PolitikaSongadim-baovaoToekarena

HO FAMPIAKARANA NY FAMOKARANA: “Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha”, hoy ny Filoha tany Dakar

Mandray anjara sady voaasa manokana amin'ny fihaonana an-tampony momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Afrika atao any Dakar Sénégal ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina amin’ny maha-tompon-dakan’ny fanjarian-tsakafo azy aty Afrika. Vahaolana naroson’ny Filoha Andry Rajoelina ny fampitomboana ny voka-pambolen'ireo tantsaha amin’ny alalan’ny fanolorana sy fanampiana azy ireny amin’ny masomboly sy ny zezika ary ny fanomezana velaran-tany.

Miatrika ady goavana i Afrika manoloana ny hanoanana sy ny tsy fanjarian-tsakafo, hoy ny Filoha Andry Rajoelina omaly, tao Dakar, renivohitr’i Sénégal. Notsindriany nandritra ny fandraisam-pitenenany fa tsy ny fitaovam-piadiana tahaka ny basy aman-tafondro sy ny baomba no tena mandripaka sy mamono fa ny hanoanana. Mahatratra 25.000 ny olona matin’ny hanoanana isan’andro ka ny 10.000 amin’ireo dia ankizy avokoa, araka ny tarehimarika nomeny. Nambarany, araka izany, fa isan’ny fanoitra sy fitaovam-piadiana mahomby amin’izany ny tany sy ny tanora marobe izay ananan’ny firenena afrikanina. « Raha ho an’ny Kaontinanta Afrikana manokana izay manana velaran-tany mihoatra ny 30 tapitrisa km2 dia isan’ny faniriako ny hahafahan’ny fianakaviana sy tokantrano tsirairay mamahana ny ankohonany isan’andro« , hoy izy.

Vahaolana roa lehibe narosony manoloana ny zava-misy amin’izany ny fampiakarana ny tahan’ny vokam-pamokarana, ary ny fanomezana masomboly sy tany azo hajariana ho an’ny tantsaha. Miteraka fiakaran’ny fahefa-mividy ho azy ireo ny fahavitan’izany. « Ny Filoha mahay mamahana ny vahoakany no mpitondra mahay indrindra sy tsara, ary miandrandra izany isika tomponandraikitra mpitarika eto« , hoy ny Filoha Rajoelina namarana ny teniny.

Fahavitan-tena ara-tsakafo aty Afrika

Marihina fa nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tao amin’ny Centre International de Conférence Dakar Sénégal .ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta aty Afrika mikasika ny fambolena sy ny fanodinana vokam-pambolena. Izany dia iarahan’ny Vondrona Afrikana (Union Africaine) sy ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) mikarakara, izay maharitra telo andro, izany hoe, ny 25 ka hatramin’ny 27 janoary 2023.

Mandray anjara sady voaasa manokana amin’ity fihaonana iraisam-pirenena ity ny Filohan’ny Repoblika Atoa Andry Rajoelina amin’ny maha-tompon-dakan’ny fanjarian-tsakafo azy aty Afrika. Tafiditra ao anatin’ny delegasiona izay tarihany kosa ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Harifidy Ramilison sy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana. Ny fihaonana dia hatao indrindra hifampidinihan’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta Afrikana hikarohana ny vahaolana rehetra hoenti-manatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo aty Afrika, tafiditra ao anatin’ny drafitra afrikana maika ho an’ny famokarana ara-tsakafo (Plan Africain d’Urgence pour la Production Alimentaire) izay efa nankatoavina ny volana May 2022. « Nourrir l’Afrique : souveraineté alimentaire et résilience » io no lohahevitra dinihana amin’ity Fivoriana an-tampony andiany faharoa ity.

Fermer