Songadim-baovaoSosialy
FIVOARAN’NY RIVODOZA: Tafiditra an-tanety i Freddy, miato ny fampianarana eto Analamanga
Omaly tokony ho tamin’ny 7ora sy 20 minitra no fantatra fa tadifitra an-tanety tao amin’ny Distrikan’i Mananjary ilay rivodoza Freddy. Tombanana hamakivaky ny afovoantany izy hatramin’ny anio, ary ny tolak’andro kosa no vinavinaina hivoaka an-dranomasina, any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.
Tafiditra an-tanety tamin’ny 07 ora sy 20 minitra, omaly, tao amin’ny manodidina ny 30 Km avaratry ny tanànan’i Mananjary i Freddy. Nihena ny heriny, araka ny tatitry ny Sampana mpamantatra ny toetry ny andro. 130 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 180 Km/ora manakaiky ny foibeny. Mikisaka miakandrefana izy ka mahafaka 25 Km/or, araka ny tatitra hatrany. Nitohy nikija ny rotsakorana amin’ny faritra nolalovany. Mbola mahery be sy misamboaravoara ihany koa ny ranomasina ary nahiana mafy ny fiakaran’ny ranomasina mandritra ny alina.
Araka ny tombatomban’ny Sampana mpamantatra ny toetry ny andro dia nanohy ny diany namakivaky ny afovoan-tany i Freddy nandritra ny alina ary vinavinaina hivoaka any amin’ny Lakandranon’i Mozambika ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana anio Alarobia tolak’andro. Teo anatrehan’izany, raha ny filazana loza nivoaka omaly tamin’ny 8ora alina dia Filazana miloko mena (loza mitatao) ho an’i Vatovavy, Fitovinany, Amoron’i mania, Matsiatra ambony, Ihorombe, ny distrikan’i Vatomandry, Mahanoro, Antanambao manampotsy ary Marolambo. Filazana miloko mavo kosa (Loza manambana) ho an’Atsimo atsinanana, Vakinankaratra, ny distrikan’Anosibe an’ala, Brickaville, Toamasina I-II, Mahabo, Manja, Morondava, Beroroha, Ankazoabo, Sakaraha, Morombe ary Toliara I-II. Ary Filazana miloko maitso (Fanairana) no azon’Analamanga, Itasy, ny distrikan’i Moramanga, Miandrivazo ary Belon’i tsiribihina. “Iangaviana ny mpampiasa ranomasina manomboka any Sambava ka hatrany Cap Ste Marie mba tsy hiandriaka satria mikorontana ny toetry ny andro noho ny alondrano sy ny tafiotra izay aterak’i FREDDY. Entanina ny rehetra hanaja mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony”, hoy ny Meteo malagasy omaly hariva.
Miverina amin’ny 06 marsa
Manoloana ity fivoaran’ny rivodoza Freddy ity, dia nanapa-kevitra ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa hampiato ny fampianarana rehetra eto anivon’ny DREN na ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena eto Analamanga, manomboka anio. Voakasika izany avokoa na ireo sekoly miankina na tsy miankina, manomboka amin’ny Garabola, Ambaratonga fototra, Ambaratonga faharoa, Lisea ao amin’ny distrika rehetra mandrafitra an’Analamanga. Miverina mianatra kosa ny mpianatra rehetra eto Analamanga ny 06 Marsa 2023 izao.
Marihina fa ny alatsinainy 27 Febroary 2023 ka hatramin’ny zoma 03 marsa 2023 dia fotoam-pialantsasatra, araka ny tetiandrom-pampianarana. Nilaza ny teo anivon’ny Minisitera mpiahy fa tomponandraikitra feno amin’izay loza mety hiseho ny sekoly minia mandika io fanambarana io.




