PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FAMBOLENA SIMBA NOHO NY RIVODOZA – MAROVOAY: Novatsiana masomboly 20kg isaky ny hektara sy fitaovam-pamokarana ny tantsaha

"Sompitr’i Madagasikara i Marovoay, ary laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana ny hanarenana ireo tanimbary maherin'ny 1200Ha dibo-drano" hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina raha tonga tao amin'ny kaominina ambonivohitr’i Marovoay, nitondra fanampiana ireo tokantrano traboina ao an-toerana ihany. Ankoatra ireo masomboly 20kg/Ha dia nomena fitaovam-pamokarana isan-karazany koa ireo tantsaha ao an-toerana.

“Torotoro ny fo, nitazana ny ranobe manafotra an’i Marovoay. Namela takaitra mafy dia mafy teto ny rivodoza Cheneso. 1200ha ny tanimboly dibo-drano. Rava fananana ary tsy manan-kohanina ireo mponina. Tsy mitazam-potsiny manoloana izany ny Fanjakana fa tonga mamonjy sy manampy ny mponina amin’ny fomba rehetra”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina omaly tao amin’ny Kaominina Ankaboka Marovoay. Araka ny tarehimarika, miisa 167 ireo tokantrano tsy maintsy nafindra toerana noho ny fiakaran’ny rano ary tsy misy fomba hahafahana miainga avy ao Marovoay an-tampon-tanana mankao Ankaboka raha tsy ny lakana. Tsy nitazam-potsiny ny Fitondram-panjakana ka nidina ifotony nankahery sy nitondra fanampiana ireo mponina traboina tao Ankaboka, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly. Tsy misy kaominina kely sy hadino, hoy izy, ary tsy havela irery hiatrika ny fahavoazana ny vahoaka fa manana adidy ny Mpitondra Fanjakana manavotra sy mitondra vahaolana.

Araka izany, ho fanavotana ireo voly dibo-drano rehetra dia nanome masomboly 20kg isaky ny hektara ho an’ireo tantsaha ny Filoha. Izany hoe, ho an’ny tantsaha manana tanimboly 2ha dia mahazo masomboly 40kg. Nomena fitaovam-pamokarana ihany koa ireo tantsaha. “Misy ny fitenenana hoe « Aleo manome harato toy izay trondro. » ka manome harato anareo izahay. Manome fitaovana anareo izahay. Ao koa ny motoculteur, ny motopompe, ny charrue izay omena isaky ny tantsaha. Ny sarcleuse sy ny batteuse ary ny niveleuse izany dia omena anareo”, hoy ny Filoha.

Fanampiana samihafa…

Tsy hadinony ihany koa ny nitondra ireo vatsy ho an’ny mponina ka nozaraina vary 1 gony, menaka 1 litatra, voamaina, akanjo, kits solaires isaky ny tokantrano. « Miara-ory amin’izay ory, ao anatin’ny fahavoazana ianareo izao malahelo ihany koa izahay ka izay no antony hahatongavanay aty »., hoy hatrany ny Filoham-pirenena.

Nandritra ny fandalovan’ny Filoha Andry Rajoelina tany Marovoay ihany koa no nanomezany moto ho an’ireo Ben’ny tanàna mandrafitra ny Distrika. “Ny tanana dia misy mpitantana. Ary ny mampifandray antsika dia ianareo ben’ny Tanana. Hita fa mifanalavitra matetika ny fokontany. Misy ireo ben’ny tanana ireo rehefa manao fitsidihim-paritra misy izy ireo no mandeha an-tongotra mandritra ny adiny 5 na iray andro. Na mandeha taxi moto. Ka hoy aho hoe tsy hampandehanana tongotra intsony ny Ben’ny Tanana. Fa ny ben’ny tanàna rehetra eto amin’ny distrikan’i Marovoay dia omena moto”, hoy ny Filoha.

Namarana ny dian’ny Filoha omaly moa ny fizarana sakafo masaka ho an’ny mponina traboina miisa 770 tao amin’ny tranompokonolona Marovoay.

Fermer