PolitikaSongadim-baovao

ANDRY RAJOELINA TANY ADDIS ABEBA : « Tsy maintsy ahena ny fampiasana angovo lafo vidy sy manimba tontolo iainana »

Nandray anjara tamin’ny latabatra boribory nitondra ny lohahevitra "Sécurisation de l'accès universel à l'énergie en Afrique" ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fihaonana an-tampin’ny Vondrona Afrikana, natao tany Addis Abeba, ny faran’ny herinandro teo. Nasongadiny nandritra ny fandraisam-pitenenany ny maha zava-dehibe ny fisitrahan’ny vahoaka angovo, ary ireo ezaka rehetra efa ataon’ny Fitondram-panjakana ho fampisitrahana angovo ny Malagasy.

Nitondra ny vinan’ny Fitondram-panjakana malagasy momba ny fisitrahana angovo ho an’ny rehetra nandritra ny latabatra boribory nitondra ny lohahevitra « Sécurisation de l’accès universel à l’énergie en Afrique » ny Filoha Andry Rajoelina. Ity latabatra boribory ity dia tafiditra amin’ny andiany faha-36 amin’ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy lehibena governemanta ao amin’ny Vondrona Afrikana izay nisokatra, ny 18 febroary 2023 tany Addis-Abeba, Ethiopie.

Nambaran’ny Filoham-pirenena Malagasy fa ny famokarana sy ny fisitrahan’ny vahoaka angovo no anisan’ny fanoitra lehibe amin’ny fampandrosoana nefa na dia manan-karena loharanon’angovo azo havaozina aza ny kaontinanta afrikanina dia mbola ambany ny tahan’ny mponina misitraka herinaratra. Noho izany mila hafainganina ny fananganana ireo fotodrafitrasa famokarana herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina sy takatry ny fahefa-mividin’ny vahoaka.

Fizarana « kits solaires »

Ho an’i Madagasikara, vahaolana voalohany sy haingana indrindra ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Ny Fitondram-panjakana dia mikendry amin’ity taona ity ny hamokatra 50MW azo avy amin’ny herin’ny masoandro amin’ny tanàna miisa 36 amin’ireo distrika 119. Ny tanjona dia ny hananganana « parcs solaires » manerana ireo distrika rehetra afaka taona vitsy. Eo ihany koa ny fizarana « kits solaires » ho ana tokantrano miisa 2 tapitrisa, izay tetikasa hiarahana amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Ao anatin’ny lavitr’ezaka kosa dia eo ny fananganana ireo « centrales hydroélectriques » izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena manerana ny Nosy ka hitombo 1000MW ny famokarana herinaratra afaka dimy taona eto Madagasikara. « Tsy azo ihodivirana ny fampitomboana ny taha-pamokarana angovo sy fisitrahan’ny vahoaka herinaratra eto amin’ny kaontinanta afrikanina satria io no antoky fampandrosoana sy ny fampiroboroboana ny indostria mba hialantsika amin’ny fahantrana » hoy hatrany Filoha Andry Rajoelina.

Angovo aty Afrika

Araka ny tatitra dia nahazo ny fankasitrahana tamin’ireo mpanatrika ny latabatra boribory mikasika ny angovo ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Nankasitraka ny fahasahian’ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina, nanapotsitra ny lesoka mikasika ny olan’ny angovo eto Afrika ny Filoha lefitry ny kaomisiona misahana ny fotodrafitr’asa sy angovo eo anivon’ny vondrona Afrikana . « Mahavelombolo ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’ny fanomezana angovo ho an’ny rehetra amin’ny fanapariahana ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, manerana an’i Madagasikara », hoy Dr Amani Abou Zeid, Filoha lefitry ny kaomisiona misahana ny angovo eo anivon’ny vondrona Afrikana .

Fermer