa, Jaojoby, Zoky Vonjy, Meizah. Ankoatra ireo solon-tenan’ny mpanakanto ireo dia minisitera vitsivitsy koa no voalazan’ny lalàna fa tokony hanana solon-tena anatin’ny filan-kevi-pitantanan’ny OMDA. Raha ny fanazavana azo dia efa samy nanolotra ny anaran’ireo olona ireo, ireo departemanta minisiterialy voakasika ireo. Tsy ho ela dia afaka hiasa ny filankevi-pitantanan’ny OMDA raha ny fanampim-baovao. Mandritry ny fivoriana voalohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny OMDA no hifidianan’ireo mpikambana ao izay ho filoha hitantana izany rafitra izany.

Fangaraharan’ny fitantanana

Fanamby goavana no miandry ireto mpikambana vaovao eo anivon’ny Filankevi-pitantanan’ny OMDA ireto, indrindra taorian’ireo olana isan-tsokajiny mahakasika ny tsy fangaraharan’ny fitantanana ny zon’ny mpamorona hatramin’izay. Raha tsiahivina, olana niraisan’ny artista maro ny fitakiam-bola ataon’ny OMDA rehefa misy fampisehoana atao, izay mahatratra an’hetsiny mihitsy ho an’ny sasany. Rehefa tonga anefa ny fotoana tokony hakana ny zo eo anivon’ny OMDA dia tsy mifanaraka amin’ny habetsaky ny seho natao sy ny vola nalain’ny OMDA ny vola azon’ilay artista. Misy mihitsy aza mpanakanto nilaza fa tsy mbola nandray vola teo anivon’ny OMDA na dia ny ariary aza, kanefa efa mpikambana naharitra. Samy nanome toky moa ireo mpikamban’ny Filankevi-pitantanana vaovao fa hijery sy hitsinjo marina ny tombontsoan’ny artista tsy ankanavaka. Ary hiezaka ny hametraka fitantanana mangarahara eo anivon’ity rafitra mpitantana ny zon’ny mpamorona ity.

Fanendrena Tale vaovao

Tetsy ankilany, nilaza ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, Francis Razafiarison, fa izao fijoroan’ny Filankevi-pitantanan’ny OMDA vaovao izao dia endrika fanamafisana ny fangatahana amin’ny Filohan’ny Repoblika ihany, hanendry ny Tale vaovaon’ny OMDA mba hahafahan’ny mpikambana misitraka ireo zo tokony ho azony. Hatreto mantsy, dia tsy afaka mamoaka vola, indrindra ny zon’ny mpamorona ny Tale mpisolo toerana eo anivon’ny OMDA noho izy tsy olom-boatendry teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra. Saika niray feo amin’io tokony hametrahana Tale vaovao io ireo artista maro an’isa tonga teny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena omaly. Araka ny loharanom-baovao dia efa misy anarana nalefa any amin’ny Filohan’ny Repoblika, tokony hotendrena eo amin’ny toeran’ny Talen’ny OMDA, saingy misy artista akaiky ny Filoha, mibahana ny fanendrena azy.

Fermer