PolitikaSongadim-baovao

FANARAHA-MASO NY FANOMANANA NY FIFIDIANANA: Miantso ny firenena vahiny, mpiara-miombona antoka, fiarahamonim-pirenena,… ny Fanjakana

Niainga tamin’ny fangatahana nataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), dia nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra omaly, 01 Febroary 2023, ny hanaovana ny antso ho an’ireo mpiara-miombona antoka, firenena vahiny, fikambanana iraisam-pirenena sy fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana ary ny fiarahamonim-pirenena mba handefa mpanara-mason’ny fifidianana na iraisam-pirenena na avy eto an-toerana ihany koa. Ireo mpanara-maso ireo izay hiasa mandritra ny fanomanana ny fifidianana hifanesisesy hatrehantsika eto Madagasikara manomboka amin’ny faran’ity taona 2023 ity.

“Izany dia mba hiantohana ny mangarahara sy ny fatokisana ny fanomanana ny fifidianana”, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra. Marihina fa ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) no manome ny fankatoavana (agrément) an’ireo mpanara-mason’ny fifidianana, raha ny fanazavana hatrany.

Fermer