Songadim-baovao
SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO : Naiditra am-ponja ireo roa lahy mpangalatra entan’ny mpandeha
Naiditra am-ponja afakomaly, ireo roa lahy mpangalatra entan’ny mpandeha eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Maro ireo mpandeha amin’ny zotra iraisam-pirenena no nitaraina, very entana tao amin’ny « bagage en soute » ka tonga hatramin’ny fametrahana fitoriana tao amin’ny Zandarimariam-pirenen miasa eny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato. Mitohy ny famongorana ireo olon-dratsy…

Tsy afa-bela ireo roa mpangalatra entan’ny mpandeha eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, fa naiditra am-ponja vonjimaika afakomaly, rehefa niakatra fampanoavana teny Anosy, ny afakomaly lasa teo. Raha ny angom-baovao, ny 01 janoary 2023, nisy mpandeha tamin’ny zotra iraisam-pirenena no nitaraina rehefa tonga tany amin’ny toerana nandehanany fa nisy entana very tao amin’ny « bagage en soute ». Fantatra fa nisy « badge » sy « permis de conduire » hitany tao anatin’izany entany izany. Nametraka fitoriana teo anivon’ny Zandarimaria miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny Kaompaniam-pitaterana nandehanan’io mpandeha io. Natao ny fanadihadiana sy ny ezaka rehetra, ka tratra ilay mpiasa roa mpikirakira sy mpibata entana ho tompon’antoka tamin’izao halatra izao. Niakatra fampanoavana ireo roa lahy, afakomaly, taorian’ny fakàna am-bavany azy ireo, ka naiditra am-ponja. Ny Zandarimaria dia manentana hatrany, ny vahoaka, mba hanome angom-baovao ahafaha-mamongotra ny olon-dratsy, indrindra amin’ny fampiharana ny « Tagnamaron’ny fandriampahalemana ».
Entana marobe voaroba…
Renim-pianakaviana iray nipetraka any Marseille, saingy nandeha taty Madagasikara no velon-taraina, ny faramparan’ny taona 2022. 23 Kg ny valiziny no niala tao Ivato, ka 5 kg sisa tonga tany Marseille. Nambarany fa efa valizy nopitsohina ny « cadenas ». Vokany, very tao daholo ny akanjo sy kiraro sarobidy ary voandalana rehetra. Tsy vao indray mandeha no tratra, fa ny zokiny koa niharan’ny fangalarana tahaka izany, ny volana oktobra 2022. Valizy efa nisokatra be no tonga tany Paris, ka isan’ny very tao ny tennis maromaro. Na dia misy aza ireo tra-tehaka, mila mailo hatrany, fa tsy kely lalana ny ratsy. Mila hamafisina hatrany ny hidin’ny valizy, isorohana hatrany ny mety ho fangalarana ataon’ireo olon-dratsy. Na izany aza, efa manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpitandro filaminana hanatrarana ireo jiolahy eny amin’ny seranam-piaramanidina eny.




