PolitikaSongadim-baovaoToekarena

SEHA-PIHARIANA LAVANILA: Notazonina 250 dolara ny kilao amin’ny fanondranana

Niditra an-tsehatra tamin’ny famahana ny olan’ny seha-pihariana lavanila ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, taorian’ny fihaonana efa nisy teo amin’ny Minisitra misahana ny varotra sy ny Fanjifana, niaraka tamin’ireo mpisehatra marolafy eo amin’izany seha-pihariana izany. Tapaka, nandritra ny fihaonana omaly, fa mijanona ho 250 dolara ny kilaon’ny lavanila avy eto Madagasikara haondrana mankany ivelany.

Mpisehatra ao anatin’ny seha-pihariana lavanila miisa 88, ahitana ny solontenan’ireo mpanondrana, mpikarakara sy mpamboly, no niara-nivory sy nikaondoha ary nitady vahaolana tamin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nanatrika ny fivoriana ihany koa ny Filohan’ny vondron’ny mpandraharaha mpanondrana lavanila.

Tapaka nandritra ity fihaonana ity, araka izany, fa hotazonina amin’ny vidiny 250 Dolara ny kilaon’ny lavanila  haondrana mankany ivelany. Nanamafy ny Filoha Rajoelina fa vonona hanome sehatra hatrany ho an’ireo olona voakasika ao anatin’ny seha-pihariana lavanila mba hifampiresahana. Notsindriany ihany koa fa hanao ny fomba rehetra hiarovana ny seha-pihariana lavanila ny Fanjakana, izay vokatra mampiavaka an’i Madagasikara. Nanao fanamby ihany koa ny Fanjakana ny hiaro ny tombontsoan’ireo mpisehatra rehetra, na ny mpanondrana, na ireo mpikarakara sy mpamboly.

Araka izany, nirona kokoa tany amin’ny fikaroham-bahaolana maharitra ny fihaonana omaly. Samy nilaza ho afapo sy velom-panantenana ny amin’ny hoavin’ity seha-pihariana ity rahateo ireo solontena rehetra tonga nivory, taorian’ny fihaonana. Etsy ankilany, nanome toky ny hividy ireo tahirim-bokatra eny anivon’ny tantsaha ireo mpandraharaha mpanondrana. Raha tsiahivina, isan’ny nahatonga hetsika sy fitokonana tany amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny, andro vitsy lasa izay, ny fanambaran’ireo mpamboly lavanila fa tsy misy mividy ny vokatr’izy ireo.

Nandritra ny fivoriana, omaly,  niray feo ny amin’ny tokony hihazonana ny laza tsaran’i Madagasikara amin’ny famokarana lavanila any amin’ny sehatra iraisampirenena ireo mpisehatra rehetra. Tsara ho fantatra fa isan’ireo nanatrika ny fihaonana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy, sy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison.

Fermer