Vaky Bantsilana

Ho sanatriavina ny olon-dratsy no arovana…

Nanaitra tao ho ao ny fijoroan’ireo mpiaro ny zon’olombelona sasantsasany mahakasika ireo olon-dratsy arovan’izy ireo sy nanaovany lela manaka-danitra, ny momba ny zony.  Isan’ny voaresaka matetika ny “Raharaha Fafarafangana”, izay nahafatesana voafonja nitsoaka. Loza mihatra ho an’ny mpiara-belona ny fahafahan’izy ireo hiriaria any anivon’ny fiarahamonina any. Ezaka goavana ny fandraisana andraikitra nataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana azy ireo. Saingy, misy ny fikambanana tsy mijoro raha tsy ho an’ireo olon-dratsy nahavita zava-doza ho an’ny fiainan’ny fiarahamonina. Raha tsy voahitsy na voasakana amin’ny ataony ireo jiolahy, mpangalatra, mpanolana, sy fanetriben’ny Firenena ireo, fampandrosoana inona no tian-kitoetra ho an’ny tanindrazana iombonantsika ity? Tena mba mijoro amin’ireo olona tsy manan-tsiny iharan’ny herisetra ve ireo zon’olombelona sasantsasany ireo sa manao vain-drahalahy tsy maharary…

Rehefa manao ny andraikiny araka izay tratra, ohatra, ny mpitandro filaminana hanatrarana ireo olon-dratsy. Manao ny asany ny eny amin’ny Fitsarana ka mandefa ny olon-dratsy any amin’ny Fonja. Saingy, tsy kely lalana ny ratsy fa mitroatra mivoaka ny Fonja, noho izany, tsy maintsy andraisana andraikitra. Tsy atao mahagaga raha misy ny lavo. Saingy, ny mampalahelo, ny olon-dratsy no arovan’ny sasany. Firifiry ireo ankizy voaolana, olona matin’ny dahalo, teratany malagasy na vahiny iharan’ny fakàna an-keriny. Ny karazana vono olona mahatsiravina miseho efa ho isan’andro, etsy sy eroa. Ny mahavariana, tsy mitsangana ireo mpiaro ny zon’olombelona sasantsasany, izay mikendry tombontsoa manokana. Ireo olon-dratsy  efa misahy misotro ny aleoko maty, ka na mpitandro filaminana matin’izy ireo aza, tsy mitsangana akory ireo manandran-tena ho mpiaro ny zon’olombelona.

Vao tsy ela akory izay, no nisiana mpitandro filaminana naratra voatifitr’ireo olon-dratsy sy dahalo, tany amin’ny Faritra Miandrivazo iny. Vitan’ireo dahalo mihitsy aza, ny nandatsak’aina ana olom-boafidy iray tany an-toerana. Misy amin’ireo mpitandro filaminana ireo no miady amin’ny fahafatesana vokatry ny ady amin’ireo olon-dratsy, ho fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany. Eto an-drenivohitra ireo tandroka aron’ny vozona maratra ireo no tsaboina. Firy tamin’ireo mpiaro ny zon’olombelona no nitsidika ireo naratra ka nanameloka ny fihetsika nataon’ireo dahalo sy ireo mpiray tsikombakomba ? Mba nisy fandraisana andraikitra ve nataon’ireo mitonona ho mpiaro ny zon’olombelona, tamin’ireo olona nindaosin’ny fahafatesana vokatry ny fanafihana nataon’ireo jiolahy sy ny dahalo. Hafahafa tahaka ny mitsako labozia ny toe-draharaha, fa toa ny olon-dratsy indray no arovana. Ahoana ny hoavin’ny fiainam-piarahamonina raha hisakobon-doza amin’ny ratsy hatrany?

Fositra iray tsy hisian’ny tena fampandrosoana marina ny fahamaroan’ireo olon-dratsy tsy mikendry afa-tsy ny manao lefona an-kibo ny mpiara-belona aminy. Na miezaka hitondra fampandrosoana ho an’ny Firenena aza ny mpitondra fanjakana, saingy misy ireo tsy mikendry afa-tsy ny mitsivalam-pandry sy hampanjaka ny ratsy amin’ny lafiny maro.  Na manao ny ainy tsy ho zavatra aza ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana olon-dratsy, ohatra, kanefa  mbola manjaka ny baranahiny ataon’ny  sasany, eny amin’ny Fitsarana sy ny fiandrasana ny fonja. Aza gaga raha very maina tahaka ny manoroka olona matory sy levom-poana tahaka ny vanja natifi-danitra ny ezaka atao rehetra, mankamin’ny fampandrosoana. Na miezaka miady amin’ny olon-dratsy aza, ny mpitandro filaminana, saingy misy ireo dahalo ambony latabatra, mbola sahy mivarotra fitaovam-piadiana amin’ireo jiolahy noho ny fitiavan-tena diso tafahoatra. Ho sarotra ny hanarenana ny fiainam-piarahamonina sy ny fiainam-pirenena mihitsy aza, raha mbola ny olon-dratsy hatrany no arovana.

Voir Aussi

Fermer
Fermer