Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
SERANAM-PIARAMANIDINA NOSY-BE: Misesisesy ny fahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika
Rongony mahery vaika milanja 9.174 kg indray no tra-tehaka tamin’ny mpandeha iray teratany tanzaniana tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Nosy Be, omaly, raha toa ka vao tamin’ny herinandro monja no nisy koa fahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika nilanja 5kg nokasaina nampidirina an-tsokosoko tao Nosy Be hatrany.
Rongony 09 kg mahery no tratra tao amin’ny seranam-piaramanidina Fascène, Nosy-Be. Ny sampan-draharahan’ny fadintseranana ao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao Nosy-Be no nahatratra mpandeha iray teratany Tanzaniana niaraka tamin’ny rongony milanja 9.174 kg. Nafenin’ity mpandeha ity tao anaty valizy ireo rongony ireo. Tonga tamin’ny sidina Ethiopian Airlines ET837 ity mpandeha ity ny talata 14 febroary 2023, omaly. Nogiazana avy hatrany ireo rongony ary nosamborina ilay mpandeha. Araka ny fanazavan’ny sampandraharahan’ny Fadintseranana dia mbola mitohy ny fanadihadiana.
Andro vitsy monja taorian’ny nahatrarana zava-mahadomelina izay nafenina tao anaty kojakoja fiara dia mbola mailo hatrany ny mpiasan’ny Fadintseranana ao amin’ny seranam-piaramanidina Nosy-Be. Raha tsiahivina tokoa, mpandeha iray, teratany Camerounais, avy amin’ny sidina ET 837 an’ny Ethiopian Airlines nigadona tao amin’ny Seranam-piaramanidina Nosy Be ny 04 Febroary teo, no tra-tehaky ny Mpiasan’ny Faditseranana Malagasy niaraka tamin’ny zava-mahadomelina mahery Vaika nilanja 5kg. Araka ny tatitra dia heroine ny 2,250kg amin’io, 2,350kg kosa no amphetamine ary 1kg ny methamphetamine. Nasitrik’ity teratany vahiny ity tany anatin’ny entany, izay nahitana kojakojana fiara ireo zava-mahadomelina ireo, araka ny fanampim-panazavana. Nilaza ny teo anivon’ny Sampandraharahan’ny Faditseranana any Nosy Be fa niainga tany Douala any Cameroun ity mpandeha ity, ary nandalo tao Addis-Abeba nialohan’ny nahatongavana tao Nosy Be. Eo am-piandrasana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, nosamborina ilay teratany vahiny, ary nogiazana ireo zava-mahadomelina tratra tany aminy.
Nilaza ny Faditseranana malagasy fa endrika vaovao amin’ny fomba fampidirana entana eto amintsika indray ity tra-tehaka ity. Manaporofo ny tsy maintsy hamafisana hatrany ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny Faditseranana izany. Tsara ho fantatra fa amin’ny volana marsa izao no hapetraka ao amin’ny seranan-piaramanidin’i Nosy Be ny “brigade canine” na ny borigady mampiasa alika mpitsongodia mba hanamafisana hatrany ny fanarahamaso ny sisintanintsika.



