Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
NANORATRA TANTARA…: Hiatrika ny manasa-dalan’ny CHAN ny Barea, hifandona amin’i Sénégal
Nanoratra tantara vaovao ny Barea. Na dia sambany aza isika no nandray anjara tamin’ny Fiadiana ny tompondakan’i Afrika (CHAN), dia tsy nahasakana ny Ekipam-pirenena malagasy tsy haneho vokatra tsara izany. Tafita amin’ny dingan’ny manasa-dalana i Madagasikara ankehitriny, rehefa avy nandavo ny Mozambikanina teo amin’ny ampahefa-dalana.
Nafana ny fifanandrinana teo amin’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Ekipam-pirenen’i Mozambika ny harivan’ny Sabotsy teo, nandritra ny lalao ampahefa-dalan’ny CHAN 2022, izay hatao any Algérie. Na dia nanindry aza ny Mozambikanina tamin’ny ankapobeny, noho ny tanjaka sy ny toe-batana nananany, ka nahafahan’izy ireo nitazom-baolina naharitra, dia tsy nahitam-bokany izany. Tsy nisy ny masona harato nikobana. Tetsy ankilany, hain’ny Barea, tarihin’ny Mpanazatra Rôrô ny nanararaotra izany, ka nahafahan’izy ireo nampihatra ireo paikady rehetra hampidiram-baolina. Tsy niandry ela, fa teo amin’ny minitra faha-17 dia efa tafiditra’i Koloina ny baolina voalohany ho an’i Madagasikara. Io isa 1 no ho 0 io no nisarahan’ny roa tonta teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Mbola mampiseho endri-dalao tsara hatrany ny Barea an’i Madaagasikara nandritra ny fizaram-potoana faharoa. Vokany, tafiditr’i Jean Yves indray ny baolina faharoa teo amin’ny minitra faha-67. Ary teo amin’ny minitra faha-87 no tafiditra ny baolina fahatelo ho an’ny Malagasy. Voafehintsika tanteraka ny lalao tamin’ny ankapobeny, na dia nahatafiditra baolina iray ho azy aza ny Mozambikanina taty amin’ny minitra farany tsy hiafaran’ny lalao. Tamin’ny isa 3 no ho 1, araka izany, no nisarahan’ny roa tonta.
Saika afa-po tamin’ny lalao nasehon’ny Barea ireo mpitia kitra rehetra, na dia mbola misy aza ireo lafiny teknika mila asiana fanatsarana. Efa misy ny fatokisan-tena eo amin’ireo mpilalao. Ary mitoetra hatrany ilay toe-tsaina mamono baolina sy miady hatramin’ny farany, izay nahitam-bokany tsara ankehitriny.
Mirehareha ny Malagasy
Samy naneho ny hafaliany avokoa ny mpitia kitra sy ny mpankafy Barea ny alin’ny sabotsy teo. Saika tomefy olona daholo ny arabe, raha tsy hilaza afa tsy ny tetsy Analakely. Ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ihany koa dia nandefa teny fiarahabana sy firariantsoa ho an’ireto Maherifon’ny Malagasy ireto.
“Nanohana … nitebiteby … nihorakoraka ary feno hafaliana ny Malagasy rehetra. Dingana lehibe eo amin’ny tantaran’ny kitra Malagasy no vitan’ny BAREA niaro ny voninahi-pirenena. Koa miarahaba anareo BAREA manokana ny tenako nahavita izao dingana lehibe nahatafiakatra anareo eo amin’ny manasa-dalan’ny CHAN izao. Ary manamafy ny fanohanako sy ny fitondrako ambavaka anareo. Manoratra tantara ianareo ary mitohy ny nofintsika ny hibata ny amboara. Ny Malagasy rehetra no ao an-damosinareo”, hoy ny Filoha teo amin’ny Kaonty Facebook-ny.
Fihaonana amin’i Sénégal
Araka ny fandaharam-potoana dia rahampitso Talata 31 Janoary 2023 no hotontosaina ny lalao manasa-dalana izay hihaonan’ny Barea an’i Madagasikara amin’ny ekipam-pirenen’i Sénégal. Lalao izay anisan’ny andrasan’ny maro. Tsiahivina fa tsy mbola nahita faharesena mihitsy ny Barea hatramin’ny niatombohan’ity fifaninanana ity. Manantena, noho izany, ny mpitia kitra fa tsy hifarana rahampitso izany dingana vita izany. Ankilany, hotontosaina rahampitso ihany koa ny lalao manasa-dalana faharoa hihaonan’i Niger sy Algérie.
Randriah.



