Fanadihadiana ManokanaPolitikaSongadim-baovao

VEHIVAVY SY NY FANDRAISANA ANDRAIKITRA POLITIKA : “Fitiavan-tanindrazana fa tsy tombontsoa manokana ny ahy” hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy A.

Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, Renim-pianakaviana, Tompon’ny Vondrona Orinasa FREE, Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom ihany koa, ary ankehitriny dia misahana ny andraikitra maha Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina eo anivon’ny Governemanta, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta. Tao anatin’ireo fikitihana ny Governemanta nifanesy, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo no tsy mbola voakitika mihitsy, nanomboka ny taona 2019. Tsiahivina fa misy hatrany ny tombana ataon’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta mialohan’ny fanovana ireo mpikamban’ny Governemanta. Azo heverina, araka izany, fa miabo ny naoty azon’ny Minisitry Serasera sy ny Kolontsaina tao amin’ny Departemanta notantaniny.

Amin’izao ankatoky ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy izao, nisy ny resadresaka manokana nataonay teto anivon’ny Gazety Freenews tamin-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, mahakasika fandraisana andraikitry ny vehivavy eto amin’ny firenena, indrindra eo amin’ny sehatra politika sy ny fitantanan-draharaham-panjakana.

RESADRESAKA…

Freenews : Ramatoa Minisitra anisan’ireo Minisitra notendrena tamin’ny fanendrena Governemanta voalohany, ny taona 2019, ary tsy niala mihitsy mandrak’ankehitriny. Amin’ny ankapobeny, ahoana ny fomba hiainana an’ilay hoe vehivavy, Reny, kanefa misahana andraikitra ambony eto amin’ny firenena?

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK*): Tsy misy hoe fomba manokana atao iainana azy fa mandeha ho azy rehefa manana faharesen-dahatra lalina amin’ny zavatra atao ianao dia afaka miatrika ireo fanamby samihafa mipetraka aminao. Dia mila manana fahavononana foana koa ary indrindra, mila manana finoana tsy voahozongozona fa ny tena moa kristiana dia mino tanteraka hoe Andriamanitra manampy ao anatin’ny adidy iantsorohana. Ny tombony ho ahy koa dia manaiky ny safidim-piainana nataoko hoe hanao politika, hanompo firenena ny fianakaviako.

 

Freenews : Raha misy Minisitra lohalaharana mahazo fanakianana sy fanenjehana ao anatin’ny Governemanta, dia ianao. Ahoana ny fomba handraisanao ireny fanenjehana ireny ? Tena tsy misy fiantraikany aminao tokoa ve ? Inona ilay tsiambaratelo mampijoro hatrany?

MSK: Tsy raisiko ho ahy manokana mihitsy ny fanenjehana satria tsy te hanana fankahalana ao am-poko aho ary tsy te hitahiry fankahalana na iza na iza. Tsy misy fiantraikany amiko mihitsy izy ireny satria fantatro tsara fa tsy mitombona ny 99,9% an’izy ireny. Izao foana no averimberiko amin’ny fianakaviako, ny zanako lahimatoa izay efa ho feno taona, ny mpiara-miasa amiko ary ny mpiray antoko amiko hoe aza atao mahataitra ny fanakianana ataon’olona raha mbola fanenjehana amin’ny bika aman’endrika, fiainana manokana sy ny sisa satria tsy misy dikany ireny. Fa raha sanatria kosa ny fanenjehana ahy hoe nanodikodina volam-panjakana, na hoe nanao raharaha maloto na tsy ara-dalàna teo amin’ny fitantanana ny minisitera izay iandraiketako, dia eo no tokony hikoropaka isika satria mamotika firenena izany. Kanefa izany tsy hisy mihitsy satria aho madio niditra teo amin’io fitantanana raharaham-panjakana io dia madio koa aho hivoaka avy ao. Tsy misy tsiambaratelo fa asa sy ezaka no tena filamatra ary mila manana toetsaina mpandresy hatrany. Dia farany nefa ny lehibe indrindra, miankina amin’Andriamanitra foana.

 

Freenews: Ankoatra ny maha Minisitra sy ny fitantanana orinasa manokana, dia mpitarika Antoko Politika ihany koa Ramatoa Minisitra, inona no tena nahatonga ilay safidy hanao politika? ahoana ny fijerinao ny faharisihan’ny vehivavy manao politika eto Madagasikara?

MSK: Izaho fony mbola kely dia efa tia politika satria izaho tena tia tanindrazana ary efa te hanompo firenena foana aho hatramin’izay. Dia efa niomana foana aho araka izany hanao politika sy hitana andraikitra ambony fa tsy hoe kisendrasendra na koa hoe te hanan-karena tampoka sy ny sisa. Tsy resaka tombontsoa manokana mihitsy no nahasarika ahy hanao politika, fa tena fitiavan-tanindrazana. Tena tsy mbola ampy mihitsy ny faharisihan’ny vehivavy hanao politika satria heverina foana fa raharahan-dehilahy izany politika izany. Kanefa tena tsy marina izany satria tsy miankina amin’ny maha-lahy na maha-vavy anao mihitsy, tsy miankina amin’ny taovam-pananahanao ny haitarika anananao eo amin’ny fanaovana politika. Heveriko aza fa manana tombony ny vehivavy satria misy fihetseham-po kokoa ka afaka mahatsapa bebe kokoa ny fahasahiranan’ny mpiray tanindrazana.

 

Freenews: Amin’ny maha Mpitondra tenin’ny Governemanta anao, ahoana ny fijerinao ny fanomezana sehatra ny vehivavy ato anatin’ny Fitondrana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina ?

MSK: Mahafinaritra satria tena hita kosa ny ezaka ataon’ny Filoha hanomezan-danja ny vehivavy. Jereo ny manodidina azy fa vehivavy ny ankamaroany eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Mitombo ihany koa ny isan’ny vehivavy ao anaty Governementa. Ny tena tanjona dia hoe misy fitoviana tanteraka ny isan’ny lehilahy sy ny vehivavy minisitra, kanefa amiko koa ny fahaiza-manao tokony hipetraka foana ihany, na lahy na vavy.

 

Freenews: Inona no mety ho hafatra na torohevitra omena ireo zandry vavy sy tovovavy malagasy ao anatin’izao andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy izao?

MSK: Izaho dia karazan’irony olona mandeha amina foto-kevitra sy soatoavina hatrany eo amin’ny fiainako ary nanampy ahy foana izay. Dia tiako zaraina amin’ny vehivavy rehetra koa, ny ahy izany tsy resaka tombontsoa na fitadiavan-karena mihitsy no hanaovako politika sy handraisako andraikitra eto amin’ny firenena, fa tena fitiavako ny mpiray tanindrazana amiko, sy fitiavako mba hitondra zavatra tsara ho an’ity firenena malagasy ity.

Faharoa dia torohevitra zaraiko foana koa ny hoe mianara. Ny vehivavy rehefa mianatra tsy very mandeha izany, afaka mahazaka sy mahavita tena tsara eo amin’ny fiainana.

Dia eo koa ny hoe aza manaiky zavatra tsy rariny, eo amin’ny fiainana tsy miandry toloram-potsiny izany fa tsy maintsy miady ianao raha te hahatratra ny tanjonao. Betsaka ny zavatra tsy rariny hitantsika anaty fiarahamonina, fa izaho raha mbola misy azoko atao hanoherana izany dia tsy maintsy manampy foana aho ireo mpiray tanindrazana iharan’izany tsy rariny izany. Dia te hanafatra aho hoe hiadio foana ny zonao fa aza manaiky lembenana.

Farany dia fizarana fotsiny ny ahy hoe manampy sy manohana betsaka ahy ny mivavaka. Maro tena maro ny sedra nolalovako teo amin’ny fiainana, fa afaka mijoro vavolombelona mihitsy aho hoe afaka mijoro hatrany aho satria efa nisafidy hiaraka amin’Andriamanitra eo amin’ny fiainako.

Nangonin’i LR.

Fermer