
Songadim-baovaoSosialy
SEHATRY NY FITSABOANA NENTIM-PAHARAZANA: Miantso fanarahan-dalàna ny Minisiteran’ny Fahasalamana
NIteraka resabe tato ho ato ny fisiana toeram-pitsaboana nentim-paharazana iray izay voalaza fa manao fampiofanana ho mpitsabo nentim-paharazana ao anatin’ny volana vitsy monja. Nampiaka-peo nanoloana izany ireo mpiasan’ny fahasalamana, ary nilaza fa fanaovana tsinontsinona ny tontolon’ny asa fitsaboana ataon’izy ireo izany, izay hianarana valo taona farafahakeliny. Omaly, nivoaka ny fanambaran’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izay nampahatsiahy fa ny fanatanterahana ny asa fitsaboana nentim-paharazana, ny fanokafana toeram-pitsaboana, nentim-paharazana dia tsy maintsy ahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny Minisitera miandraikitra ny fahasalamam-bahoaka. Ao anatin’io sehatra io ihany koa ny fanaovana dokambarotra amin’ny endriny rehetra dia tsy azo atao. “Voarara ho an’ny mpitsabo nentim-paharazana ny fampiasana ny fitaovana fampiasan’ny dokotera, ny fampiasana ny fitaovana tsy voamarina ara-tsiantifika ary tsy nahazo fanekena avy amin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka toy ny “Bioscan” sy ny sisa, eo koa ny fampiasana ireo voambolana medikaly ho an’ny fitsaboana moderna, ny fampiasana ireo fanafody simika izay fampiasan’ny mpitsabo moderna, ary ny fampiasana ireo fomba fiantsoana toy ny profesora, dokotera, rasazy sy ny sisa”, hoy ny fanambaran’ny Minisitera.
Notsindrian’ny Minisitera tao anatin’ny fanambarany fa tsy manome fahazoan-dalana ho an’ny fanofanana ny mpitsabo nentim-paharazana izy ireo satria ny fitsaboana nentim-paharazana dia “nolovaina fa tsy ianarana”.
Araka izany, mety hitarika ny fanafoanana ny fahazoan-dalana sy fanakatonana ny toeram-pitsaboana nentim-paharazana ary ny fitondrana ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ny tsy fanarahana ireo fepetra ireo.




