PolitikaSongadim-baovao
FANAVAOZANA NY LISITRY NY MPIFIDY: Tanora 18-35 taona ny 46,49%-n’ireo efa voasoratra anarana
Mbola ambany ny taham-pisoratana anaran’ny tanora sy ny vehivavy voarakitra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, hatramin’ny Zoma 17 Febroary 2023 lasa teo, araka ny angom-baovao. Manoloana izany, nisy ny famelabelaran-kevitra izay notanterahina omaly, mba handrosoana vahaolana sy hamantarana ireo paikady tokony handresen-dahatra ireo tanora amam-behivavy hanatanteraka ny adidin’izy ireo ho an’ny Firenena.
Ny 46,49%-n’ireo olom-pirenena voasoratra ao anaty lisitry ny mpifidy no tanora eo anelanelan’ny 18 hatramin’ny 35 taona, araka ny tarehimarika navoakan’ny Ceni, ny Zoma 17 Febroary 2023 lasa teo. Fantatra koa fa 48,77 % amin’ireo voarakitra anatin’ny lisitry ny mpifidy no vehivavy. “Miisa 4 370 280 ireo tanora ampy taona latsaky ny 35 taona, voarakitra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Miisa 4 584 725 kosa ny vehivavy. Fantatra, anefa fa efa maherin’ny 9 900 000 ireo olona voasoratra anatin’ny lisi-pifidianana ankehitriny”, raha ny fanazavan’ny Tomponandraikitry ny fanetsehana ny vehivavy ao amin’ny » Sampana Anarahamaso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana » na ny “Safidy observatoire”, Vololona Randimbisoa. Araka izany, ambany ny tahan’ny fandraisana anjaran’ny tanora sy ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fifidianana eto amintsika. Ankoatra izay, tsy nahitana fiakarany tao anatin’ny taona maro ny isan’ireo vato manan-kery isaky ny valim-pifidianana eto Madagasikara, na eo aza ny fitombon’ny isan’ireo olona fantatra ampy taona eto amintsika, araka ny fanambaran’i Miadana Fabien Privat, Tomponandraikitry ny fanentanana eny anivon’ny Kaominina sy ny Olom-pirenena, eo anivon’ny ONG Tolotsoa.
Tsy fandraisana andraikitra
“Mbola mametraka adihevitra lehibe eo amin’ny Firaisamonim-pirenena misahana ny fifidianana ankehitriny, ny antony mahatonga ny ankamaroan’ny tanora tsy mifidy”, hoy ny nambarany. Nolazainy tamin’ny ankapobeny kosa, fa maro ireo antony mahatonga izany. Ao ny tsy fahafantarana ny tombontsoa amin’ny antony hifidianana ny ho Filohan’ny Repoblika, ny fisian’ny vaovao diso, ny tsy fahazotoana izay midika ho tsy fandraisana andraikitra ho an’ny Firenena. Eo koa ny tsy fahafantaran’ireo tanora ny fiantraikany mivantana amin‘ny fanatanterahana ny fifidianana, indrindra ny tsy fahalalana ny maha zava-dehibe ny fifidianana eo amin’ny firenena iray. Ireo antony ireo, izay mbola sakana tsy hirosoana amin’izany, indrindra fa ny mponina any ambanivohitra.
Paikady fanentanana ny vehivavy sy ny tanora
“Manana ny anjara toerany lehibe eo amin’ny sehatry ny fifidianana ny fandraisana anjaran‘ny tanora eo amin’io sehatra io. Tsy eo amin’ny lafiny fisoratana anarana ho mpifidy ihany, fa na ny fanentanana ny tsirairay hanatanteraka izany koa”, raha ny nambaran’ny Filoha lefitry ny Ceni, Andoniaina Andriamalazaray. Zava-dehibe, noho izany, ny fanaovana fanentanana amin’ireo tanora, indrindra ny handresen-dahatra azy ireo amin’ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Izany indrindra no nanatanterahan’ny teo anivon’ny Fikambanana ONG Tolotsoa famelabelaran-kevitra mikasika ny paikady ho an’ny tanora eo amin’ny tontolon’ny fifidianana na ny “Le système électoral de Madagascar face aux jeunes électeurs en 2023”. Famelabelaran-kevitra mifototra amin’ny paikady tokony hatao amin’ny fanentanana ireo tanora mba hanatanteraka ny adidiny ho an’ny Firenena, indrindra ho an’ny tombontsoan’izy ireo. Fotoana izay nahitana Fikambanan’ny tanora samihafa, ireo Firaisamonim-pirenena maro, Oniversite sy ny sisa. Nampahafantarina ireo nanatrika, araka izany, ireo paikady ho entina eny anivon’ny fiarahamonina mba hanentanana ny tanora sy ny vehivavy hifidy. Anisan’izany ny fihainoana tsy tapaka ny vaovao, ny fanamafisana ny serasera indrindra amin’ireo mponina any ambanivohitra, sy ny sisa.
Marihina ny 10 Aprily ho avy izao, no famaranana vonjimaika ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy, raha toa ka ny 10 Jona 2023, ny famaranana tanteraka ny fanavaozana, araka ny nambaran’ny Filoha Lefitry ny Ceni, izay tonga nanatrika ny famelabelaran-kevitra nokarakarain’ny ONG Tolotsoa.




