PolitikaSongadim-baovao

ATERINETO SY TAMBAZOTRAN-TSERASERA : Hisy ny fitsipi-dalàna iraisam-pirenena hifehezana ny fampiasana azy

Tanterahina any amin’ny Foibe toeran’ny Unesco Paris Frantsa, nanomboka ny alarobia 22 Febroary 2023 teo, ny fikaonan-doha iraisam-pirenena handinihana ny fomba hitantanana ny aterineto sy ireo tambajotran-tserasera naterany mba hiadiana amin’ireo fanapariahana vaovao tsy marina sy famadihan-dresaka iniana atao (désinformation et fake news). Mandray anjara amin’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny delegasiona tarihin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo.

Ny firenena rehetra ao anatin’ny firenena mikambana dia miara-miaiky fa lasa olana goavana amin’ny fampiasana ny tambajotran-tseraserampifandraisana amin’ny aterineto (internet) ankehitriny ny fanapariahana vaovao tsy marina (désinformation), ny fivoizana resaka fankahalana (discours haineux), ny fanenjehana be fahatany sy totoafo amin’ny tambajotra (harcèlement en ligne) ka manjary ambana ho an’ny fahalalahana miteny fa indrindra ny Demokrasia. Izany indrindra no nahatonga ny Firenena Mikambana amin’ny alàlan’ny Unesco mikarakara manomboka ny Alarobia faha 22 febroary 2023 teo, fikaonan-doha iraisam-pirenena handinihana ny fomba hitantanana ny aterineto sy ireo tambajotran-tserasera naterany mba hiadiana amin’ireo fanapariahana vaovao tsy marina sy famadihan-dresaka iniana atao (désinformation et fake news).

Mamono ny demokrasia sy ny fahalalahana miteny

Itovizan’ireo firenena rehetra mpandray anjara ny tokony handrafetana fitsipi-dalàna iraisam-pirenena hifehy ny fampiasana ny aterineto sy ny tambazotran-tserasera araky ny tokony ho izy mba tsy hamono ny fahalalahana miteny sy ny Demokrasia. Miray feo amin’ireo firenena hafa manerantany i Madagasikara ary manamafy ihany koa fa iantohan’ny fifanarahana iraisam-pirenena sy ireo lalàna velona indrindra eto Madagasikara ny fahalalahana miteny, saingy voafetran’ny fanajana ny tany tan-dalàna sy ny fiantohana ny filaminam-bahoaka.

Raha tsiahivina, hetsika sy fanentanana maro no efa nataon’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina teto Madagasikara mahakasika ity ady amin’ny fanapariahana vaovao diso ity. Tafiditra ao anatin’izany ny hetsika « Semaine mondiale de l’éducation aux médias et à l’Information » izay natao ny volana Novambra 2022. Nandritra izany no nanabeazana ny olom-pirenena mba hahay hanjifa ireo karazam-baovao maro mitobaka eny anivon’ny fiarahamonina, indrindra any anatin’ny tambazotran-tserasera sosialy. Nohantitranterin’ny Minisitera tomponandraikitra nandritra ny hetsika fa ny demokrasia sy ny fahalalahana miteny mihitsy no lasibatra voalohany amin’ny fiparitahan’ny vaovao diso.

Fampiasana ny tenin-dreny

Tetsy ankilany, mandritra ity fikaonandoha tanterahina any Paris ity ihany koa dia miray feo amin’ny firenena mampiasa ny teny frantsay sy ireo firenena afrikana i Madagasikara mitaky ny fametrahana ireo orinasa mitantana ireo tambajotran-tserasera eo anoloan’ny andraikiny, sy mitaky amin’izy ireo hampiditra anatin’ny politikany ny fanomezan-danja ny kolontsain’ny firenena tsirairay fa indrindra ny fampiasana ny tenin-dreny. Tsara ho fantatra fa ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo no mitarika ny delegasiona Malagasy mandray anjara amin’izany fikaonan-doha iraisam-pirenena atao any amin’ny Unesco Paris izany. Nisy koa ny tafa nifanaovan-dRamatoa Minisitra tamin-dRamatoa Audrey Azoulay, Tale jeneralin’ny Unesco.

Fermer