PolitikaSongadim-baovao

FANAVAOZANA NY LISITRY NY MPIFIDY : Mbola manana efa-bolana ny olom-pirenena hisoratana anarana

Efa-bolana izay no lasa! Ny fiandohan’ny volana oktobra taona 2022, raha tsiahivina, no nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika fanoratana ny anaran’ny olom-pirenena ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Araka ny tarehimarika farany navoitra omaly, dia efa tafiakatra 9 675 145 ankehitriny ireo olom-pirenena voasoratra ao anatin’ny lisitra.

Araka ireo tetiandro napetraka tany am-piandohana, nitsahatra tamin’ny 31 janoary teo ny fanisana mpifidy isan-tokatrano ataon’ireo Vaomiera ifotony mpanisa ny mpifidy nampian’ny mpanisa mpifidy na ireo “Agent recensceur” avy amin’ny Vaomeram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny Ceni. Marihina anefa fa ny fitetezana tokantrano no nifarana fa  ny fandraisana anarana eny anivon’ireo fokontany manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara kosa dia mbola mitohy sy manan-kery hatrany. Ity farany izay voafaritra fa ho tapitra amin’ny 09 jona amin’ity taona ity. Manoloana io, manao ny antso avo hatrany ny filohan’ny Ceni, Dama Arsène Andrianarisedo, mba hanentanana ireo olom-pirenena mbola tsy nahavita ny adidiny amin’ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.

Tatitra vonjimaika

Tamin’iny omaly iny, teny amin’ny foibem-piasan’ny vaomeram-pirenena mahaleotena teny Alarobia, nisy ny tatitra noentin’ireo mpikambana maharitra ao anatin’ny Ceni. Tatitra izay natao hitondrana ny fizotran’io fandraketana ny lisitry ny mpifidy io. Nivoitra tamin’izany fa efa tafiakatra 9 675 145 ankehitriny ireo olom-pirenena misoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Io antotanisa io izany dia mbola  vonjimaika hatrany aloha hatreto satria araka ny fanazavana, misy ireo lisitra tsy mbola tonga eny anivon’ny distrika noho ny fahalaviran-toerana.
Raha toa ka miroso amin’ny kajikajy isika izany, hita fa efa ny 2/3-n’ny tanjona napetra no efa tratra amin’izao fotoana. Tsiahivina hatrany fa ezahina ny hahatafiditra olom-pirenena hatramin’ny 13 500 000 farafahakeliny, araka ny fenitra takian’ny vondrona iraisam-pirenena. Mbola hitombo hatrany anefa io antotanisa io satria mbola manana efa-bolana farany, izany hoe hatramin’ny fahasivin’ny volana jona ho avy izao, ireo vahoaka hanaovany ny fisoratana anarana. Ankoatra io, tsapa ihany koa fa maharisika olona maro ny fisoratana ao anatin’izay lisitry ny mpifidy izay. Miakatra hatrany ny antotanisa raha toa ka niainga tany amin’ny 1 026 253 izany ny volana oktobra nanombohan’ny hetsika, tonga 5 272 643 ny volana novambra ary 7 790 950 ny volana desambra farany teo.

Fanatrarana ny tanjona

Na teo aza io faharisihana io, haverina hatrany fa mbola ao anatin’ny fanatanterahana ny tanjona isika izao. Noho izany, misy ny paikady maromaro napetraka. Laharam-pahamehana amin’ireo ny fanaovana  fitsarana mitety vohitra  ho fanomezana kopia sy karapanondrom-pirenena ho an’ireo olona tokony hisitraka izany. Ny fananana ity farany mantsy no isan’ny fepetra  voalohany hahafahana miroso amin’ilay fanoratana anarana ao anaty lisitra. Mifanindran-dalana amin’izany, ilaina ihany koa ny fanoratana ireo olona ireo eny anivon’ny fokontany misy azy tsirairay avy raha toa ka mbola tsy nahavita izany izy ireo na ihany koa avy nanatanteraka fifindra-monina.
«Tsy maintsy miara-mientana isika amin’ny fampahafantarana fa zo sy andraikitra ny fisoratana ao anatin’ny lisim-pifidianana. Anaovana antso manokana amin’izany ireo fiangonana, ny mpanao politika, ireo fiarahamonim-pirenena, ireo mpiantsehatra amin’ny haino-vaky-jery fa indrindra isika olom-pirenena», hoy hatrany ny antso avo nataon’ny Filohan’ny Ceni. Noventesiny ihany koa moa ny fametrahana paikady ho fisorohana ireo karazana tsy fahatomombanana rehetra. Ary nampitandrina mafy izy ho an’ireo rehetra izay mety hanana hevi-dratsy hanao hosoka. Voararan’ny lalàna izany ary tsy hanavahana tavan’olona fa izay tratra dia omena sazy sahaza azy avy hatrany.
Morondava, Ambatofinandrahana, Antsirabe voalohany, Antananarivo faha enina ary Antsalova, ireo no distrika dimy eto Madagasikara mbola manana taha ambany  amin’ny faharisihina manao ny fisoratana anarana. Mila hamafisina, vokatr’izany, ny fanentanana hatao any amin’ireo toerana ireo.

 Sarobidy Sidonie.

Fermer