Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
NAMPIRAY NY MALAGASY REHETRA…: Noraisina tamim-boninahitra ny Barea CHAN
Nigadona an-tanindrazana omaly ireo Maherifon’ny Malagasy, niady sy niaro ny voninahi-pirenena tany amin’ny Fiadiana ny Tompondakan’i Afrika (CHAN). Nafana ny fitsenana azy ireo omaly, nanomboka tany amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato, ka hatrany amin’ny Kianja Barea. Saika tomefy olona avokoa ny sisin-dalana, ary naneho ny hafaliany ny Malagasy tsy ankanavaka…
Saika hipoka olona avokoa ny sisin-dalana teo anelanelan’Ivato ka hatrany Mahamasina omaly tao anatin’ny fitsenana ny Ekipam-pirenena malagasy, Barea an’i Madagasikara izay vao avy niaro ny voninahi-pirenena tany amin’ny CHAN. Orakoram-pifaliana, kopa-tanana sy sarotra, fanehoana sora-baventy sy kojakoja samihafa misaotra ny Barea, … ireo tamin’ny ankapobeny no hita teny amin’ny olona marobe ny nitsena ny Barea. Voaporofo fa nampiray ny Malagasy ny Barea, ary tsy misy sokajy na ara-politika na ara-pinoana na inona na inona, fa tonga nanohana sy nitsena ireto maherifon’ny Malagasy ireto daholo.
Tetsy ankilany, efa olona analiny no niandry ny fahatongavan’ny Barea tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Efa nisy ireo fanentanana sy mpanakanto nanafana ny sehatra tao an-toerana. Mazava ho azy, feno hipoka tanteraka ny kianja vantany vao nigadona tao an-toerana ny Ekipam-pirenena malagasy, ary voatery nampidirana olona hatreny ambony bozaka. Nafana tanteraka ny lanonana. Nitohy ny fanentanana nataon’ireo mpanakanto malaza toa an-ndry Wada sy Youngs, Sayda, Jerry Marcos, Simonda, sy ny sisa. Tomponandraiki-panjakana maro ihany koa no tonga nanatrika ny fotoana, izay notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ireo Minisitra mpikamban’ny Governemanta maro be sy ireo tomponandraikitra isan-tokony.
Nanoratra tantara ny Barea Chan!
Sambany teo amin’ny tantaran’ny Firenena malagasy no nandray anjara tamin’ny Fiadiana ny Tompondakan’i Afrika (CHAN), tsy ahitana ireo mpilalao mpila ravinahitra any ivelany. Fandraisana anjara voalohany ho antsika izany kanefa tsy nisy nahasakana antsika ireo mpifanandrina raha tsy tany amin’ny manasa-dalana. Ary mbola nahavita niaro ny voninahi-pirenena hatrany ny Barea tamin’ny nandrombahana ny laharana fahatelo ka nahazoana ny medaly alimo. Nilaza ny Filoha Andry Rajoelina omaly fa raha tonga tany amin’ny lalao ampahefa-dalana isika tamin’ny CAN 2019, ka tonga amin’ny lalao manasa-dalana amin’ny CHAN 2022, antenaina fa mbola ho azon’i Madagasikara ny anaram-boninahitra maha tompondakan’i Afrika amin’ny manaraka, ary faniriana ny handraisana anjara ihany koa amin’ny fiadiana ny amboara erantany, hoy izy.
Nandritra ny fotoana omaly dia nisaotra manokana ny Ekipam-pirenena rehetra ny Filoha, fa indrindra i Koloina, Jean Yves, Tsiry, Dax, Nina, ary ny Coach Rôrô izay isan’ny nanao zava-bita niavaka nandritra ny CHAN. Nanome toky ny Filoha fa ankoatra ny fanaovana Kianja dia hitohy amin’ny fanohanana ny tontolon’ny Kitra eto Madagasikara ny tenany. Nisaotra manokana ireo klioba mamolavola ny mpilalao malagasy ihany koa ny Filoha, ary nilaza fa ho asina ny fifaninanana manerana ny Nosy, ary hisy lalao iray isam-bolana eo amin’ny kianja Barea Mahamasina.




