KolontsainaSongadim-baovao
MANJAKAMIADANA: Mandeha ny asa fanarenana ny tilikambon’ny fiangonana ao anatirova
Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 18 Janoary 2023 no nankatoavina ny "Travaux d'urgence" na asa fanarenana maika ny Fiangonana izay singa iray mandrafitra ny Vako-pirenena "Rovan'i Madagasikara". Efa natomboka ny asa fanamboarana. Nisy ny fitsidihana sy ny fijerena ny antsipirian’izany omaly, nataon’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo.
Nilatsahan’ny varatra ny tilikambon’ny fiangonana protestanta ao anatin’ny Rovan’i Madagasikara herinandro vitsy lasa izay, ka misy triatra. Ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 18 janoary 2023 teo no nankatoa ny hanaovana ny asa maika hanamboarana ity fiangonana ity. Hararaotina ihany koa ny hanaovana ny asa fikojakojana (travaux d’entretien) ny fiangonana izay efa anjato taona no niorenany ka mila fanamafisana, raha ny fanazavana. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra koa ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandaniana rehetra amin’ny asa fanamboarana maika tsy maintsy hatao, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola.
Natomboka avy hatrany, araka izany, ny asa. Nisy ny fitsidihana sy ny fijerena amin’ny antsipirihany ny asa atao eny an-toerana nataon’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo omaly, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy.
Nivoitra nandritra ny fitsidihana fa isan’ireo asa atao ny fanarenana ny lohan’ny tilikambo. Izany hoe, hampidinina tsirairay ireo rihana telo mandrafitra izany, ka ho soloina ny vato ratsy, izay vao harafitra vaovao sy hampiakarina indray. Eo koa ny fitsirihana ny olana mikasika ny rano avy ao ambanin’ny Tempoly. Tsikaritra fa mitsika amin’ny rindrina ny rano ao amin’ity fiangonana ity, miteraka hamandoana ary miakatra mandoto ny rindrim-bato, no sady manakorontana ny fahamarinan-toeran’ny Tempoly, araka ny fanazavan’ny Minisitra. Hisy, araka izany, ny asa fitrohana sy fandritana ny rano miandrona sy hamandoana. Haharitra 30 andro ny asa tanterahina araka ny voafaritra ao anatin’ny bokin’andraikitry ny asa iarahana amin’ny orinasa miantsoroka ny asa eny an-toerana.
Fanatsarana samihafa
Araka ny fanazavan’ny Minisitra tomponandraikitra hatrany dia sambany no nisy asa fikojakojana sy fanatsarana natao tamin’ity fiangonana ity tao anatin’izany 154 taona niorenany izay. Nohararaotin’ny Minisitera, araka izany, ny nanao asa fanatsarana samihafa amin’ity fotodrafitrasa ity. Isan’izany ny fanoloana ireo tafo mitete ary koa ny lakan-drano avy eny ambony. Hisy koa ny fanadiovana ny rindrina ivelany rehetra. Nomarihin’ny Minisitra fa amin’ny maha vakoka azy dia hatao manaraka ny fenitra sy manaja hatrany ny endrika niaingana ny asa.
Tsara ho fantatra fa niara-nanatanteraka ny fitsidihana tamin-dRamatoa Minisitra ireo solontenan’ny Taranak’Andriana isan-tokony ka isan’izany, Princesse Claire Ratsimamanga, ny Princesse Fenosoa Ralandison Ratsimamanga, ny Prince Georges Ratrimoarivony, i Étienne Georget (Zazamarolahy), i Sitraka Raoeliarivony Andriantsalama (taranak’Andrianampoinimerina), i Michelle Rakotomalala (Zanadranavalona), i Francesca Rakotondramanana (Andriamasinavalona), Rajaonarivelo Olivier (Andrianamboninolona), i Lalao Raoelisoa Ratsimihah (Andriandranando), i Éric Raobelina (Zana-dRalambo amin’Andrianjaka). Ireto farany izay nankasitraka ny fandraisana andraikitra noraisin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ka manohana tanteraka ny asa atao ary miara-manaraka akaiky amin’ny Minisitera ny fizotry ny asa.




