PolitikaSongadim-baovao
TONTOLO POLITIKA ETO MADAGASIKARA : Ny Mpitondra mikatsaka fampandrosoana, ny mpanohitra mitady seza
Fanehoan-kevitra politika voalohany nataon’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, omaly, taorian’ny fiverenana an-tanindrazana. Nandritra izany no niresahany ny akon’ny dian’izy ireo tany Dakar, sy ny hetsika politika kotrehin’ny avy amin’ny fanoherana ankehitriny.
Isan’ireo delegasiona niaraka tamin’ny Filoha Andry Rajoelina tany amin’ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta aty Afrika mikasika ny fambolena sy ny fanodinana vokam-pambolena ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, Mpitondra tenin’ny Governemanta. Tafiditra tao anatin’ireo nandray anjara tamin’ny adisisika niadiana ny tombontsoan’ny firenena malagasy, manoloana ireo mpampiasa vola sy mpamatsy vola, ary mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknika ao anatin’ny fambolena, ny tenany. « Ny tontolon’ny fambolena sy ny fanodinana ny voka-pambolena no tena ivon’ny adihevitra tany. Tena adisisika no natao nanoloana ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD), ny tahirimbola iraisampirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (FIDA), ny JICA, ny Fandaharanasa manerantany ho an’ny Sakafo (PAM), ary ny FAO… Tena vokatra lehibe no azo tany. Satria taorian’ny fandresen-dahatra natao an’ireo mpiara-miombona antoka dia nanaiky ny hamatsy vola hatrany amin’ny 334 tapirtisa dolara ny BAD. Teo koa ny famatsiana 200 tapitrisa dolara avy amin’ny FIDA”, hoy ny fanazavana. Mbola misy hafa koa naneho ny fahavononany, raha ny tatitra hatrany.
Nohamafisin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fa ny fitanisan’ny Filohan’ny Repoblika ireo ezaka rehetra efa vitan’ny Fitondram-panjakana hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo no naharesy lahatra ny mpamatsy vola hanohana indray an’i Madagasikara. Isan’izany ny nametrahana ny ozinina Nutrisud any Atsimo izay nampiakatra 30% ny tahan’ny fidirana an-tsekoly ho an’ny zaza. Eo koa ny tetikasa ODOF izay miompana amin’ny fametrahana indostria isaky ny disitrika, ny fametrahana fantsona lehibe mpitarika rano any atsimon’ny Nosy, ny fandaharanasa “titre vert” izay efa misy fianakaviana mpisitraka miisa 2 000.
Samy manana ny laharam-pahamehany
Raha toa efa ka ny fikatsahana ny tombontsoan’ny Firenena no mahamaika ny Mpitondra, ny fitadiavan-tseza kosa etsy ankilany no manahirana ny Mpanohitra. “Tena manao ny hainy tsy ho zavatra ny Filoha ho an’ny tombontsoan’ny Firenena malagasy, ankilany anefa olona mitady seza, te hanakorontana, no hita. Samy manana ny laharam-pahamehany tokoa ve?”, hoy ny Minisitra. Rehefa jerena, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, ireo mpanao politika nivondrona anatin’ilay vovonana LERA izay nivory tamin’ity herinandro ity, dia hita fa ireo olona efa dinôzoro politika daholo no nijoro. Olona efa nitondra. “Na ny zavatra vitan’ireo olona ireo mitambatra aza tsy milahatra amin’ny vitan’ny Filoha Rajoelina tao anatin’ny efa-taona”, hoy ny fanehoan-keviny. Raha ny kisary miseho dia olona matahotra fifidianana ireo, matahotra fifandimbiasam-pahefana demokratika. Ny hany vahaolana ho azy ireo dia ny tetezamita, hoy hatrany ny Minisitra. Hatreto anefa, tsy misy manamarina mihitsy ny fangatahana fiaraha-mitantana. Efa tokony ho fifidianana no hiompanana amin’izao fotoana izao.
Nilaza ity Minisitra ity omaly fa tsy vao izao ireo olona ireo no nanao fitakiana tahaka ireny. Tsy mendrika korontana intsony anefa, hoy izy, ny vahoaka malagasy. “Maninona no amin’ny vanim-potoana tahaka izao hanakorontanana? Lasa fitiavan-tena fa tsy fitiavana firenena. Aleo ny vahoaka no hitsara ny Mpitondra fa tsy ianareo. Inona no tsy hiandrasana ny fifidianana? Io no fomba ara-dalàna hahafahana manolo n mpitondra”, hoy hatrany ny Mpitondra tenin’ny Governemanta.



