Songadim-baovaoSosialy
FIFINDRA-MONINA ETO AN-DRENIVOHITRA: Tafakatra 2 tapitrisa ny isan’ny mponina tao anatin’ny 10 taona
Raha toa ka 300 000 ka hatramin’ny 400 000 ny isan’ny mponina zakan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, dia tafakatra 2 tapitrisa izany ankehitriny, raha ny fanazavan’ny Tale misahana ny Kolontsaina sy ny Fampivoaram-piarahamonina eo anivon’ny Kaominina Antananarivo, Elia Ravelomanantsoa. Antontanisa voaangona tao anatin’ny dimy ka hatramin’ny folo taona izany, raha ny tatitra. Antony mahatonga ny fiakaran’ny antontanisa, raha ny nambarany, ny fisian’ny fifindra-monina ataon’ireo mponina ivelan’Antananarivo, izay mitombo isa hatrany. Fantatra fa noho ny tsy fisian’ny tolotra isan-karazany izay tsy misy any amin’ny toerana misy azy ireo, no mahatonga ireo mponina mivangongo sy mifindra monina eto an-drenivohitra. “Tonga eto an-drenivohitra ireo any amin’ny faritra hafa toy ny any ambanivohitra, Faritra ivelan’Analamanga, noho ny fitadiavana ny tombotsoany. Ohatra amin’izany ny fitsaboana, ny asa, ny fianarana, sy ny sisa”, hoy hatrany ny filazany. Vokatr’izany, mampanano-sarotra ireo mpitantana eny anivon’ny fiarahamonina ny fitantanana noho ny fahamaroan’ny mponina. Ankoatra izay, miha tsy maharaka ny filàn’ny mponina intsony ireo fotodrafitrasa sosialy toy ny hopitaly, sy ny sisa.
Ireo tranga ireo dia manamarina ny vinan’ny Fanjakana ankehitriny izay hanitatra ny tanànan’Antananarivo amin’ny alalan’ny fananganana Tanàna vaovao “Tanamasoandro”, mba hisarihana ny olona tsy hivangongo eto an-drenivohitra. Eo koa ny tetikasa fitaterana an-tariby izay hamahana ny olan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra.
Fametrahana paikady
Tao anatin’izay folo taona izay, mitombo miaraka amin’ny fiakaran’ny isan’ireo mponina eto an-drenivohitra, araka izany, ny tolotra tokony homena azy ireo, ny fotodrafitrasa mifanaraka amin’izany. Manoloana izany, nisy ny paikady samihafa, izay notanterahin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpiara-miombona antoka. Anisan’izany ny fiarahamiasa amin’ny Fikambanan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fifindra-monina na ny OIM. Ity farany izay efa nanatanteraka tetikasa “Intégration de la migration dans le développement urbain durable et inclusif à Antananarivo », nanomboka ny taona 2020 ary mifarana amin’ity taona ity. Tetikasa izay nahafahana nanatanteraka ny fanadihadiana amin’ny famoahana ny atontanisan’ireo vahoaka mifindra monina eto Antananarivo. Nahafahana namoaka stratejia toy ny fandraisana ny anaran’ireo mpifindra monina ao amin’ny fitaovana nomerika « bokim-bahiny » eny anivon’ny Fokontany ny valin’ity fanadihadiana ity.
Fanamafisana ny laminasa efa napetraka
Tonga nitsidika ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly, ny Talem-paritry ny OIM aty Afrika Atsimo, Ashraf El-Nour. Fifanakalozana ny traikefa mikasika ny fanandramana ity laminasa nomerika ity, no anton-dian’ity farany. Marihina fa Fokontany miisa 16 eto Antananarivo Renivohitra no hanaovana izany. Hofantarina, araka izany, ny antony hiavian’ny mpifindra monina eto an-drenivohitra, ny anton’ny fivezivezen’izy ireo. Nivoitra nandritra ny fifanakalozana teo amin’ny roa tonta koa, ny vahaolana naroson’ity Fikambanana misahana ny Fifindra-monina ity.
Fantatra koa fa isany vahaolana ny fametrahana ireo fotodrafitrasa sosialy, any ivelan’ny tanàna. “Tsapa fa ny fametrahana ireo fotodrafitrasa iombonana eny ampovoan-tanàna no mahatonga ny fivangongoana be loatra. Noho izany, mba hialana amin’ny fahaterena sy ny sisa, dia tsara ny fametrahana ireny fotodrafitrasa ireny any ivelan’ny tanàna”, hoy hatrany ny filazan’ity tompon’andraikitra ity. Araka ny fanazavana, ao anatin’ny fametrahana ny fanandramana ity stratejia nomerika ity, izay hotanterahina ao anatin’ny 3 taona manaraka, ny roa tonta ankehitriny. Fantatra kosa, fa azo ovaina mifanaraka ny fiovan’ny tanàna sy ny fandrosoana ny stratejia ampiasaina.
Johannah (Mpianatra asa) sy LR.




