Songadim-baovaoSosialy

TOETR’ANDRO: Misy rivodoza roa niforona ao amin’ny Ranomasimbe Indiana

Misy rivodoza roa (DINGANI sy FREDDY) mivoatra any amin’ny ilany atsinanan’ny ranomasimbe Indiana amin’izao fotoana izao. Mbola tsy hisy fiantrakany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ny fisian’izy ireo amin’ity herinandro ity. Arahi-maso akaiky kosa ny ho fivoaran’i FREDDY manomboka amin’ny faran’ny herinandro, araka ny nambaran’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro.

Rivodoza roa, dia Dingani sy Freddy, no mivoatra any amin’ny ilany atsinanan’ny ranomasimbe Indiana amin’izao fotoana izao. Araka ny fampitam-baovaon’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro, dia mbola tsy hisy fiantrakany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ny fisian’izy ireo amin’ity herinandro ity. Arahi-maso akaiky kosa ny ho fivoaran’i Freddy manomboka amin’ny faran’ny herinandro. Hatramin’ny omaly dia mbola tany amin’ny fari-dranomasin’i Australie no nisy azy, izany hoe, any amin’ny 5 000 km an’ny morontsiraka antsinanan’i Madagasikara. Marihina fa ry zareo Australianina no nanome io anarana io. Hizotra iakandrefana ny lalan’io rivodoza io, ka any amin’ny faran’ny herinandro no tombanana hiditra aty amin’ny fari-dranomasina misy antsika.

Amin’ny ankapobeny, hitoetra any avaratra andrefana sy ny ilany andrefan’ny nosy ny oram-baratra. Hiitatra amin’ny faritra maro manerana ny Nosy izany amin’ny faran’ny herinandro. Ho maina amin’ny ankapobeny ny ilany atsinanan’ny nosy. Hanorana tandrifindrahona mety arahin-kotroka any Diana, Sofia, Boeny, Melaky, Menabe, Atsimo andrefana ary Bongolava. Tombanana hiverina ny oram-baratra ho an’ny afovoan-tany sy ny ilany atsimo atsinanan’ny nosy manomboka ny Alakamisy izao, araka ny fanazavana hatrany. Hisy fiakarana kely ny maripana ambony indrindra saika manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Manodidina ny 12 – 26°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 23 – 36°C ny tolakandro.

Fermer