SamihafaSongadim-baovaoSosialy

MPITATITRA ENTANA ETO ANTANANARIVO : Nalamina ny fivezivezen’ny Kamiao

Hatramin’ny niverenena tsikelikely tamin’ny fiainana andavanadro dia tsapa ho nisy fikorontanana ny fifamoivoizana teto andrenivohitra noho ny fisian’ireo kamiao mpitatitra entana, miditra eto Antananarivo amin’ny atoandro. Izy ireo izay voafetran’ny fepetra tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina ihany koa, hany ka lasa amin’ny atoandro avokoa noho izany no mifamoivoy eto andrenivohitra ny fiarabe rehetra. Eo anatrehan’izany, nisy ny naoty laharana 080/mttm/sg/dgt/dtt/2020, navoakan’ny ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro, ho fampahafantarana ny rehetra ireo ora ahafahan’ireo fiara vaventy mitatitra entana mifamezivezy eto Antananarivo sy ny manodidina. Araka izany, voalaza fa « ireo fiara vaventy « isolés » latsaky ny 19T ny PTAC dia afaka mifamoivoy anatin’ny tananan’Antananarivo mandritra ireto ora manaraka ireto: amin’ny 04 ora maraina hatramin’ny 6 maraina, amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 11 ora atoandro, amin’ny 01 ora atoandro hatramin’ny 04 ora tolakandro, ary, amin’ny 08 ora alina hatramin’ny fiafaran’ny fahazoana mivezivezy amin’ny alina. »

Fiara vaventy hafa

Etsy ankilany, voalamina toy izany koa ireo fiara vaventy (véhicules porteurs, ensemble de véhicules : semi-remorque, train double) mihoatra ny 19T. Izy ireo izay afaka mifamoivoy manaraka ny lalana « digue » (Ambohidratrimo – Ambodimita – Andohatapenaka – Ampasika – Anosipatrana – Anosizato) sy rocade (Boulevard de Tokyo mampifandray ny lalam-pirenena faha-7 amin’ny lalam-pirenena faha-2, misampana eo Ankadimbahoaka) mandritra ireto ora ireto : amin’ny 04 ora maraina hatramin’ny 05 ora sy sasany maraina, amin’ny 09 ora maraina hatramin’ny 04 ora tolakandro, amin’ny 08 ora alina hatramin’ny fiafaran’ny fahazoana mivezivezy amin’ny alina. Araka ny voalazan’ny naoty hatrany, « ireo fiara vaventy « isolés à double essieux » mihoatra ny 19 T mihazo ny lalana (RN3 – Mahazo – Ampasampito – Nanisana – Analamahitsy – Ambohitrarahaba) dia afaka mifamoivoy mandritra ireto ora manaraka ireto : amin’ny 04 ora maraina hatramin’ny 05 ora sy sasany maraina, amin’ny 08 ora alina hatramin’ny fiafaran’nyahazoana mivezivezy amin’ny alina». Tsara marihana fa tsy voakasik’ity naoty ity ireo fiara manatanteraka asa fanamboaran’ny Jirama sy ny fifandraisan-davitra ary ireo mpitatitra solika.

Fermer